“Zanaka sarobidin’ Andriamanitra ianao,” Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo (2019)
“Zanaka sarobidin’ Andriamanitra ianao,” Fivoaran’ny tena manokana: Boky torolalana ho an’ny zatovo
Zanaka sarobidin’ Andriamanitra ianao
Namorona ny zavatra rehetra, mahafantatra ny zavatra rehetra, ary efa nandresy ny zavatra rehetra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ary tiany ianao ho tahaka Azy Ireo! Eo am-panaovanao fanekempihavanana sy eo am-panarahanao ny drafitr’ Andriamanitra, dia azonao ampiasaina ireo fanomezam-pahasoavana manokana anananao mba hivoarana sy hanompoana ny hafa.
Tonga teto an-tany ianao avy tany an-danitra. Ao anatin’ny fianakaviana iray ianao.
Manao fanekempihavanana ny hanaraka an’i Jesoa Kristy ianao rehefa atao batisa sy rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo.
Rehefa raisina ho mpikambana ianao dia mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina mba hitarika anao.
Afaka mandray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra sy manompo ao amin’ny Fiangonana ianao eo ambany fahefan’ny fanalahidin’ny fisoronana.
Afaka mianatra sy mivoatra ianao rehefa mandalina sy miaina ary mizara ny filazantsara.
Afaka mahita fifaliana ianao rehefa mitia sy manompo ny hafa tahaka ny ho nataon’i Jesoa.
Nandefa an’i Jesoa Kristy Zanany ny Ray any An-danitra mba ho ilay ohatra tonga lafatra sy mba hanome fahafahana anao hibebaka sy hiova.
Any amin’ny tempoly ianao dia afaka manompo sy manao fanekempihavanana izay mampifandray mandrakizay ireo zanak’ Andriamanitra.