Zatovo
Lesona ho an’ny olon-dehibe: Lesona fanofanana ho an’ireo ray aman-dreny momba ny teknôlôjia


Lesona ho an’ny olon-dehibe: Lesona fanofanana ho an’ireo ray aman-dreny momba ny teknôlôjia

fianakaviana misy olona efatra

I. Teny fanolorana

Amin’ny maha-ray aman-dreny antsika dia maniry ny tsara indrindra ho an’ny zanatsika isika ary tafiditra ao anatin’izany ny fampianarana azy ireo ny fomba hamakivakiana amin’ny fomba azo antoka ny tontolon’ny nomerika. Ato amin’ity lesona ity isika dia hifanakalo hevitra mikasika ny fomba ahafahantsika manampy ny ankizy handray andraikitra amin’ny fampiasany ny teknôlôjia mba tsy hifehezan’izany azy ireo. Hianatra fomba sy teknika azo ampiharina isika izay afaka manampy amin’ny fitarihana ny ankizy hampiasa ny teknôlôjia amin’ny nahim-pony sy amin’ny fomba mahasoa.

II. Ireo Tombontsoa sy Saran’ny Teknôlôjia

Tombontsoa

  • Mampiasa ny teknôlôjia ny Fiangonana mba hifandraisana manerana izao tontolo izao sy hanapariahana ny filazantsara.

  • Ny teknôlôjia dia manome antsika fahafahana hahazo ny fahalalana itambarana manerana izao tontolo izao ary tafiditra tsara ao am-paosintsika.

Sarany

  • Ny saran’ny teknôlôjia dia ny fotoanantsika sy ny fifantohantsika na ratsy kokoa noho izany mihitsy aza dia ny fandanilaniana foana ny fahafahana manao zavatra hafa sy ireo fitahiana.

  • Raha tsy mitandrina isika dia mety hiataka amin’ny lalantsika noho ny zavatra iray izay tsy mendrika ny hisarika ny fifantohantsika isika, na koa mety ho voarebireby isika hiala amin’ireo fanekempihavanana sy soatoavintsika.

Filipiana 4:8

  • Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.

fianakaviana mijoro eo ambony teknôlôjia

III. Fanambin’ny Teknôlôjia

Ireo mpikaroka sy ny siansa, ary ny lamina dia nianatra teknika hanampiana ny olona hifantoka mandritra ny fotoana maharitra kokoa sy hahatsapa ho afa-po. Mitovy amin’ny indostria mpamokatra sakafo ihany izany. Ny siansa dia nanampy orinasa hamokatra sakafo mba hahatratrarana ilay “bliss point” na ny ilay ambaratonga izay mampatsiro indrindra ny sakafo. Moa ianao no diso raha toa ka te hanampy foana ianao?

Eny, … sy tsia. Ny teknôlôjia dia manana ny “bliss point” (fahafinaretana faratampony) azy manokana ary izany dia mitarika ny fihetseham-pontsika sy ny akora simika anaty vatantsika mba hanohana izany. Malahelo ve ianao raha toa ka sarotra aminao ny manatsahatra ny fampiasana ny teknôlôjia? Malemy ara-panahy tsotra izao ve ianao? Tsia. Ny fankafizana ny fampiasana teknôlôjia dia tena mahazatra kanefa ny fifehezana ny fampiasana ny teknôlôjia dia mety ho tolona ara-drariny. Mijoro manohitra ny siansa sy ny akora simika havoakan’ny atidoha ary ireo orinasa mpamokatra izay mifaninana avokoa mba hisarihana ny fifantohantsika ianao—ady tsy ara-drariny tokoa izany.

Zava-dehibe ny hamantarantsika fa ny olon-dehibe dia mety ho sahirana amin’ny teknôlôjia tahaka ny ankizy. Afaka ny ho voatelina ao anatin’ilay “bliss point” (fahafinaretana faratampony) ateraky ny teknôlôjia ihany koa isika ary tsy haharaka ny fandehan’ny fotoana tahaka ny ataon’ny zatovo sy ny ankizy.

Ny “Bliss Point” (Fahafinaretana faratampony) entin’ny Teknôlôjia

  • Ny teknôlôjia dia fitaovana iray izay manome antsika fahafahana hahazo ny fahalalana itambaran’izao tontolo izao ary azo ampiasaina ho amin’ny tsara.

  • Arakaraka ny fifantohana atokantsika amin’ny teknôlôjia no hahazoan’ireo mpamorona teknôlôjia tambin-karama.

  • Mampiasa teknika mba hampandray anjara sy hahafa-po antsika amin’ny teknôlôjia tahaka ilay “bliss point (fahafinaretana faratampony)” misy eo amin’ny indostria mpamokatra sakafo ireo mpikaroka sy mpamorona.

  • Ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy antsika dia mahatakatra ny ady atrehantsika amin’ny teknôlôjia ary hampatanjaka antsika Izy ireo.

2 Korintiana 12:9

  • Nefa hoy Izy tamiko: Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko.

Mandresy ilay “Bliss Point” (fahafinaretana faratampony)

  • Fantaro fa ny teknôlôjia dia ahitana ny “fahafinaratana faratampony” azy manokana izay mitarika ny fihetseham-pontsika sy ny akora simika ao anaty vatantsika.

  • Tsy mahagaga raha hoe manana olana amin’ny teknôlojia ny olona iray. Mijoro manohitra ny siansa sy ny akora simika havoakan’ny atidoha ary ary ireo orinasa mpamokatra izay mifaninana avokoa mba hisarihana ny fifantohantsika isika.

  • Afaka mifehy ny teknôlôjia ampiasaintsika isika amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana misy dikany amin’ny tenantsika, ny fanaovana drafitra, ary miato rehefa ilaina izany.

  • Ny fitandremana asehontsika amin’ny zavatra jerentsika sy ny famoronana toerana izay tsy ampiasana ny teknôlôjia ao an-trano dia afaka manampy antsika ihany koa handresy ilay “bliss point” (fahafinaretana faratampony) ateraky ny teknôlôjia.

Matio 26:41

  • Miareta tory sy mivavaha hianareo, mba tsy hidiranareo amin’ ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.

Amin’ny maha ray aman-dreny antsika dia afaka maneho ohatra amin’ireo zanatsika isika amin’ny alalan’ny fitandremantsika manokana amin’ny fampiasana ny teknôlôjia. Ny famantarana ny tokony hisian’ny fetran’ny fampiasana ny teknôlôjia sy ny fandraisana dingana mba handresena ny faniriana hampiasa ny teknôlôjia matetika loatra na diso tafahoatra dia mety hiteraka fifandraisana mahasoa amin’ny teknôlôjia ho an’ny tenantsika sy ho an’ny fianakaviantsika. Tsarovy fa isika no mifehy ny teknôlôjia fa tsy izany no mifehy antsika.

IV. Mandray andraikitra amin’ny fampiasana ny teknôlôjia

finday miisa telo

A. Tanjona: Minia mampiasa teknôlôjia hianarana sy hamoronan-javatra.

Kolosiana 3:23

  • Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona.

  • Mametraha fanontaniana amin’ny tenanao toy ny hoe: “Nahoana aho no mampiasa ny fitaovako elektrônika amin’izao fotoana izao?” sy ny hoe “Mampahazo aina ahy ve ny zavatra ataoko?”

Afaka minia mampiasa teknôlôjia amin’ny tsara ianao amin’ny alalan’ny fandefasana hafatra tsara, ny fihainoana hira mitondra fiadanana ary ny famoronana ny votoatin-javatrao manokana. Inona avy ireo fomba hafa azo ampiasana izany izay hitanao?

telefaonina maitso

B. Drafitra: Manao drafitra mialoha mba hanaovana safidy tsara kokoa.

Ohabolana 16:3

  • Ankino amin’i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao.

  • Mametraha fanontaniana amin’ny tenanao toy ny hoe: “Inona no drafitro momba ny fampiasako ny fitaovana eletrônika?” sy ny hoe “Inona no famantarana asehoko an’ Andriamanitra amin’ny fomba ampiasako ny fotoanako?”

Ireo soso-kevitra azo ampiharina momba ny fanaovana drafitra mba hanaovana safidy tsara dia ahitana ny fametrahana fetra isan’andro ho an’ny tenanao amin’ny fotoana hijerena efijery, ny fanarahana sy ny fifandraisana amin’ny fianakaviana sy ny namana akaiky fotsiny ihany, ny fananana faritra tsy ampiasana fitaovana elektrônika ao an-trano, ny famoronana toby hamahanana ny vatoaratry ny finday natokana ho an’ny fianakaviana ary ny fampiasana sivana. Inona avy ireo fomba hafa azonao atao drafitra mialoha mba hanaovana safidy tsara kokoa rehefa mampiasa teknôlôjia?

finday miloko volomboasary

D. Miatoa: Miato rehefa ilaina izany.

Salamo 46:10

  • Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra.

  • Mametraha fanontaniana amin’ny tenanao toy ny hoe: “Moa ve aho misoroka ny fijerena votoatin-javatra izay fantatro fa tsy mety na tsy misy tanjona?” sy ny hoe “Nahatsapa ny Fanahy niala ve aho?”

Ireo soso-kevitra azo ampiharina momba ny fiatoana amin’ny teknôlôjia dia ahitana ny fametrahana ny fitaovanao elektrônika ary manalavitra an’izany, mivavaka mba hahazoana hery ary miresaka amin’ny olona iray. Ahoana no hahafahan’ny fianakavianao miato amin’ny fampiasana ny teknôlôjia rehefa ilaina izany?

telefaonina miloko mena

V. Fifanakalozan-kevitra ataon’ny vondrona

Satria isika efa niresaka momba ireo fomba azo ampiharina amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny fampiasana ny teknôlôjia dia andao hosokafantsika ao anatin’ilay vondrona ilay fifanakalozan-kevitra. Te hihaino avy aminareo rehetra aho momba ny zavatra iainanareo miaraka amin’ny teknôlôjia sy ny fomba hitantananareo izany eo amin’ny fiainanareo.

  1. Inona avy ireo olana lehibe indrindra atrehanao amin’ny fitantanana ny teknôlôjia ao an-tokantranonao?

  2. Inona avy ireo soatoavina tianareo hampitaina amin’ireo zanakareo momba ny fampiasana ny teknôlôjia?

  3. Inona no fiantraikan’ny teknôlôjia eo amin’ny fifandraisan’ny fianakavianao?

  4. Amin’ny fomba ahoana no ampiasanao ny teknôlôjia ao amin’ny fianakavianao? Ahoana ny maha tombontsoa izany amin’ny fotoana tena tsara hiarahanareo sy ny mety hitarihan’izany anao hisintaka amin’izany.

  5. Ahoana no handajalanjanao ireo tombontsoa sy lafy ratsiny amin’ny fampiasana ny teknôlôjia eo amin’ny fiainan’ny fianakavianao isan’andro?

  6. Inona no anjara asan’ny teknôlôjia eo amin’ny fianaran’ny zanakao? Ahoana no hahazoanao antoka fa mampiasa izany amim-pahombiazana izy ireo?

  7. Inona no fiantraikan’ny teknôlôjia eo amin’ny fahasalamana ara-tsain’ny zanakao? Inona avy ireo dingana raisinao hanenanao ireo ny voka-dratsy?

  8. Inona avy ireo fetra tsy azo ihoarana izay napetrakao amin’ny fampiasana ny teknôlôjia ao an-tokantranonao? Ahoana no fomba hampiharanao azy ireo?

  9. Ahoana no fomba hanehoanao ny fampiasana amim-pahendrena ny teknôlôjia manoloana ireo zanakao?

  10. Inona avy ireo loharanom-pitaovana na fanohanana ilainao mba hitantanana amim-pahombiazana ny teknôlôjia ao an-tokantranonao?

  11. Inona no fiantraikan’ny teknôlôjia teo amin’ny fifandraisako tamin’ireo zanako?

  12. Inona avy ireo mety ho loza mety hitranga izay mifandray amin’ny fampiasana ny teknôlôjia ao an-tokantrano? Ahoana no ahafahanao mampihena ny mety hitrangan’ireo loza ireo?

  13. Inona avy ireo soatoavina tianao hampidirina ao amin’ny zanakao manodidina ny fampiasana ny teknôlôjia? Ahoana no ahafahan’ny tenanao manaraka ireo soatoavina ireo?

  14. Ahoana no ahafahanao mamorona drafitra momba ny teknôlôjia ho an’ny fianakavianao izay azo ampifanarahana amin’ireo fiovana sy fanamby kanefa mbola manolotra rafitra sy fetra tsy azo ihoarana?

  15. Ahoana no ahafahanao mampiasa ny teknôlôjia ho fitaovana mba hanatsarana ny fianarana sy ny fitomboan’ireo zanakao fa tsy loharano entina hialana voly sy hahavarimbariana fotsiny kosa?

VI. Sosokevitra enti-mampianatra momba ny fampiasana ny teknôlôjia ao an-tokantrano

Sarina fitaovana eletrônika

Atombohy izany amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra momba ny anjara asan’ny teknôlôjia eo amin’ny fiainantsika sy ny mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny fitondrantena sy ny fihetseham-po.

A. Hazavao ny maha-zava-dehibe ny fandraisana andraikitra amin’ny fampiasana ny teknôlôjia

Zarao ny fomba ahafahan’ny teknôlôjia ho fitaovana ho amin’ny tsara saingy mety ho lasa olana ihany koa izany rehefa mifehy antsika. Hazavao fa zava-dehibe ny fandraisana andraikitra amin’ny fampiasana ny teknôlôjia mba tsy hifehezan’izany antsika.

B. Ampianaro ireo soso-kevitra azo ampiharina amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny fampiasana ny teknôlôjia

Avereno jerena ny sosokevitra tsirairay momba ny fandraisana andraikitra amin’ny fampiasana ny teknôlôjia izay voatanisa ao amin’ireo fanamarihana momba ilay lahatsoratra (tanjona, drafitra, ary fiatoana). Hazavao ny fomba ahafahan’ny sosokevitra tsirairay manampy azy ireo hifehy ny fampiasana ny teknôlôjia.

D. Miaraha mitady fomba hampiharana ireo fitsipika ao an-tokantrano

Mifanakaloza hevitra momba ireo trangan-javatra samihafa izay mety maha olana ny teknôlôjia, toy ny fandaniana fotoana be loatra anaty tambazotra ifaneraserana na ny filalaovana jeux vidéos mandritra ny ora maro.

Miaraha mitady fomba hampiharana ireo fitsipika momba ny fandraisana andraikitra amin’ny fampiasana ny teknôlôjia ao anatin’ireo trangan-javatra ireo toy ny fametrahana fetra tsy azo ihoarana isan’andro na ny famoronana faritra tsy ahitana fitaovana eletrônika na ny fiatoana rehefa ilaina izany.

E. Amporisiho ny fisian’ny fifandraisana misokatra sy ny fandraisana andraikitra

Hazavao fa zava-dehibe ny miresaka malalaka momba ny fampiasana ny teknôlôjia ao amin’ny fianakaviana ary ataovy izay andraisana andraikitra amin’ny fampiasana ny teknôlôjia amim-pahendrena.

Farito ireo zavatra andrasanao sy ireo fitsipika momba ny fampiasana ny teknôlôjia ao an-tokantrano ary amporisiho ny rehetra mba hiara-hiasa hanaraka izany.

F. Manara-maso sy mijery

Araho maso matetika ny zanakao ahitana ny ataon’izy ireo amin’ny fandraisana andraikitra amin’ny fampiasana ny teknôlôjia. Amporisiho izy ireo hangataka fanampiana raha mila izany ary mivonona manolotra fanohanana sy fitarihana araka izay ilaina.

G. Manehoa ohatra amin’ny fampiasana ny teknôlôjia amin’ny fomba mahasoa

Hazavao ny anjara asa manan-danja sahanin’ny ray aman-dreny amin’ny fampiasana ny teknôlôjia amin’ny fomba mahasoa. Midika fahafantarana ny fampiasana manokana ny teknôlôjia sy ny fanehoana ohatra tsara izany. Afaka mampiseho amin’ny ankizy ny ray aman-dreny fa afaka mankafy ny teknôlôjia izy ireo na dia tsy mifehy ny fiainan’izy ireo aza izany ary ny fampiasana ny teknôlôjia dia azo hampifandanjaina amin’ireo zavatra atao sy fifandraisana hafa manan-danja.

H. Mampiasà fanamarihana tsara (renforcement positif)

Ifanakalozy hevitra ny fomba azo ampiasana ny fanamarihana tsara mba hanorenana sy hanamafisana orina ireo fahazarana sy fitondrantena tsara. Rehefa manao ezaka mba handray andraikitra amin’ny fampiasany ny teknôlôjia ny ankizy ary mampiasa izany amim-pahendrena dia zava-dehibe ny fiderana sy ny famporisihana azy ireo.

I. Ataovy ezaka ataon’ny fianakaviana izany

Amporisiho ny olona rehetra ao amin’ny fianakaviana hiara-hiasa hanorina fifandraisana mahasoa amin’ny teknôlôjia. Ny fandraisana andraikitra amin’ny fampiasana ny teknôlôjia dia tsy ezaka ataon’ny tena samirery fotsiny fa ezaka ataon’ny fianakaviana. Izany dia ahitana ny fametrahana fitsipika sy fetra tsy azo ihoarana ho an’ny fianakaviana momba ny fampiasana ny teknôlôjia, ny fitadiavana fiaraha-mientana hafa ataon’ny fianakaviana, ary ny fananana fifandraisana malalaka sy feno fahamarinan-toetra momba ireo fanamby sy fahombiazana amin’ny fampiasana ny teknôlôjia amim-pahendrena.

J. Manàna faharetana sy fahazavan-tsaina

Manaova drafitra miaraka amin’ny ray aman-dreny amin’ny fomba ahafahan’izy ireo manova ireo fahazarana sy fitondrantena manodidina ny fampiasana ny teknôlôjia. Ampio izy ireo hahatakatra fa hitaky fotoana sy ezaka izany. Zava-dehibe ny fananana faharetana sy fahazavan-tsaina eo am-piezahan’ireo ankizy mandray andraikitra amin’ny fampiasana ny teknôlôjia. Afaka manolotra fanohanana sy fitarihana miandalana eny izy ireo ary mankalaza ireo fandresena kely rehefa mivoatra mankany amin’ny fifandraisana mahasoa kokoa amin’ ny teknôlôjia ny ankizy.

VII. Famaranana

Fitaovana mahagaga ny teknôlôjia, saingy mety ho enta-mavesatra ihany koa izany rehefa tsy mampiasa izany amin’ny nahim-po isika. Amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitra amin’ny fampiasana ny teknôlôjia sy ny fitarihana ny ankizy mba hanao toy izany dia afaka maka antoka isika fa tsy mifehy antsika izany. Tsarovy ny mampiasa amim-piniavana ny teknôlôjia mba hianarana sy hamoronana, manao drafitra mialoha mba hanaovana safidy tsaratsara kokoa, ary miato kely rehefa ilaina izany. Ndeha hotadidiantsika ihany koa ireo soratra masina izay mamporisika antsika hifantoka amin’ireo zavatra izay marina, tsisy fitaka, mahitsy, madio, maha-te ho tia, ary tsara laza. Rehefa manao izany isika dia afaka manampy ny ankizy hampiasa ny teknôlôjia amin’ny fomba azo antoka sy tsara.