Ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna
Ireo andraikitra


andian-jatovolahy

Ny antsoko amin’ny maha-mpitantsoratry ny kôlejin’ny diakona ahy

Ireo andraikitra

Feno fankasitrahana ny Tompo noho ny fanolorantenanao hanompo ao amin’ny Fiangonany. Ity eto ambany eto ity ny topimaso momba ireo andraikitra amin’ny antsonao.

Ny tanjon’ny Fisoronana Aharôna

Ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna dia manampy ireo zatovolahy hanao fanekempihavanana masina sy hitandrina izany ary hampitombo ny fiovam-pony ho an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ny tanjon’ny kôlejy iray dia ny hanampy ireo mpihazona fisoronana hiara-hiasa mba handray anjara amin’ny asan’ Andriamanitra ho an’ny famonjena sy fisandratana. (Jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 10.1, Médiathèque de l’Évangile.)

Kôlejin’ny diakona

Miditra ao amin’ny kôlejin’ny diakona ny zatovolahy manomboka ny volana janoary amin’ny taona handraisany 12 taona. Mahafeno ny fepetra ahafahana manendry azy ho diakona ihany koa izy ireo amin’io fotoana io raha efa vonona sy mendrika. Ahitana ny fizarana ny fanasan’ny Tompo sy ny fanampiana ny eveka amin’ny “fitantanana ny zavatr’izao fiainana izao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:68) ireo adidy. (Jereo ny 10.1.3.1.)

Mpitantsoratra

Rehefa misy mpitantsoratry ny kôlejy voantso dia manomana ny fandaharam-potoan’ireo fivoriana izy ary mandray an-tsoratra. Manampy ny mpitambokin’ny paroasy ihany koa izy ireo na ny mpanoro hevitra iray eo anivon’ny kôlejy eo amin’ny firaketana ny fanatrehana fivoriana. (Jereo ny 10.4.2.)

Asa fanompoana sy fiaraha-mientana

Ny episkôpà sy ireo mpitarika ny kôlejin’ny zatovo, tohanan’ireo mpanorohevitra, no mamolavola ny drafitra ho an’ny asa fanompoana sy ny fiaraha-mientana. Tokony hanampy amin’ny fanatanterahana ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana izany. Amin’izany dia tokony hampifandanjana ireo sehatra efatry ny fivoaran’ny tena manokana: ara-panahy, ara-piarahamonina, ara-batana ary ara-tsaina. (Jereo ny 10.2.1.3.)

Torolalana sy Fitsipika

Ireo torolalana sy fitsipika fanampiny, anisan’izany ny fanohanana ireo zatovolahy manana fahasembanana, ny fandraisana ireo famantarana ifanarahana ho an’ny Ankizy sy ny Zatovo, ary ny fanangonana ny fanatitra amin’ny fifadian-kanina dia hita ao amin’ny fizarana 10.8 ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany.