Fitaizana
2. Te hifandray aminao Andriamanitra


Niseho tamin’i Joseph Smith tao amin’ilay Alakely Masina ny Ray sy ny Zanaka.

2.

Te hifandray aminao Andriamanitra

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3

Nanomboka ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara rehefa nisy zatovo iray nantsoina hoe Joseph Smith nivavaka, ary namaly azy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany. Manohy mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ireo mpaminany velona Andriamanitra. Te hiresaka aminao zanany ihany koa Izy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina. Ny fianarana mamantatra ny fomba hiresahan’ny Fanahy Masina aminao dia iray amin’ireo fahaiza-manao sarobidy indrindra azonao tratrarina.

Fahamarinana mandrakizay

Mitarika anao any amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ny Fanahy. Anjara andraikitra manan-danja an’ny Fanahy Masina izany. Hitaona anao hibebaka sy hanaraka an’i Jesoa Kristy koa Izy mba hahafahanao mandray ireo fitahian’ny Sorompanavotany. Rehefa mibebaka ianao dia manadio anao ny Fanahy ary manampy anao hiova.

Miresaka ao an-tsainao sy ao am-ponao ny Fanahy Masina. Ireo hafatra avy amin’ny Fanahy dia mety ho tonga ao an-tsainao amin’ny fomba maro—amin’ny alalan’ny eritreritra, fampitandremana, fahatakarana mazava ary fahatsiarovana ara-panahy. Afaka miresaka ao am-ponao ny Fanahy Masina amin’ny alalan’ny fahatsapana mankahery toy ny fampiononana, fahatokiana, fiadanana, fitiavana, fifaliana, fanetrentena, fankasitrahana ary faharetana.

Fanasana

“Raiso ny Fanahy Masina.” Ireo teny ireo dia nolazaina rehefa noraisina ho mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy ianao. Ahoana no fomba handraisanao ny Fanahy Masina? Amin’ny alalan’ny fankatoavana ny fampianaran’i Jesoa Kristy. Izy no herinao. Ny fanarahana Azy dia manasa ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainanao.

Katsaho amin’ny alalan’ny vavaka ny Rainao any An-danitra. Aboraho Aminy ny fonao. Isaory Izy noho ireo fitahiana maro mahatalanjona nomeny anao. Zarao Aminy ireo fifalianao sy ahiahy ary fanontaniana anananao. Mitonia ary henoy ny valinteniny, izay mety ho tonga toy ny fahatsapana fiadanana, eritreritra ao an-tsainao, na fahatsapana hanao zavatra iray.

Henoy ny feon’ Andriamanitra ao amin’ny soratra masina. Tenin’ Andriamanitra aminao ny soratra masina! Mianara avy amin’izy ireo isan’andro mba hamantarana ny feony sy hahatsapana ny fitiavany. Rehefa mamaky ianao dia saintsaino ny zavatra mety ho ampianariny anao, ary soraty ireo fahatsapana izay tonga. Ataovy fahazarana isan’andro ny mandalina ny soratra masina, indrindra fa ny Bokin’i Môrmôna—mandritra ny fiainanao.

Manaova asa mifanaraka amin’ny fitaomam-panahy voarainao. Raha toa ianao manana eritreritra na fahatsapana hanao zavatra tsara izay hitahy olona dia ataovy izany! Avy amin’ Andriamanitra ny zavatra tsara rehetra. Asehoy ny Rainao any An-danitra fa afaka matoky anao Izy mba hanaraka ireo fahatsapana avy Aminy.

Jesoa Kristy

Fitahiana nampanantenaina

Hampionona sy hitarika anao ny Fanahy Masina. Fantatra amin’ny hoe ny Mpampionona izy. Hanohana anao Izy ao anatin’ny fotoan’ny fitsapana. Hanampy anao hahafantatra ny zavatra tokony holazainao sy hataonao izy. Afaka milaza ny fahasamihafana misy eo amin’ny marina sy ny zavatra diso ianao miaraka amin’ny fitaomany. Afaka manampy anao hahita ny tsara ao amin’ny hafa sy amin’ny tenanao izy. Afaka mampitandrina anao amin’ny loza ihany koa ny Fanahy. Hitarika anao mankany amin’i Jesoa Kristy sy hanalavitra ny fahotana Izy.

Afaka mandray ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy ianao. Maro ireo fanomezam-pahasoavana omen’ Andriamanitra ny zanany amin’ny alalan’ny Fanahiny. Ny sasany voalaza ao amin’ny soratra masina dia ahitana fanambarana, finoana an’i Jesoa Kristy, fampianarana, fahaiza-manavaka ary fahendrena. Mivavaha mba hangatahana amin’ny Ray any An-danitra momba ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy nomeny anao, sy ny fomba ahafahanao mampitombo izany, ary ny fomba tiany hampiasanao azy ireo mba hitahiana ny hafa.

Fanontaniana sy valiny

Nahoana ny olona hafa no manana traikefa ara-panahy lehibe kokoa noho izay ananako? Tsy ny traikefa ara-panahy rehetra no mahagaga na mahatalanjona. Amin’ny ankamaroan’ny fotoana dia miresaka amintsika Andriamanitra amin’ny alalan’ny eritreritra ao an-tsaintsika na ao am-pontsika. Ireo no bitsika manginan’ilay feo tony sy malefaka. Mety hahatsapa ny Fanahy ianao fa tsy mbola mahafantatra izany. Tohizo ny vavaka. Tohizo ny fandalinana ny tenin’ Andriamanitra. Rehefa mandeha ny fotoana sy ny fampiharana dia hianatra hamantatra ny Fanahy amin’ny fomba isan-karazany ianao.

Jereo ny 1 Mpanjaka 19:11–12 (Miteny amin’ny fo tony sy malefaka Andriamanitra); Jaona 15:26 (Mijoro ho vavolombelona momba ny Kristy ny fanahy); Môrônia 10:3–5 (Fantaro amin’ny alalan’ny fanahy ny fahamarinana); Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12–13 (Mitarika ny hanao ny tsara ny fanahy); 45:57 (raiso ho toy ny mpitarika anao ny fanahy); 46:8–26 (Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy).

Fanontaniana momba ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly

  • Moa ve ianao manana finoana an’ Andriamanitra, Ilay Ray Mandrakizay, sy ny Zanany, Jesoa Kristy ary ny Fanahy Masina ary manana fijoroana ho vavolombelona momba azy ireo?