2021
Zavatra tokony hotadidiana
Mey/Jona 2021


Zavatra tokony hotadidiana

Esory amim-pitandremana tsara hiala amin’ny gazetiboky ity pejy ity dia apetaho amin’ny toerana ahitanao izany isan’andro!

Afaka manao zavatra mahatalanjona ianao.

“Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ilay mpampahery ahy” (Filipiana 4:13).

Manan-danja ianao.

“Tadidio fa lehibe ny hasarobidin’ ny olona eo imason’ Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10).

Tena tiana ianao.

“[Tsy misy na inona na inona] hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’ Andriamanitra izay ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika” (Romana 8:39).

Zanaka malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra ianao.

“Andriamanitra ianareo, ary zanaky ny Avo in-drindra ianareo” (Salamo 82:6).

Afaka manampy ny hafa ianao.

“Mifanompoa amin’ny fitiavana” (Galatiana 5:13).

Afaka mitombo mba ho toa an’i Jesoa ianao.

“Izaho no fahazavana; efa nanome ohatra ho anareo Aho” (3 Nefia 18:16).