Famerenana ny Fifehezana Fotopampianarana 10
Fampiharana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana
Iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampy anao hianatra ny fomba hampiharana ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana eo amin’ny trangan-javatra amin’ny fiainana. Ity lesona ity dia hanome fahafahana anao mba hizatra hampihatra ireo fotopampianarana sasany izay nianaranao tamin’ity taona ity.
Fotompampianarana ampiasaina amin’ny tena fiainana
Avereno jerena ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana efatra ato amin’ity tabilao manaraka ity. Rehefa mamaky ireo rafi-tantara etsy ambany ianao, dia fantaro hoe iza amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana no afaka hanampy amin’ireo rafi-tantara tsirairay ireo.
|
Andinin-tsoratra masina |
Andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina |
|---|---|
Andinin-tsoratra masina Matio 22:36–39 | Andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina “Tiava ny Tompo Andriamanitrao. … Tiava ny namanao.” |
Andinin-tsoratra masina Lioka 22:19–20 | Andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina Nandidy i Jesoa Kristy ny handraisana ny fanasan’ny Tompo “ho fahatsiarovana ahy.” |
Andinin-tsoratra masina Lioka 24:36–39 | Andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina “Fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.” |
Andinin-tsoratra masina Jaona 17:3 | Andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy.” |
-
I Carlos dia manana namana avy amin’ny finoana Kristianina hafa izay maneho ny finoany fa i Jesoa Kristy dia fanahy ary tsy manana vatana Izy.
-
I Liz dia mandray ny tenany ho tsy manohitra izay mety ho firehan-kevitra, ao anatin’izany ny fanekena ireo karazana fitondrantena rehetra raha toa ka atao amin’ny hitsim-po izany. Izany dia nitarika azy hametra-panontaniana ny amin’ny fotompampianaran’ny Ray any An-danitra momba ny fanambadiana sy ny fianakaviana. Noho ireo fanontaniana izay napetrany ireo, dia nijanona tamin’ny fanatrehana fotoam-pivavahana i Liz vao tsy ela akory izay ary miaina didy hafa indray izy.
-
Manontany tena i Maria hoe ahoana no ahafahany mandray ny fanasan’ny Tompo mba hampanan-danja kokoa izany.
-
Tsy nifantoka tamin’ny kilasin’ny seminera sy Sekoly Alahady intsony i Frank satria nieritreritra izy fa efa ampy ny fahaizany mahakasika an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Misafidiana iray amin’ireo rafi-tantara ireo dia eritrereto ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay mifanaraka amin’izany.
1. Tanisao ny rafi-tantara izay nosafidianao sy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay hitanao fa mifanaraka tsara amin’ny zava-mitranga. Avy eo, dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto.
-
Ahoana no ifandraisan’ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay nosafidianao amin’ity rafi-tantara ity?
-
Ahoana no ahafahan’ity andinin-tsoratra masina ity manampy ilay olona ao anatin’ilay rafi-tantara mba hahafantatra momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy sy ny fanirian’izy ireo ho antsika?
-
Inona no torohevitra azonao omena io olona io mba hampiharany ireo fahamarinana hita ao amin’ilay andinin-tsoratra masina izay nosafidianao? Nahoana?
Fampiharana ny andinin-tsoratra masinafifehezana fotopampianarana amin’ny toe-javatra manokana
2. Ataovy ity sahanasa manaraka ity:
Ao anaty diary fandalinanao soratra masina, manaova sarin’olona kely maneho zatovo anakiray, ary soraty eo ny taonany, lahy na vavy, na efa manambady na tsia. Mety ho tena misy na azo alaina sary an-tsaina ihany io olona io. Asio fanontaniana manokana vitsivitsy, olana, na fanamby izay atrehan’io olona io amin’izao fotoana izao.
Avereno jerena ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana etsy ambany (sy izay hafa nosafidianao) ary fantaro hoe inona ny andini-tsoratra masina afaka manampy amin’ilay rafi-tantara.
|
Toko sy andinin-tsoratra masina |
Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina |
|---|---|
Toko sy andinin-tsoratra masina Lioka 2:10–12 | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina Jaona 3:5 | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina Jaona 3:16 | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany Lahitokana.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina Matio 5:14–16 | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Aoka hazava eo imason’ny olona ny fahazavanareo.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina Matio 11:28–30 | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Mankanesa aty Amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina Matio 16:15–19 | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina Hoy i Jesoa: “Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina Jaona 7:17 | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ny fampianarana izy.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina Matio 22:36–39 | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Tiava ny Tompo Andriamanitrao. … Tiava ny namanao.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina Lioka 22:19–20 | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina Nandidy i Jesoa Kristy hoe raiso ny fanasan’ny Tompo “ho fahatsiarovana ahy.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina Jaona 17:3 | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy.” |
Toko sy andinin-tsoratra masina Lioka 24:36–39 | Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “Fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.” |
Manorata naoty fohy ho an’ny zatovo ao anatin’ilay rafi-tantara. Ampiaraho ao ireto zavatra manaraka ireto:
-
Ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay tsapanao fa mety hanampy azy ireo hahatakatra ny fanirian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ho azy ireo sy ny antony.
-
Ny zavatra anankiray niainanao manokana, tantara ao amin’ny soratra masina, na ohatra avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy izay mifanaraka amin’izay ampianarina ao amin’ilay andinin-tsoratra masina sy izay mety hankahery io olona io.
-
Ny zavatra mety hataon’izy ireo mba hampiharana ireo fahamarinana ao amin’ilay andinin-tsotra masina fifehezana fotompampianarana izay natolonao. (Ohatra, ho an’ny Lioka 22:19–20 dia azonao atao ny manampy torohevitra momba ny fitaoman’ny Fanahy Masina sy ireo zavatra izay tokony ho tadidiana mikasika ny Mpamonjy mandritra ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo, na koa ho an’ny Jaona 7:17 dia azonao atao ny mandroso lahateny azon’izy ireo vakina hahatakarana tsara kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.)
-
Ny fijoroanao ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ireo fahamarinana nampianarina tao amin’ilay andinin-tsoratra masina nosafidianao.
Raha toa ka nanoratra fanamarihana ho an’ny olona iray tena misy ianao, dia hevero ny hanome izany azy ireo na hiresaka mivantana amin’izy ireo mikasika ny zavatra izay nosoratanao.