Apokalypsy 15–19
“Ary ny Zanak’ondry haharesy azy”
Inona ny zavatra tonga ao an-tsainao rehefa mieritreritra ny andro farany izay efa nambara mialoha ianao? I Jaona ilay Mpanambara dia nanao sary hosodoko mazava iray momba ny fandringanana sy ny faharatsiana izay hameno izao tontolo izao. Saingy tsy haharitra ireo toe-javatra ireo. I Jesoa Kristy dia “haharesy azy … fa Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka Izy” (Apokalypsy 17:14). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hiantehitra amim-pahatokiana bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy rehefa miatrika ireo olan’ny andro farany ianao.
Mifantoka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Tsy misy zavatra hahazahoan’ireo mpianatra fitahiana mihoatra noho ny fahalalana sy ny fitiavana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Rehefa manomana sy mampianatra ny lesona dia mitadiava hatrany fitaomam-panahy mikasika ireo fomba hanampiana azy ireo hanao izany.
Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ny zavatra fantany momba ny fizahan-toetran’ny andro farany sy ny antony ilazana fa afaka miantehitra amin’i Jesoa Kristy izy ireo.