2. Ny Havoana Komôrà sy ny Faritr’i Palmyra sy Manchester
Io sary mitodika mianavaratra io dia maneho ny Havoana Komôrà ao Manchester, New York. Manomboka eo amin’ny zorony ambany an-kavanan’ny sary ilay havoana, ary somary mihoatra ny tapany amboniny. Ny tsangambato fotsy tazana eo amin’ny farany avaratra amin’ny havoana dia fanomezam-boninahitra ny anjely Môrônia sy ny nivoahan’ny Bokin’i Môrmôna. Ny Havoana Komôrà dia tokony ho dimy kilaometetra atsimo atsinanan’ny Kirihitr’ala Masina. Akaikin’ny tendron’ny sary no misy ny Tanànan’i Palmyra, 6½ no elanelany. Eo amin’ny ilany ambony havia amin’ny sary no misy ny toeram-piompiana sy fambolendry Smith sy ny Kirihitr’ala Masina.
Ny zava-dehibe nitranga: Nonina tao amin’io toerana io ny fianakavian’ny Mpaminany Joseph Smith tamin’ny fotoanan’ny Fahitana Voalohany (JS—T 1:3). Tamin’ny 421 taona taorian’i Kristy, dia nalevin’i Môrônia tao amin’ny Havoana Komôrà ireo takelaka volamena izay mirakitra ny tantara masina mikasika ny olony (TiM 1:1–11; Môrm. 6:6; Môrô. 10:1–2). Io Môrônia io ihany no nanambara tamin’i Joseph Smith ny toerana hahitana ireo takelaka eo amin’ilay havoana. Nomen’i Môrônia azy izany tamin’ny taona 1827 (F&F 27:5; 128:20; JS—T 1:33–35, 51–54, 59).