Seminera
Lesona 52: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:15–27, 34–42: Aoka ho iray


“Lesona 52— Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:15–27, 34–42: Aoka ho iray,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera(2025)

“Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:15–27, 34–42,” Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera

Lesona 52: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 37–40

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:15–27, 34–42

Aoka ho iray

Ny Mpamonjy manompo

Nomen’ny Tompo toromarika ireo Olomasiny rehefa niomana hanao sorona lehibe izy ireo mba hiangona any Ohio. Tao anatin’ny fanambarana nataony tamin’ny Olomasina dia nanambara ny toetrany ny Mpamonjy ary nanasa ny olony hiaina tahaka Azy. Afaka manampy ny mpianatra ho lasa tahaka ny Mpamonjy bebe kokoa amin’ny alalan’ny fanomezana lanja ny hafa sy ny fikatsahana ny firaisan-kina ity lesona ity.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra ireo vondrona izay misy azy ireo ka hanontany olona iray ao amin’izany vondrona izany hoe inona no tsapan’izy ireo fa ilaina mba hampiray hina. Afaka miresaka amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana, na mpitarika ao amin’ny kôlejy na kilasy, na mpampianatra, na mpanazatra ireo mpianatra.

Sahanasa fianarana azo atao

Tian’ny Tompo ho tonga tahaka Azy isika

Azonao atao ny manomboka ny lesona amin’ny alalan’ny fanasana ny mpianatra tsirairay mba hanoratra dimy amin’ireo zavatra mahaliana azy ireo. Zarao ho vondrona kely ny iray kilasy avy eo. Asao izy ireo hizara ny zavatra mahaliana azy ireo ary hanao lisitra izay zavatra iraisan’izy ireo. Aorian’izay dia angataho izy ireo hifanakalo hevitra momba ny hoe nahoana no sarotra ho an’ny olona tsy mitovy zavatra mahaliana indraindray ny miray hina ary nahoana no zava-dehibe ho an’ny mpianatr’i Kristy ny firaisan-kina.

Asao ny mpianatra hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no fomba fieritreretako sy ny fandraisako andraikitra eo anatrehan’ireo izay mety tsy mitovy amiko?

  • Ahoana no mety hahatonga ny eritreritro sy ny zavatra ataoko hiteraka fisaraham-bazana na hitondra firaisan-kina?

Amporisiho ny mpianatra hikatsaka fitaomam-panahy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hanampy amin’ny famantarana ireo fomba ahafahan’izy ireo manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy amin’ny fomba hitondrany ny hafa.

Tamin’ny desambra 1830 i Joseph Smith dia nanao ny fandikana mifono fanitsiana ny Baiboly ary nahazo ny zavatra izay hita ao amin’ny Mosesy 6–7 ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy amin’izao fotoana izao. Ireo toko ireo dia mitantara momba ny mpaminany iray antsoina hoe Enoka sy ny vahoakany. Noho ny fahamarinana sy ny firaisan-kinan’izy ireo dia nantsoin’ny Tompo hoe Ziona ireo vahoaka ireo.

Ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38, ny Mpamonjy dia nanome toromarika ny Olomasina momba ny fiangonana any Ohio. Nampianatra azy ireo momba ny toetrany Izy ary nanantitrantitra ireo fitsipiky ny fananganana an’i Ziona. Ny fankatoavana ireo fitsipika ireo dia hanampy ny Olomasina hanomana ny tenany handray ny lalàn’ny Mpamonjy sy hahazo ny heriny (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:32).

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:24–27, ka tadiavo ireo toetra izay tian’ny Tompo hezahantsika hampivoarina.

Rehefa mamaky ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:24–27 ny mpianatra, dia azonao atao ny manondro ilay andian-teny miverimberina ao amin’ny andininy 24–25. Azonao atao koa ny manasa mpianatra vitsivitsy hilalao an-tsehatra ilay fanoharana ao amin’ny andininy 26–27.

  • Inona, araka ny eritreritrao, no dikan’ny hoe mandray ny rahalahinao tahaka ny tenanao? (Jereo ny Matio 22:36–39; Jaona 13:34–35; Jakôba 2:17–19.)

  • Inona no azontsika ianarana momba ny Mpamonjy avy amin’ny fanoharana ao amin’ny andininy 26–27?

  • Inona no ampianarin’ny andininy 24–27 antsika mikasika ny fomba ahafahantsika ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy?

    Ampio ny mpianatra hahita fitsipika mitovy amin’ity: Afaka ny ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy isika rehefa manome lanja ny hafa sy mikatsaka ny firaisan-kina amin’ny maha mpianany antsika.

  • Amin’ny fomba ahoana no mahatonga an’i Jesoa Kristy ho ohatra amin’ny fanomezana lanja ny hafa? Amin’ny famporisihana ny hisian’ny firaisan-kina?

Nampianatra ny fomba ahafahantsika manome lanja ny hafa sy ny mba ahafahantsika ho iray ny Filoha Russel M. Nelson

Filoha Russell M. Nelson

Amin’ny farany dia fantatsika fa ny fahatakarana ny maha-Ray marina an’ Andriamanitra ihany no afaka mitondra fankasitrahana feno ny maha-mpirahalahy marina ireo rahalahy sy ny maha-mpirahavavy marina ireo rahavavy. Izany fahatakarana izany dia manentana antsika hanana faniriana lalim-paka hanorina tetezan’ny fiaraha-miasa fa tsy rindrin’ny fanavakavahana.

(Russell M. Nelson, “Remarks at Worldwide Priesthood Celebration lahateny natao tamin’ny fankalazana “Be One”, 1 Jona 2018], newsroom.ChurchofJesusChrist.org)

  • Inona no fitoviana hitanao eo amin’ny fampianaran’ny Tompo ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:24-27 sy ny an’ny Filoha Nelson?

Asehoy ny horonan-tsary “Iray ao amin’ny Kristy” (4:48), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fomba anampian’ny Mpamonjy antsika hiray hina.

4:48

Vakio ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:34–36, 39–42 ka tadiavo ny fomba nanasan’i Mpamonjy ireo Olomasina niomana hiangona tao Ohio mba ho lasa niray hina.

  • Inona no hitanao fa mety hanampy ireo nifindra tany Ohio mba hifanome lanja sy hiray hina?

Famelana ireo toetra sy fihetsika mifono fanavakavahana

sary famantarana ny fanofananaAmpiasao ny tenin’ny mpaminany mba hanamafisana ny fotopampianarana sy ny fitsipika: Mba hampiharana izany dia jereo ny fanofanana mitondra ny lohateny hoe, “Mampianatra avy amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany amin’izao andro farany” ao amin’ny Fahaiza-manao ho fampivoarana ny mpampianatra: Mampianatra fotopampianarana. Manaova fanazaran-tena amin’ny fampiasana ilay fahaiza-manao “manomana fanasana izay manampy ireo mpianatra hampifandray ireo fahamarinana hita ao amin’ny soratra masina amin’ny zavatra lazain’ny mpaminany velona” araka ny asehon’ity teny manaraka avy amin’ny Filoha Nelson ity.

Nampianatra ny maha-zava-dehibe ny fomba ifampitondratsika ny Filoha Russel M. Nelson Vakio ilay fanambarana na jereo ilay horonan-tsary “Mamela an’Andriamanitra hanjaka” (18:51; jereo manomboka amin’ny kaodim-potoana 10:40 hatramin’ny 13:01) ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

18:51
Filoha Russell M. Nelson

Manana anjara araka an’ Andriamanitra isika tsirairay avy, satria samy zanak’ Andriamanitra avokoa ny tsirairay. Mitovy daholo ny tsirairay eo imasony. Tena lalina ny fiantraikan’io fahamarinana io. Ry rahalahy sy anabavy, henoy tsara ny zavatra holazaiko izao. Tsy manavakavaka firazanana Andriamanitra. Mazava ny fotopampianarany amin’ity olana ity, manasa ny rehetra izy mba hanatona azy, “Mainty na fotsy, na andevo na olon’afaka, na lehilahy na vehivavy [2 Nephi 26:33].”

Manome toky anareo aho fa ny fijoroanareo eo anoloan’Andriamanitra dia tsy faritana amin’ny alalan’ny lokon’ny fihodiranareo. Ny hoe ankasitrahana na tsy ankasitrahan’ Andriamanitra dia miankina amin’ny fanolorantenanareo amin’ Andriamanitra sy ny didiny, fa tsy ny lokon’ny fihodiranareo.

Malahelo aho fa miaritra ny fijaliana avy amin’ny fanavakavahana sy ny fitsarana an-tendrony ireo rahalahintsika sy ranabavintsika mainty hoditra manerana izao tontolo izao. Anio aho dia manao antso avo amin’ireo mpikambana manerana izao tontolo izao mba hitarika ny lalana amin’ny fialana amin’ireo toe-tsaina sy fihetsika manavakavaka. Miangavy anareo aho mba hamporisika ny fanajana ireo zanak’ Andriamanitra rehetra.

Ny fanontaniana ho antsika tsirairay, na inona na inona firazanantsika, dia mitovy. Vonona ve ianao hamela an’ Andriamanitra ho ny hery mitaona anao indrindra eo amin’ny fiainanao? Moa ve ianao hamela ny teniny sy ny didiny ary ny fanekempihavanany hitarika ny zavatra ataonao isan’andro? Moa ve havelanao ho lohalaharana eo anatrehan’ny zavatra hafa rehetra ny feony? vonona ve ianao hamela izay rehetra ilainy ataonao ho lohalaharana mihoatra noho ny fanirianao hafa rehetra? Vonona ve ianao hanao izay hahavoatelina ny sitraponao ao amin’ny sitrapony? (Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2021, 84)

  • Inona no hitanao ho manan-danja indrindra tamin’ny tenin’ny Filoha Nelson?

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany ahafahantsika mitarika amin’ny fisorohana na fialana amin’ny toetra sy ny fihetsika mifono fanavakavahana?

Rehefa mifanakalo hevitra momba ny zavatra nianarany avy amin’ilay teny nambara ny mpianatra dia aoka ianao hiresaka amin’ny mpianatrao rehetra izay mety miaina fanavakavahana na fanavakavaha-bolon-koditra rehetra. Angataho ny mpianatra mba hizara ny fomba nitahiana azy ireo tamin’ny fiezahana hanome lanja ny hafa sy hiray hina amin’ny maha mpianatr’i Kristy azy.

Asao ireo mpianatra mba hanombantombana ombam-bavaka hoe manao ahoana ny fahatsapan’izy ireo ny zavatra ataony amin’ny fanomezana lanja ny hafa sy ny fikatsahana mba hampisy ny firaisan-kina.

Azon’ny mpianatra atao ny mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinan’izy ireo.

Eritrereto ombam-bavaka ireto fanontaniana manaraka ireto ary valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray na maromaro:

  • Inona no azonao atao mba hanomezana lanja ireo zanak’Andriamanitra rehetra sy hanehoana fitiavana azy ireo?

  • Ahoana no ahafahanao mitarika amin’ny fisorohana na fialana amin’ny toetra sy fihetsika mifono fanavakavahana?

  • Ahoana no fomba hanampian’izany anao ho lasa hitovy kokoa amin’ny Mpamonjy?

Zarao ny fahatsapanao momba ny maha-zava-dehibe ny fomba hitondrantsika ny hafa sy ireo fitahiana avy amin’ny fahatongavana ho iray ao amin’i Kristy.