"Ny fandresen’ilay Mpamonjy Malalantsika," Liahona, apr. 2026.
Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona aprily 2026
Ny fandresen’ilay Mpamonjy Malalantsika
Tsy misy teny hamaritana ny halehiben’ny fanomezana sarobidy avy amin’i Jesoa Kristy. Tsy hotakiana amin’ny hafa velively izany. Nijaly "indray mandeha ho an’ny rehetra" Izy.
Rehefa nandeha teny ny taona dia lasa nanetry tena fatratra aho rehefa nieritreritra sy nandalina ary nahita fampaherezana goavana tamin’ny alalan’ilay fanomezana tsy hay refesina avy amin’ny Mpamonjy antsika, dia ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izany. Zara raha manomboka takatry ny sain’ny olombelona ny fiovan’ny hoavin’ny zanak’olombelona noho ilay zava-nitranga tao Getsemane sy teo amin’ny hazofijaliana ary teo amin’ny fasana.
Samy miatrika ratram-po sy fijaliana avokoa isika rehetra
Tao anatin’ny antsoko amin’ny maha-Apôstôly ahy dia nanatanteraka dia maro be aho ary nanana fahafahana hihaona amin’ny ankizy sy ny zatovo ary ny olon-dehibe manerana ny ankamaroan’izao tontolo izao. Misy fotoana feno fifaliana lehibe eo amin’ny fiainana, saingy ny zavatra iray hitako tamin’ny masoko sy tsapako lalina tao am-poko dia ny hoe ankoatra ny fahasambarana sy ny fifaliana dia andalovana ratram-po sy fijaliana ihany koa ny fiainana.
Tsy ho hadinoko na oviana na oviana ny fotoana izay nipetrahako teo akaikin’ny ankizy kely miisa efatra izay ny fiainan’ny ray aman-dreniny dia nofaranan’ny mpanafika tamin-kabibiana tao an-tranony raha iny mbola nandry iny ireo ankizy, na ny fihaonako tamin’ny vehivavy iray izay niharan’ny herisetra nataon’ny fianakaviana natokisana iray taminy fony izy ankizivavy, na ny fipetrahako teo akaikin’ny fandrian’ny ankizivavy iray izay misy ratra ny atidohany rehefa nazeran’ny bisikileta ka ho faty tsy ho ela, na ny fihainoako ny fitomanian’ny vehivavy iray izay nanana vady namadika azy sy tsy nanaja ny fanekempihavanan’ny tempoly tamin’ny fomba tafahoatra nandritra ny taona maro.
Nahatsapa ny fanaintainan’ny mpivady iray aho, izay nanana zanaka efa olon-dehibe tsy nino intsony ireo fahamarinan’ny filazantsara, ka nikatsaka ny hampalemy ny finoan’ny mpikambana hafa ao amin’ny fianakaviany. Nihaona tamin’ny ray aman-dreny sy namana sahiran-tsaina tamin’ny zatovolahy iray aho izay nanana ho avy tena mamiratra nefa dia namono tena. Nahatsapa ny alahelo araka an’ Andriamanitra nananan’ireo izay nahavita fahotana sy naniry marina ny hibebaka aho, sy ny faharavana niainan’ireo izay miaina anaty fahotana.
Hitako ny ratram-po azo avy amin’ny fahararian-tsaina na ho an’ireo izay ampijalian’izany na ho an’ireo izay mijaly amim-pahanginana mahita ireo izay miaina izany nefa tsy mba afaka manampy akory. Efa hitako ireo fahavoazana goavana sedrain’ny tena manokana vokatry ny loza voajanahary, ny tondra-drano, ny tafio-drivotra, ny afo, ary ny horohoron-tany. Nanatrika ireo korontana nisy tany amina firenena maro aho izay vokatrin’ny tafiotra ara-pôlitika, ny ady sy ny faharavana, ary ny fahoriana lalina mianjady amin’ireo izay tsy manan-tsiny sy mikatsaka ny hanao ny marina rehefa mitontona ny tsy ampoizina.
Tanana manasitrana, nataon’i Kolby Larsen, tsy azo adika
Manampy antsika ny Mpamonjy
Raha niresaka momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny Filoha James E. Faust (1920–2007), Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nilaza hoe: "Ny maratra dia tokony hanao izay azon’izy ireo atao mba hiatrehana ny fitsapana lalovany, ary ny Mpamonjy dia -hanampy ny vahoakany arakaraka ny rofiny- [ Almà 7:12]. Hanampy antsika hilanja ny enta-mavesatsika Izy. Misy ratra izay tena manimba sy lalina tokoa ka tsy ho sitrana izany raha tsy mahazo fanampiana avy amin’ny hery ambony kokoa sy ny fanantenana ny fahamarinana ary ny fanonerana tonga lafatra any amin’ny fiainan-ko avy. … Takany ny fanaintainantsika ary handeha hiaraka amintsika izy na dia ao anatin’ny ora maizina indrindra aza."
Mahatsapa ho voasarika fatratra amin’ny fitiavan’ny Mpamonjy aho sy ireo fitahiana tsy manam-petra izay nampanantenaina antsika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Tsy nanalavitra antsika tamin’ireo zava-tsarotra niainana teo amin’ny fiainana izay nitondra fanaintainana tsy hay refesina Izy, fa niaro antsika kosa tamin’ny fijaliana sy ny fisarahana maharitra mandrakizay amin’ny Ray any An-danitra, ary nanome fahafahana antsika, tamin’ny alalan’ny fijaliany tsy manam-paharoa, mba hanana fifaliana tonga lafatra sy fahasambarana mandrakizay eo anatrehan’ Andriamanitra.
Nampahatsiahy antsika ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: "Amin’ny ankapobeny, ny fanampiana mahery vaika indrindra avy amin’Andriamanitra ho an’ny fiainana an-tany dia ny fanolorany Mpamonjy iray, dia i Jesoa Kristy, izay hijaly mba hanonitra ny sarany sy hanome famelan-keloka ireo fahotana ibebahana. Io Sorompanavotana feno famindram-po sy be voninahitra io dia manazava ny antony mahatonga ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo ho fitsipika voalohan’ny filazantsara. Ny Sorompanavotany dia -manatanteraka ny fitsanganana amin’ny maty- (Almà 42:23), ary -manonitra ny fahotan’izao tontolo izao- (Almà 34:8), mamafa ireo fahotana rehetra nibebahantsika sy manome hery ny Mpamonjintsika mba hamonjeny antsika amin’ny rofintsika eto an-tany."
Ny antsipiriany avy amin’ny Vavaka tao Getsemane, nataon’i Del Parson, dia azo adika raha ampiasaina ao am-piangonana irery ihany
Zava-nitranga lehibe indrindra momba ny mandrakizay
Rehefa mieritreritra ny fijaliana nianjady tamiko manokana aho, izay tena kely sy bitika indrindra raha ampitahaina amin’ireo rehetra izay efa niaina na mbola hiaina eto an-tany, dia tsy haiko, ny hamariparitra amin’ny teny rehetra fantatro, ireo fahatsapana ato am-poko mikasika izay mety ho nitranga tao am-po sy tao an-tsaina ary tamin’ny vatana sy tao anatin’ny fanahin’ny Mpamonjy, tamin’ilay fotoany masina nizakany ilay fijaliana lehibe mahafoaka ny fahotana sy ny fanaintainan’ny olombelona rehetra.
Ny zava-nitranga manan-danja indrindra momba ny mandrakizay dia nanomboka rehefa "tonga tao amin’ny saha anankiray atao hoe Getsemane" i Jesoa (Matio 26:36) tao amin’ny Tendrombohitra Oliva ivelan’ny mandan’i Jerosalema. Hoy Izy tamin’ireo mpianany hoe: "Fadiranovana loatra ny fanahiko, toy ny efa ho faty" (Matio 26:38).
Niankohoka [Izy] ka nivavaka hoe: “Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” (Matio 26:39] Niverina tany amin’ireo mpianany Izy, nahita azy ireo resin-tory, nandeha indray, ary nivavaka fanindroany. "Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao. … Ary nivavaka fanintelony [Izy] ka nanao izany teny izany ihany" (Matio 26:42, 44).
Nisotro ilay kapoaka mangidy i Jesoa ary nijaly mihoatra ny fahatakarantsika olona mety maty na izany tao amin’ny saha na teo amin’ny hazofijaliana. Tsy nahalala ota Izy nefa dia nitondra teo Aminy ny fahotantsika rehetra, ka rehefa manatona Azy sy mibebaka isika dia esorina amintsika ny fahotantsika sy ny enta-mavesatsika (jereo ny 2 Korintiana 5:21).
Efa nandrasana hatry ny ela ny fijalian’i Jesoa sy ny fahafatesany ary ny sorompanavotany. 700 taona talohan’ny nahaterahan’i Jesoa dia efa naminany i Isaia fa "nataon’ny [Tompo] nihatra Taminy avokoa ny helotsika rehetra" (Isaia 53:6). Niresaka momba ny nanomezany ny ainy ho "avotra" i Jesoa (Matio 20:28; jereo koa ny 1 Timoty 2:6) "ho famelan-keloka" (Matio 26:28) ho an’ireo rehetra izay hino Azy sy hibebaka amin’ny fahotany. Nofaritan’i Petera ny fomba "nijaliany noho ny fahotan[tsika]" (1 Petera 3:18), fa sitrana amin’ny alalan’ireo dian-kapoka taminy isika (jereo ny 1 Petera 2:24). Nanao izay tsy azon’ny hafa natao Izy mba hahafahantsika hiverina eo anatrehan’ny Raintsika. "Notorotoroina noho ny helotsika" Izy (Isaia 53:5).
Taorian’ny fijaliana tao Getsemane, dia nitohy ny fijaliany—ny famadihana nataon’ny olona iray izay niara-dia Taminy, ny fanesoesoana teo anatrehan’ireo mpanapaka tsy marina, ny fanaintainan’ny vatany nokapohina, ny fehiloha tsilo izay nalentik’ireo miaramila ratsy fanahy sy tsy mamindra fo tao amin’ny lohany (jereo ny Jaona 18:2–3, 12–14; Marka 15:15–20), ary ny hazo mavesatra izay nitambesatra tamin’ny nofon’ny lamosiny feno ratra teny an-dalany ho any Golgota (jereo ny Jaona 19:16–17).
Teo amin’ny hazo fijaliana dia niverina indray ilay fanaintainana lalina tao Getsemane, faratampony izany ka tsy nisy olombelona mety ho nahazaka izany. I Jesoa Kristy, ilay Zanak’ Andriamanitra, dia nizaka irery ilay iraka masin’Andriamanitra nampanaovin’ny Rainy Azy dia ny mba hanolorany ny ainy. Tsy afaka nanaisotra izany taminy ireo miaramila sy mpanapaka (jereo ny Jaona 10:18). Nanondrika ny lohany tamim-panajana sy tamim-panetrentena i Jesoa ary niteny hoe: "Vita" (Jaona 19:30).
Tonga ny fotoana farany niainany teto an-tany. Tsy misy teny mahalaza ny halehiben’ilay fanomezany sarobidy. Tsy hotakiana amin’ny hafa velively izany. Nijaly "indray mandeha ho an’ny rehetra" i Jesoa Kristy (Hebreo 10:10).
Nitsangana Izy!
Miaraka amin’ny fahatanterahan’ny asa masina nanirahana Azy dia Izy no santatra amin’ny tantaran’ny olombelona rehetra mba hitsangana avy ao am-pasana ho amin’ny tsy fahafatesana (jereo ny 1 Korintiana 15:21–23).
Hoy ireo anjely tamin’ireo vehivavy tao am-pasana hoe:
"Nahoana ianareo no mikatsaka ny velona eo anivon’ny maty?
“Tsy ato Izy fa efa nitsangana” (Lioka 24:5-6)).
Hoy Izy tamin’ireo Apôstôliny hoe: "Izahao ny tanako sy ny tongotro fa Izaho no Izy" (Lioka 24:39). Taty aoriana dia “niseho tamin’ny rahalahy … diman-jato Izy” (1 Korintiana 15:6). Vavolombelona nanatri-maso maro no nahita ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty. Tsy maty izy. Velona izy.
Nanapatapaka ny rojon’ny fanandevozana maharitra mandrakizain’ny fahafatesana ho an’ny olona rehetra izay niaina na mbola hiaina eto an-tany i Jesoa Kristy (jereo ny 1 Korintiana 15:22). Nandresy ny fahavalontsika rehetra izy; resy mandrakizay ny fahavalo [dia] ny fahafatesana.
Hoy ny Filoha Russell M. Nelson (1924–2025): “Nentin’i Jesoa Kristy teo Aminy ny fahotanao, ny fanaintainanao, ny ratram-ponao, ary ny rofinao. Tsy voatery hizaka izany irery ianao! Hamela anao Izy rehefa mibebaka ianao. Hanome anao ny zavatra ilainao Izy. Hanasitrana ny fanahinao maratra Izy. Rehefa miray zioga Aminy ianao, dia ho maivana kokoa ny enta-mavesatrao. Raha hanao sy hitandrina fanekempihavanana hanara-dia an’i Jesoa Kristy ianao, dia ho hitanao fa mandalo ihany ireo fotoam-pahoriana eo amin’ny fiainanao. -Ho voatelina ao amin’ny fifalian’i Kristy ny fahorianao- [Almà 31:38]”
Amin’ny maha-iray amin’ireo Apôstôliny voatendry ahy dia niaina ireo fotoana ara-panahy sy an’ny tena manokana izay nitondra fijoroana ho vavolombelona azo antoka tanteraka aho fa velona Izy. Amin’izao vanim-potoan’ny Paska izao dia enga anie ireto teny ireto hitoetra mora ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika: "Aoka re tsy hoadinoiko, fa nijaly (sy) maty (ho ahy) Ianao," rehefa mifaly amin’ny fihirana isika hoe:
© 2026 by Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved. Natonta tany Etazonia. Fankatoavana ny tamin’ny teny anglisy: 6/19. Fankatoavana ny fandikana: 6/19. Fandikana ny Monthly Liahona Message, April 2026. Malagasy. 20038 654