“Fiofanana momba ny fifehezana fotopampianarana”, Fiofanana momba ny fandaharam-pampianaran’ny seminera (2025)
Fiofanana momba ny fifehezana fotopampianarana
Fampahafantarana ny Fifehezana fotopampianarana: Lamina arahina amin’ny fikatsahana sy fitadiavana valim-panontaniana avy amin’ Andriamanitra
Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Jakôba dia mitantara ny zavatra niainany tamin’ny fisianalehilahy iray antsoina hoe Serema. Olo-mahay i Serema ary nampiasa teny manasohaso sy fahaiza-mandaha-teny mba hampaniasia fon’olona maro sy “[h]androdana[na] ny fotopampianaran’i Kristy” (jereo ny Jakôba 7:2–4). Nohazavain’i Jakôba fa i Serema dia “[nitady] fatratra ny fomba hahatongavana aty amiko. … Ary nanana fanantenana izy ny hanozongozona ahy tamin’ny finoana” (Jakôba 7:3, 5). Noraketin’i Jakôba anefa hoe “tsy azo hozongozonina [aho]” (Jakôba 7:5). Noho ireo fiezahana tsy nitandroana hasasarana nataon’i Jakôba nandritry ny androm-piainany dia tsy nisy fanontaniana na toe-javatra afaka nanaisotra an’i Jakôba teo amin’ny fototra mafy orina naoriny teo amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.
Amin’izao androntsika izao ny zatovon’ny Fiangonana dia miatrika fanontaniana sy toe-java-tsarotra maro izay mety hanozongozina ny finoan’izy ireo. Fomba iray hanomanana ny mpianatra hiatrika ireny fanamby ireny ny fifehezana fotopampianarana. Rehefa mahafehy fotopampianarana ny mpianatra dia ho vonona tsara kokoa izy ireo mba tsy ho azo hozongozonina amin’ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy. Nizara izao manaraka izao tamin’ireo mpampianatra seminera sy institiota momba ny fifehezana fotopampianarana ny Filoha M. Russell Ballard tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:
[Ny fifehezana fotopampianarana] dia hifantoka amin’ny fanorenana sy amin’ny fanamafisana ny finoan’ireo mpianatsika an’i Jesoa Kristy ary amin’ny fampatanjahana azy ireo hitombo fahaizana miaina sy mampihatra ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo. …
Tena tsara ary mifanojo amin’ny fotoana ilàna azy ity tetikasa ity. Hisy fiantraikany tena tsara eo amin’ireo tanorantsika izany. Na izany aza, ny fahombiazan’ny fifehezana fotopampianarana sy ireo fandaharam-pianarana hafa rehetra ao amin’ny DFF (Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana), dia hiankina betsaka amin’ny ezaka ataonareo. (M. Russell Ballard, “Ireo zavatra azo atao sy andraikitry ny mpampianatra ao amin’ny DFF amin’ny taonjato faha-21” [takariva hiarahana amin’ny Manampahefana Ambony, 26 feb. 2016], broadcasts.ChurchofJesusChrist.org)
Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny fandaharam-pampianarana
Ao amin’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra, ireo traikefa amin’ny fianarana mikasika ny fifehezana fotopampianarana dia ampidirina matetika mba hanampiana ireo mpianatra hanatratra ny vokatry ny fifehezana fotopampianarana. Ity fanehoana an-tsary manaraka ity dia maneho ny vokatry ny fifehezana fotopampianarana. Ho fampahalalana misimisy kokoa dia jereo ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023).
Manampy ny mpianatra hanatratra ny vokatry ny fifehezana fotopampianarana amin’ireto fomba telo manaraka ireto ny fandaharam-pampianaran’ny seminera:
-
Lesona fampahafantarana ny fifehezana fotopampianarana sy ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy
-
Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ampianarina ao anatin’ny sahan-kevitra miaraka amin’ny fandaharam-potoanan’ny Avia, hanaraka Ahy
-
Lesona fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana
Tahaka ny mpihani-bato mila fitaovana mba hahatonga azy ho tafidina soa aman-tsara avy eny amin’ny rindrin’ny hady lalina mideza, ireo traikefa momba fianarana ireo dia hampirongo fahaiza-manao an’ireo mpianatra mba handiavany ireo fanontaniana sy toe-java-tsarotra amim-pinoana an’i Jesoa Kristy.
Lesona fampahafantarana ny fifehezana fotopampianarana sy ny fahazoana fahalalana ara-panahy
Misy lesona dimy momba ny fifehezana fotopampianarana izay natao hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny tanjon’ny fifehezana fotopampianarana sy hianatra momba ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy.
-
Manamafy orina ny fototra ara-panahinao: Fampahafantarana ny Fifehezana fotopampianarana. Manome ny mpianatra topimaso amin’ny ankapobeny momba ny fifehezana fotopampianarana sy ny karazana traikefa amin’ny fianarana azon’izy ireo antenaina hanampy azy ireo hahafehy fotopampianarana. Tsara ampianarina any am-piandohan’ny taom-pianarana raha toa ka maro amin’ireo mpianatra no sambany vao hanao seminera na miditra eny an-tenantenan’ny taom-pianarana.
-
Mikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana momba ireo fanontaniako: Mahazo fahalalana ara-panahy, tapany 1 Manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’izy ireo mandray tari-dalana sy fanambarana avy amin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Tsara raha ampianarina any amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana.
-
Manao asa am-pinoana mba hahazoana valim-panontaniana: Mahazo fahalalana ara-panahy, tapany 2 Manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba anaovana asa amim-pinoana an’i Jesoa Kristy rehefa mikatsaka valiny amin’ny fanontaniany izy ireo. Tsara raha ampianarina any amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana.
-
Mamakafaka ireo lohahevitra sy fanontaniana momba ny filazantsara amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay: Mahazo fahalalana ara-panahy, tapany 3 Manampy ny mpianatra hahita kokoa ireo fotokevitra tahaka ny ahitan’i Jesoa Kristy azy ireny rehefa mamakafaka azy ireny amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ny mpianatra. Tsara raha ampianarina any amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana.
-
Mitodika amin’ireo loharanom-pahalalana voatendrin’ Andriamanitra mba hanampiana amin’ny fitadiavana valim-panontaniana: Mahazo fahalalana ara-panahy, tapany 4 Manampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fikatsahana ny fahamarinana avy amin’ireo loharano nomen’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamim-pitiavana. Tsara raha ampianarina any amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana.
Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ampianarina ao anaty sahan-kevitra
Rehefa mampianatra lesona iray avy amina andalan-tsoratra masina izay ahitana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia mitadiava fomba hanantitranterana ilay andinin-tsoratra masina. Ampianaro ao anatin’ny sahan-keviny ilay andinin-tsoratra masina ary mifantoha amin’ny fotopampianarana ampianarin’izany. Hahita ity sary famantarana ity ianao isaky ny misy andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatra hanisy marika ny andinin-tsoratra masina tsirairay mba hahafahan’ny mpianatra mahita azy ireny mora foana any aoriana any.
Ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023) dia mirakitra ny lisitr’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 24 ho an’ny taranja tsirairay avy. Ny torolalana fandrindram-potoana nataonao dia mety tsy hisy ny lesona rehetra izay miresaka momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao anaty sahan-kevitra rehefa mizotra ny seminera, koa dia alaovy antoka ny mitady tranga azo araraotina mba hanampiana ny mpianatra hanao famerenana ireo andinin-tsoratra masina 24.
Rehefa alalinina ao am-pianarana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia alaovy antoka ny manome fotoana ampy handalinana ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana mba hahafantaran’ny mpianatra sy hahatakarany izany. Ny lesona tsirairay izay misy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana dia ahitana soso-kevitra hoenti-manampy ny mpianatra hanazatra tena hitadidy ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho toy ny ampahany amin’ny lesona, sy hanazatra tena indray amin’ireo lesona ho avy. Ho ilain’ny mpianatra ny manazatra tena tsy tapaka mba hitadidiana ireo toko sy andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Ny “Hevitra momba ny famerenana ny fifehezana fotopampianarana” dia ahitana sosokevitra ny amin’ny fomba mety ho azonao hanampiana ny mpianatra hanazatra tena hitadidy ireo toko sy andininy sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Hita any amin’ny tovan’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera izy io.
Lesona fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana
Hatao matetika, isaky ny efatra ka hatramin’ny enina herinandro eo ho eo, ireo lesona fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana. Manome ny mpianatra fahafahana hanao ezaka hanatratrarana ny vokatry ny fifehezana fotopampianarana izy ireny. Misy fizarana roa ny lesona fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana tsirairay avy:
-
Famerenana fifehezana fotopampianarana
-
Mianatra sy mampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy
Famerenana fifehezana fotopampianarana
Ao amin’ny fizarana Famerenana fifehezana fotopampianarana, ny mpianatra dia hanazatra tena hanakatra sy hanazava fotopampianarana amin’ny alalan’ny fampiasana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana, hitady ny toerana misy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy hitadidy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina, ary hampihatra ny fotopampianarana hita ao amin’ireny andinin-tsoratra masina ireny. Na dia manan-danja sy tokony ho ampahany fahita tsy tapaka ao amin’ny traikefan’ny mpianatra amin’ny fianarana aza ireny famerenana ireny dia alamino tsara ny fotoam-pianarana mba ho ny ankamaroan’ny fotoana no homena ho an’ny fizarana Mianatra sy mampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy.
Mianatra sy mampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy
Ny fizarana Mianatra sy mampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy dia tokony handaniana ny ankamaroan’ny fotoana ao amin’ireo lesona momba ny lesona Fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana. Io fizarana io dia manome ny mpianatra fahafahana hanazatra tena hampihatra ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.
Manomboka amin’ny fahafahana mamerina ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy ny fanazaran-tena tsirairay. Tsarovy fa, na dia efa mahafantatra tsara ireo fitsipika aza ny mpianatra iray na roa, dia mety mbola mila fotoana sy fanazaran-tena betsaka kokoa ny hafa. Ataovy izay tsara indrindra vitanao mba hanampiana ny mpianatra rehetra ho lasa matoky tena amin’ny fampiasana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy. Ny “Fandinihana ireo hevitra momba ny famerenana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy” dia ahitana soso-kevitra ny amin’ny fomba hamerenana ireny fitsipika ireny. Any amin’ny tovan’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera no misy azy io.
Avy eo ireo mpianatra dia hanolorana rafi-tantara izay maneho fanontaniana na toe-javatra iray izay ahafahan’ny fahatakarana marina ny fotopampianarana marina manampy. Mba hamaliana ilay fanontaniana na ilay toe-javatra dia azon’ny mpianatra atao ny manazatra tena amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana na ny fampianaran’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana izay nohalalinin’ireo mpianatra vao haingana.
Ilaina amin’ny fahombiazan’ny mpianatra amin’ny fifehezana fotopampianarana ny fanomezana azy ireo fahafahana maro mba hanazaran-tena. Eritrereto fa ny olona iray mianatra haiady fiarovan-tena dia mila fanazaran-tena be mba hahafahan’ny ozany mitadidy fihetsika. Manomana azy ireo hamaly ireo karazam-pamelezana samihafa izany. Sahala amin’izany ihany, ireo mpianatra dia mila fanazaran-tena be amin’ny fifehezana fotopampianarana. Rehefa manao fanazaran-tena tsy tapaka ny mpianatra dia ho lasa zavatra mandeha ho azy sy voajanahary ny fiatrehana amim-pahatokiana ireo fanamby.
Mba hahitana ohatra amin’ny fizàrana mampihatra dia hevero ny hijery ity horonan-tsary manaraka ity, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Eo am-pijerenao izany dia tadiavo ny fomba hanampian’ny mpampianatra ny mpianatra hanazatra tena hampiasa ireo fitsipika telo rehetra amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy.
“Fizàrana mampihatra fifehezana fotopampianarana, ohatra 3”
Azonao atao ny manamboatra ireo rafi-tantara sy ireo fanontaniana atolotra na ireo sahanasa fianarana hafa raha ilaina mba hanomezana amin’ny fomba tsara kokoa ny zavatra ilain’ny mpianatra. Azonao ovaovaina ihany koa ny filahatry ny fampiharan’ny mpianatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy. Alaovy antoka fa izay mety ho fanamboarana rehetra dia mbola manome fahafahana ny mpianatra hampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana amin’ny toe-javatra tena misy. Raha hampifanaraka ny rafi-tantara amin’ny toe-javatra misy ianao dia ezaho tsy ovaina ny fanontaniana na ny olana fototra ao amin’ilay rafi-tantara. Ireo fanontaniana na olana ifotoran’ny rafi-tantara tsirairay dia nalamina tamim-pahamalinana ho an’ireo efa-taona ianarana seminera.
Ireo fahaiza-manao mba hampianarana amim-pahombiazana ny fifehezana fotopampianarana
Ireto fiofanana manaraka ireto dia mampianatra fahaiza-manao izay afaka manampy ny mpianatra hahafehy fotopampianarana. Mety hahomby raha hampidirina tsikelikely ireo fahaiza-manao ireo.
Fahaiza-manao: Hazavao ny antony hanaovana sahanasa fifehezana fotopampianarana.
Mamaritra
Ny fizarana na ny fanasana ny mpianatra hizara ny antony hanaovana sahanasa momba ny fifehezana fotopampianarana dia afaka mandrisika ny mpianatra handray anjara ao amin’ilay sahanasa. Afaka manome fahafahana ny Fanahy Masina hampianatra ny maha-zava-dehibe an’ilay sahanasa ihany koa izany. Aorian’ny fizaranao ny zavatra ho ataon’ny iray kilasy, dia mizarà antony iray na roa hanaovanao ilay sahanasa na asao ny mpianatra mba hizara ny antony hiheveran’izy ireo fa afaka hanampy ilay sahanasa.
Modely
“Ry mpianatra isany, mandritra ireo minitra vitsivitsy manaraka isika dia hanazava ny fotopampianarana nianarantsika avy ao amin’ny Lioka 2:10–12, dia ny hoe i Jesoa Kristy no Mpamonjy izao tontolo izao. Ny antony iray hanaovantsika izany dia mba hanampiana antsika ho afaka ny hamaly amim-pahatokian-tena raha toa misy olona fantatsika manontany antsika hoe nahoana no manan-danja amintsika i Jesoa Kristy.”
Mba hahitana ohatra ny amin’ny fomba azo hanaovana izany dia jereo ny iray na ny maromaro amin’ireto horonan-tsary manaraka ireto izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
“Mizara ny antony hanaovana sahanasa fifehezana fotopampianarana”
“Manampy ny mpianatra hahita antony hanaovana sahanasa fifehezana fotopampianarana”
“Manampy ny mpianatra hizara ny antony hanaovana sahanasa fifehezana fotopampianarana”
Manazatra tena
Misafidiana iray amin’ireto tari-dresaka manaraka ireto dia fenoy ilay fehezanteny.
-
“Ndeha isika hanao sahanasa iray izay hanampy antsika hitadidy toko sy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana miaraka amin’ilay andian-teny manan-danja ao aminy. Ny antony iray hilofosantsika mba hitadidiana izany dia …”
-
“Ao anatin’ireo minitra vitsivitsy manaraka dia handeha hamerina handinika ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy isika. Ny fahafantarana ireo fitsipika ireo dia afaka manampy antsika mba …”
-
“Handeha isika hanao fanazaran-tena hampihatra ireo fitsipika telon’ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Ny fampiasana ireo fitsipika ireo dia afaka …”
Mamakafaka
-
Inona no zavatra ianaranao rehefa manao fanazaran-tena manazava ireo antony hanaovana sahanasa fifehezana fotopampianarana ianao?
Mampiditra fahalalana
Rehefa miomana hanasa ny mpianatra hanao sahanasa fifehezana fotopampianarana hanazaran-tena ianao dia manorata antony iray farafahakeliny hahatonga izany ho manan-danja ho an’ny mpianatra.
Fahaiza-manao: Asao ireo mpianatra hamerina handinika ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy.
Mamaritra
Rehefa mamerina mandinika tsy tapaka ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy miaraka amin’ny mpianatrao ianao dia afaka manampy ny mpianatra ny Fanahy Masina mba hahatsiaro sy hampiasa ireo fitsipika amin’ny fotoana ilàna izany. Afaka manasa ny mpianatra ianao hamerina handinika ireo fitsipika ireo mialoha ny hizaranao rafi-tantara na mandritra ny fotoana handinihan’ny mpianatra ireo rafi-tantara. Ireo fanasana ireo dia ahitana fanomezana fahafahana ho an’ireo mpianatra hamerina handinika fitsipika iray farafahakeliny sy ireo torolalana momba ny halavam-potoana tokony hamerenan’izy ireo mandinika ilay fitsipika, ary fanomezana fahafahana azy ireo hizara ny zavatra nianarany. Rehefa manao izany ny mpianatra dia hanana fahafahana tsara kokoa hampiasa ireo fitsipika ireo ao anatin’ny fampiharana amin’ny fanazarana. Mba hahitana hevitra ny amin’ny fomba hanaovana izany dia jereo ny “Hevitra momba ny famerenana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy” any amin’ny tovan’ny boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera.
Modely
“Anio isika dia hamerina ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy avy ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2023). Hizara ho vondrona telo isika. Ny mpianatra tsirairay ao amin’ny vondrona dia hamerina handinika fitsipika iray tsy mitovy amin’ny an’ny hafa.
“Manokàna telo hatramin’ny efatra minitra mba hamakiana sy hiomanana hizara amin’ny vondrona misy anao ny fomba iray ahafahan’ilay fitsipika iandraiketanao manampy olona iray izay miatrika fanontaniana na toe-javatra sarotra.”
Mba hahitana ohatra amin’ny fomba hanampiana ny mpianatra hamerina ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy dia jereo ny “Omeo fahafahana hamerina ireo fitsipika telo rehetra amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy ny mpianatra”, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
Manazatra tena
Manorata fomba iray hafa mety azonao ampiasaina mba hanasana ny mpianatra hamerina ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.
Mamakafaka
-
Inona no ianaranao momba ny fanomezana fanasana ny mpianatra mba hahafahany mamerina ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy?
Mampiditra fahalalana
Rehefa manomana ny lesonao manaraka momba ny fanazaran-tena amin’ny fifehezana fotopampianarana ianao dia alamino ny fomba hanasanao ny mpianatra hamerina ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.
Fahaiza-manao: Mametraha fanontaniana izay manampy ny mpianatra hanambara amin’ny alalan’ny teniny manokana ny fomba ahafahan’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manampy amin’ireo toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.
Mamaritra
Aorian’ny famerenan’ny mpianatra mandinika ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy dia zarao amin’izy ireo ilay rafi-tantara ary asao izy ireo hanambara azy ireny amin’ny teniny manokana ao anatina vondrona ary avy eo amin’ny iray kilasy izay fitsipika tsapan’izy ireo fa mety hanampy ao amin’izany rafi-tantara izany. Afaka manampy ny mpianatra hanorina ny fahatokian-tenan’izy ireo amin’ny fampiasana ireo fitsipika ireo eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana ny fanaovana izany.
Modely
Rehefa avy mamerina ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy mampahafantatra ilay rafi-tantara, dia azonao apetraka ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto:
-
“Inona amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy no heverinao fa mety hanampy amin’ity rafi-tantara ity, ary nahoana?”
-
“Ahoana no ahafahan’ireo fitsipika ireo manampy anao rehefa sendra fanontaniana mitovy amin’ilay ao amin’io rafi-tantara io ianao?”
Mba hahitana ohatra, dia jereo ity horonan-tsary manaraka ity izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.
“Fizàrana mampihatra fifehezana fotopampianarana, ohatra 2”
Jereo tsara ao amin’ny “Fizàrana mampihatra fifehezana fotopampianarana, ohatra 2” fa ilay mpampianatra dia mampiseho io fahaiza-manao io any amin’ny manodidina ny mari-potoana 2:25.
Manazatra tena
Manorata fanontaniana vitsivitsy azonao apetraka izay mety hanampy ny mpianatra hanambara amin’ny alalan’ny teniny manokana ny fomba ahafahan’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manampy azy ireo hamaly ny namany ao anatin’ity rafi-tantara manaraka ity.
Vao tsy ela ny iray amin’ireo namanao izay tsy mpivavaka no nahita misiônera anankiroa niresaka tamin’olona vitsivitsy tao amin’ny valan-javaboary. Nanontany anao ilay namanao hoe: “Fa maninona ireo misiônera avy ao amin’ny fiangonanareo no mandeha mitory momba an’i Jesoa? Toa manery ny olon-kafa hanaraka ny finoanareo ianareo. Maninona no tsy avelanareo ho faly tsotra amin’izao fotsiny izy ireo?”
Mamakafaka
-
Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ho an’ny mpianatra ny milaza amin’ny teniny manokana ny fomba mety hampiasana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy?
-
Ahoana araka ny hevitrao no mety hananan’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ireo fiantraikany amin’ny fiainan’ny mpianatra?
Mampiditra fahalalana
-
Inona no azonao atao mba hanampiana ny mpianatra hilaza amin’ny teniny manokana ny fomba ahafahan’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manampy azy ireo sy ny olona hafa rehefa miatrika fanontaniana na toe-javatra sarotra?
Fehin-kevitra
Alaovy sary an-tsaina ny fomba ahafahan’ny mpianatrao mamaly fanontaniana na olana aorian’ny filofosana tsy ankiato mba hanatratrarana ny vokatry ny fifehezana fotopampianarana ao amin’ny seminera. Amin’ny voalohany dia mila fanampiana sy fanohanana bebe kokoa avy aminao amin’ny maha-mpampianatra anao ireo mpianatra mba hampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana. Mitaky fotoana ny hahafan’ny mpianatra mifehy fotopampianarana sy ho lasa matoky tena amin’ny fampiasana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Kanefa, rehefa manohy manome fahafahana tsy tapaka ny mpianatra hanao fanazaran-tena ianao dia ho lasa mandeha ho azy ny fanaovan’ny mpianatra izany. Izany no fomba iray ahafahanao manampy ny mpianatrao hanorina mafy ny fototr’izy ireo eo amin’ny vatolampin’i Jesoa Kristy sy hampiorim-paka ny fiovam-pon’izy ireo Aminy sy ny fotopampianarany.