“Fampiasana ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana,,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2025 (2025)
“Fampiasana ny Avia, hanaraka Ahy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana: 2025
Fampiasana ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana
Ho an’iza ity loharanom-pitaovana ity?
Ity loharanom-pitaovana ity dia natao ho an’izay rehetra te handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana—manokana, miaraka amin’ny fianakaviana, ary any amin’ny kilasin’ny Fiangonana. Raha tsy nandalina tsy tapaka ny soratra masina ianao taloha dia afaka manampy anao hanomboka izany ity loharanom-pitaovana ity. Raha efa manana fahazarana tsara amin’ny fandalinana soratra masina ianao dia afaka manampy anao hahazo traikefa manan-danja kokoa ity loharanom-pitaovana ity.
Ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ao an-tokantrano
Ny toerana tsara indrindra ianarana ny filazantsara dia ao an-tokantrano. Ireo mpampianatra ao am-piangonana dia afaka manohana anao, ary afaka mahazo fankaherezana avy amin’ireo mpikambana hafa ao amin’ny paroasy misy anao ianao. Saingy mba hahafahana ho tafavoaka velona ara-panahy, isika tsirairay dia mila famahanana isan’andro amin’ny “teny soan’ Andriamanitra” (Môrônia 6:4; jereo ihany koa ny Russell M. Nelson, “Lahateny fanokafana,” Liahona, nôv. 2018, 6–8).
Ampiasao amin’izay fomba mety hanampy anao ity loharanom-pitaovana ity. Ireo rindran-damina dia manasongadina fahamarinana mandrakizay izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Manolotra hevitra sy asa atao ihany koa izy ireo mba hanampiana anao handalina manokana ny soratra masina, na miaraka amin’ny olona ao amin’ny fianakavianao na miaraka amin’ny namana. Eo am-pandalinanao dia manaraha ny fitarihan’ny Fanahy mba hahitana fahamarinana mandrakizay izay hanan-danja aminao. Tadiavo ny hafatr’ Andriamanitra ho anao, ary araho ireo bitsika azonao.
Ireo mpampianatra sy mpianatra ao am-piangonana
Raha toa ianao ka mampianatra kilasy ao amin’ny Kilonga, na kilasin’ny Sekoly Alahady ho an’ny zatovo na ho an’ny olon-dehibe, na kôlejy ao amin’ny Fisoronana Aharôna, na kilasin’ny Zatovovavy, dia amporisihana ianao hampiasa ireo lesona ato amin’ity loharanom-pitaovana ity rehefa miomana ny hampianatra. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana no fandaharam-pampianarana ho an’ny kilasinao isaky ny alahady. Ireo torohevitra enti-mampianatra ato amin’ity loharanom-pitaovana ity dia natao ho an’ny fianarana ao an-tokantrano sy ao am-piangonana. Rehefa miomana ny hampianatra ianao dia atombohy amin’ny fiezahanao mba hanana ny traikefanao manokana amin’ny soratra masina izany. Ny fiomananao manan-danja indrindra dia hitranga rehefa mandinika ny soratra masina sy mikatsaka fitaomam-panahy manokana avy amin’ny Fanahy Masina ianao. Azonao atao ihany koa ny mianatra sady manao ao an-tsaina ny zavatra mety ilain’ireo olona ampianarinao. Tadiavo ireo fahamarinana mandrakizay. Avia, hanaraka Ahy dia afaka manampy anao hamantatra ny sasany amin’ireo fahamarinana ireo sy hianatra ny fomba hampiharana ny soratra masina eo amin’ny fiainanao.
Ataovy ao an-tsaina hatrany fa ny fianarana ny filazantsara, raha ny tena mety indrindra, dia mifantoka amin’ny any an-tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny andraikitrao voalohany indrindra dia ny manohana ny olona izay ampianarinao amin’ny ezaka ataony amin’ny fianarana sy fiainana ny filazantsara ao an-tokantrano. Aza manahy ny amin’ny fananana votoaty tokana omena azy ireo ao an-dakilasy. Omeo fahafahana izy ireo hizara ny zavatra iainany, ny eritreriny, ary hametraka fanontaniana momba ireo andinin-tsoratra masina novakiany tany an-trano. Asao izy ireo hizara ireo fahamarinana mandrakizay izay hitany. Manan-danja kokoa noho ny hoe mamita ampahany voafaritra tsara amin’ny lesona izany.
Kilasin’ny Sekoly Alahady ho an’ny zatovo sy ny an’ny olon-dehibe
Antony iray hivoriantsika ao amin’ny kilasin’ny Sekoly Alahady ny fifanohanana sy fifankaherezana eo am-piezahantsika hanaraka an’i Jesoa Kristy. Fomba tsotra hanaovana izany ny fametrahana fanontaniana toy ny hoe “Inona no nampianarin’ny Fanahy Masina anao tamin’iny herinandro iny rehefa nandalina ny soratra masina tamin’ny alalan’ny Avia, hanaraka Ahy ianao?” Ny valin’izany fanontaniana izany dia afaka mitarika ho amin’ny fifanakalozan-kevitra manan-danja izay hanorina finoana an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.
Avy eo ianao dia afaka manao izay hisian’ny fifanakalozan-kevitra miainga amin’ireo sosokevitra enti-mandalina ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy. Ohatra, ny hevitra enti-mandalina iray dia mety hanoro hevitra ny handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:15–20, ka hitady ny fomba namaritan’ny Mpamonjy ny fijaliany. Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hizara ny zavatra tsapany rehefa namaky ny famariparitana nataony izy ireo ary hiresaka momba ny fiantraikan’izany eo amin’ny fomba fisainan’izy ireo momba Azy. Na azonao atao ny mandany fotoana kely handalinana ireo andinin-tsoratra masina ireo miaraka amin’ny iray kilasy.
Ireo kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ireo kilasin’ny zatovovavy
Rehefa mivory mandritra ny alahady ny kôlejin’ny Fisoronana Aharôna sy ireo kilasin’ny Zatovovavy dia somary tsy mitovy amin’ny tanjon’ny kilasin’ny Sekoly Alahady ny tanjon’izy ireo. Ankoatra ny fifanampiana amin’ny fianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ireo vondrona ireo dia mivory ihany koa mba hanaovana filankevitra mikasika ny fanatanterahana ny asa famonjena sy ho an’ny fisandratana (jereo ny Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, 1.2), araka ny fitarihan’ny fiadidian’ny kilasy na ny kôlejy misy azy ireo.
Noho izany antony izany, ny fivorian’ny kôlejy na ny kilasy tsirairay dia tokony hanomboka amin’ny mpikambana iray ao amin’ny kôlejy na fiadidian’ny kilasy mitarika fifanakalozan-kevitra momba ny ezaka ataon’izy ireo. Ohatra, afaka miara-midinika momba ny ezaka ataony amin’ny fiainana ny filazantsara izy ireo, na manompo ireo olona sahirana, na mizara ny filazantsara, na mandray anjara amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana.
Aorian’izany fotoana fanaovana filankevitra miaraka izany, ny mpampianatra iray dia mitarika ny kilasy na kôlejy amin’ny fiarahana mianatra ny filazantsara. Azo ampandraiketina hampianatra ny olon-dehibe mpitarika na ny mpikambana ao amin’ny kilasy na kôlejy. Ny fiadidian’ny kilasy na kôlejy, rehefa avy nifandinika tamin’ny olon-dehibe mpitarika, no manome ireo andraikitra ireo.
Ireo olona ampandraiketina hampianatra dia tokony hiomana amin’ny alalan’ny fampiasana ny sosokevitra enti-mampianatra ao amin’ny rindra-damin’ny herinandro ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy. Ao amin’ny rindran-damina tsirairay, ity kisary ity dia manondro asa iray izay manan-danja indrindra amin’ny tanora ary mifanaraka amin’ny zavatra nianarany tao amin’ny seminera. Izay mety ho sosokevitra rehetra ao amin’ny rindran-damina anefa dia azo ampiasaina ho sahanasa fianarana ho an’ny zatovo.
Mba hahitana santionany amin’ny fandaharam-potoan’ny fivorian’ny kôlejy sy kilasy dia jereo ny Tovana E.
Kilonga
Ny fiomananao hampianatra ny Kilonga dia manomboka rehefa mandalina manokana ny soratra masina sy miaraka amin’ny fianakavianao ianao. Rehefa manao izany ianao dia aoka hisokatra ho amin’ireo fahatsapana sy hevi-baovao ara-panahy avy amin’ny Fanahy Masina mikasika ireo ankizy ao amin’ny kilasin’ny Kilonga sahaninao. Hivavaka mandrakariva. Ny Fanahy dia afaka hanolotra hevitra anao mba hanampiana azy ireo hianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.
Eo am-piomanana hampianatra dia mety hahazo fitaomam-panahy fanampiny ianao amin’ny alalan’ny fitrandrahana ireo torohevitra enti-mampianatra ato anatin’ity loharanom-pitaovana ity. Ny rindran-damina tsirairay ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny ao an-tokantrano sy ao am-piangonana dia ahitana fizarana mitondra ny lohateny hoe “Hevitra enti-mampianatra ny ankizy.” Raiso ho toy ny sosokevitra mba hahazoanao fitaomam-panahy ireo hevitra ireo. Fantatrao ireo ankizy ao amin’ny kilasin’ny Kilonga sahaninao, ary mbola hanana fahafahana hahafantatra azy ireo kokoa mihitsy aza ianao rehefa mifanerasera amin’izy ireo ao an-dakilasy. Fantatr’ Andriamanitra ihany koa izy ireo, ary hanome anao ireo fomba tsara indrindra hampianarana sy hitahiana azy ireo Izy.
Mety hoe efa nanao ny sahanasa sasany ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy niaraka tamin’ny fianakaviany ny ankizy ao amin’ny kilasinao. Tsy maninona izany. Tsara ny famerimberenana. Asao ny ankizy mba hifampizara ny zavatra nianarany tao an-trano. Tokony hanomana fomba handraisan’ny ankizy anjara koa ianao na dia tsy mianatra any an-trano aza. Mianatra amim-pahombiazana kokoa ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ny ankizy rehefa averimberina ampianarina amin’ny alalan’ny sahanasa isan-karazany ireo fahamarinana ireo. Raha toa ka hitanao fa mandaitra amin’ny ankizy ny sahanasa enti-mianatra iray dia avereno izany, indrindra raha toa ka mampianatra ankizy kely ianao.
Ao anatin’ireo volana ahitana alahady dimy dia azon’ny mpampianatra ny Kilonga atao ny mamporisika ny hanoloana ny lesona Avia, hanaraka Ahy efa voalahatra hatao ny alahady fahadimy amin’ny iray na ny maromaro amin’ireo sahanasa fianarana ao amin’ny “Tovana B: Ho an’ny Kilonga—Manomana ny ankizy hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra mandritra ny androm-piainany.”