Sekoly Alahady
Andraikitra


Lehilahy mampianatra ao an-dakilasy

Ny antsoko amin’ny maha mpanolotsaina ahy ao amin’ny Sekoly Alahady eo anivon’ny tsatòka

Andraikitra

Feno fankasitrahana ny Tompo noho ny fahavononanao hanompo ao amin’ny Fiangonany. Eto ambany ny topimaso momba ireo andraikitra ho an’ny antsonao.

Tanjon’ny Sekoly Alahady

Ny Sekoly Alahady dia manampy amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana amin’ny fanampiana ireo zanak’ Andriamanitra hianatra sy hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 13.1).

Mpanolotsaina ao amin’ny Sekoly Alahady eo anivon’ny tsatòka

Ny andraikitry ny fiadidian’ny Sekoly Alahady eo anivon’ny tsatòka dia ahitana ny fanaovana asa mba hanorenana finoana sy hanamafisana orina ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ao amin’ny tsatòka, ny fanofanana ireo fiadidian’ny Sekoly Alahady vao nantsoina ary ny fanolorana fanohanana sy torolalana tsy tapaka (jereo ny 6.7.1). Ireo mpanolotsaina ihany koa dia manohana ny filohan’ny Sekoly Alahady eo anivon’ny tsatòka amin’ireo asa nampandraiketina fanampiny.

Fivoriana sy filankevitra

Miaraka mikaon-doha tsy tapaka ny fiadidian’ny Sekoly Alahady eo anivon’ny tsatòka. Manomana sy mitarika ireo fivorian’ny mpitarika eo anivon’ny tsatòka izy ireo mba hampianarana ireo mpitarika ao amin’ny Sekoly Alahady eo anivon’ny paroasy ny andraikiny, manampy azy ireo ho lasa mpitarika sy mpampianatra tsara kokoa ary manamafy orina ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy (jereo ny 29.3.4).

Torolalana sy fitsipika

Ahitana torolalana sy fitsipika fanampiny ao amin’ny fizarana 13.7 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.