“17. Fampianarana ny filazantsara,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany (2023).
“17. Fampianarana ny filazantsara,” Zavatra nofantenana avy ao amin’ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany
17.
Fampianarana ny filazantsara
Mampianatra ny filazantsara isika mba hanampiana ny olona hanamafy orina ny finoan’izy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
17.1
Fitsipika mifehy ny fampianarana araka ny fomban’i Kristy
Ireo ray aman-dreny sy ireo mpampianatra ary ireo mpitarika dia manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy ilay Mpampianatra Lehibe.
Mizara ireto fitsipika mifehy ny fampianarana araka ny fomban’i Kristy manaraka ireto amin’ireo mpampianatra ao amin’ny rafitra misy azy ireo ny mpitarika. Ireo fitsipika ireo dia hazavaina amin’ny antsipiriany kokoa ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy.
17.1.1
Tiavo ireo izay ampianarinao
Ny zava-drehetra ataon’ny Mpamonjy dia fanehoany ny fitiavany (jereo ny 2 Nefia 26:24).
17.1.2
Mampianara amin’ny alalan’ny Fanahy
Mikatsaka ny fitarihan’ny Fanahy ireo mpampianatra rehefa manomana sy mampianatra ary miezaka ny ho mendrika ny fitarihany isan’andro.
17.1.3
Ampianaro ny fotopampianarana
Ireo mpampianatra dia mifantoka amin’ireo fahamarinana manan-danja sy manavotry ny filazantsara ka manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy. Mampiasa ireo soratra masina sy ny fampianaran’ireo mpaminanin’ny andro farany ary ireo fitaovana ao anatin’ny fandaharam-pampianarana nankatoavina izy ireo rehefa mampianatra.
17.1.4
Ataovy izay hisian’ny fianarana amim-pahavitrihana
Mamporisika ireo mpikambana mba ho tompon’andraikitra amin’ny fianaran’izy ireo manokana ny mpampianatra.
17.2
Fianarana sy fampianarana ny filazantsara mifototra amin’ny ao an-tokantrano
Ireo mpitarika sy mpampianatra ao amin’ny Fiangonana dia mankahery sy manohana ny fianarana sy fampianarana ny filazantsara mifototra amin’ny ao an-tokantrano.
Ireo mpitarika sy mpampianatra dia mankahery ireo mpikambana hikatsaka fitaomam-panahy ho azy manokana mikasika ny fomba andalinana sy ampianarana ny filazantsara. Ny soratra masina sy ireo hafatra zaraina mandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany no loharanom-pitaovana voalohany indrindra.
17.3
Ny andraikitr’ireo mpitarika
-
Maneho ohatra amin’ny fianarana ny filazantsara sy amin’ny fampianarana izany araka ny fomban’ny Mpamonjy.
-
Maka antoka fa manorina finoana ary marina ara-potopampianarana ny fampianarana any amin’ireo rafitra misy azy ireo.
-
Manome fanampiana tsy tapaka ireo mpampianatra ao amin’ny rafitra misy azy ireo.
17.4
Fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra
Mandritra ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra dia mifanakalo hevitra mikasika ireo fitsipiky ny fampianarana araka ny fomban’i Kristy ireo mpampianatra. Mifanakalo hevitra momba ny fanatsarana ny fianarana sy ny fampianarana ny filazantsara ihany koa izy ireo. Mampiasa ny loharanom-pitaovana Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy izy ireo.
Ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra dia atao isaky ny telo volana mandritra ilay fotoam-pianarana 50 minitra ny alahady.