Ny antsoko amin’ny maha mpampianatra ahy ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana
Andraikitra
Feno fankasitrahana ny Tompo noho ny fahavononanao hanompo ao amin’ny Fiangonany. Ity eto ambany ity misy topimaso mikasika ireo andraikitra mifandray amin’ny antsonao.
Tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana
Ny Fikambanana Ifanampiana dia fikambanana napetrak’ Andriamanitra ho an’ireo vehivavy lehibe rehetra ao amin’ny Fiangonana. Manampy ireo zanak’ Andriamanitra ny Fikambanana Ifanampiana hiomana hiverina eo anatrehany. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana dia ny “hamonjy fanahy sy hanamaivana ny fijaliana”, amin’ny alalan’ny fanolorana ny fanampian’ny Mpamonjy (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 9.1).
Ireo mpampianatra ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana
Antsoina ireo mpampianatra mba hanampy ny olona hanamafy orina ny finoan’izy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Manohana ny fiadidiana ireo mpampianatra ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana. Ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana dia misafidy amim-bavaka ireo hafatra ampianarana miankina amin’ny filàn’ireo rahavavy (jereo ny 9.2.1.2).
Fivoriana Alahady
Mihaona isaky ny alahady faharoa sy fahefatra ny Fikambanana Ifanampiana mba hampitombo finoana amin’i Jesoa Kristy sy hanorina firaisan-kina ary hampatanjahana ny fianakaviana sy ny tokantrano. Manomboka am-bavaka ireo fivoriana ary ahitana fotoana natokana amin’ny fifampizarana hevitra sy ny fampianarana ny filazantsara ary ny fifanakalozan-kevitra mifototra amin’ireo lahateny natao nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana farany indrindra (jereo ny 9.2.1.2).
Fitsipika mifehy ny fampianarana araka ny fomban’i Kristy
Ny mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy dia fahatokisana sy andraikitra masina. Rehefa mampianatra ny filazantsara dia manaraha ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy ilay Mpampianatra Lehibe. Ireo mpampianatra ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia manaraka ireo fitsipika ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy sy ny toko 17 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (jereo ny 17.1).
Fianarana ny filazantsara izay manome sehatra ny fiainana sy fianarana ireo zavatra ara-panahy any an-tokantrano
Rehefa mianatra sy miaina ny filazantsara ao an-tokantrano ireo mpikambana dia mihalalina ny fiovam-pon’izy ireo amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Ireo mpitarika ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia mamporisika ireo rahavavy handalina ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany velona, samirery sy miaraka amin’ny fianakavian’izy ireo (jereo ny 17.2).