2025
Ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny fianakaviana mandrakizay
Liahona desambra 2025


“Ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny fianakaviana mandrakizay”, Liahona, des. 2025.

Hafatra isam-bolana avy ao amin’ny Liahona Desambra 2025

Ny drafitr’Andriamanitra ho an’ny fianakaviana mandrakizay

Ireo fianakaviana izay mandray ny drafitr’Andriamanitra sy mitia tahaka ny nitiavan’ny Mpamonjy, ary manaja ny fanekempihavana nataony dia handova “ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay sy ny fahafenoan’ny fifaliana” indray andro any.

sarin’ny Tempolin’i São Paulo Brezila

Rehefa akaiky hifarana ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno nataoko, dia faly aho rehefa nandray ny fanafiana masina sy nofehezina tamin’ireo ray aman-dreniko tao amin’ny Tempolin’i São Paulo Brezila.

Ny ray aman-dreniko, Apparecido sy Mercedes dia avy amina fiaviana ara-pivavahana samy hafa, saingy ny zavatra niainana teo amin’ny fiainan’izy ireo dia nanomana azy ireo hanaiky ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny.

Notezaina tao anatina fianakaviana iray izay tsara fa tsy mpivavaka ny raiko. Kanefa, liana tamin’ny fivavahana izy fony izy zatovolahy. Namaky ny Baiboly izy, nanatrika ireo kilasy fandalinana Baiboly, ary nandalina ny fiainan’i Jesoa Kristy. Nahatonga azy ho liana fatratra tamin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy sy ny fianakaviana ny fandalinany, ka nahatonga azy ho nanana faniriana hanambady olona manana fisainana toa ny azy.

Mifanohitra amin’izany kosa, ny reniko dia avy amina fianakaviana tena mivavaka iray. Nandray ny fitsipiky ny filazantsara izy ireo, nanatrika fotoam-pivavahana tany am-piangonana, ary nampihatra tamim-pahatokiana ny fivavahan’izy ireo. Koa satria lehibe tao anatin’izany tontolo izany, ny reniko dia lasa karazan’olona izay tsy mba nanapaka fanatrehana fivoriam-piangonana mihitsy.

Noho izany, rehefa nivady ireo ray aman-dreniko ary niteraka ahy sy ireo rahalahiko telo dia nanao izay tsara indrindra vitany izy ireo mba hitaizana anay tao anatin’ny fahazavan’ny fahalalan’izy ireo ny fitsipiky ny filazantsara. Indray andro ny nenitoako, izay mpikambana malaindaina tao amin’Ny Fiangonan’I Jesoa Kristy Ho An’ Ny Olomasin’ Ny Andro Farany dia niteny tamin’ny raiko hoe: “.Manana zanaka lahy efatra ianao. Raha tena te hanangana fianakaviana mifantoka amin’i Kristy sy hanana an’ Andriamanitra ao amin’ny fianakavianao ianao dia mila mandeha mivavaka any amin’ny fiangonako.”

Naheno ny zavatra nolazainy ny raiko, saingy tsy nanao na inona na inona izy mandra-pahatongan’ny andro nandalovan’ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno teo amin’ny manodidina anay, nandondona ny varavaranay, ary nanomboka nampianatra anay. Tonga saina haingana izy fa nisolo tena ilay fiangonana izay namporisihan’ny nenitoako azy mba ho hadihadiana izy ireo.

Fahazavana sy Fahamarinana

Iray amin’ireo zavatra izay nahaliana ny ray aman-dreniko tany am-piandohana tamin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ny halehiben’ny toerana hametrahan’ ny Fiangonana ny fianakaviana sy ny fampianarana fa “ny ankamaroan’ny asa famonjena sy fisandratan’Andriamanitra dia tanterahina amin’ny alalan’ny fianakaviana.” Talohan’ny nanaovana batisa azy ireo dia tena talanjona tamin’ny zavatra nianarany ny ray aman-dreniko ka nanasa ny mpifanolobodirindrina mba hiaraka amin’izy ireo hanatrika ireo lesona misiônera.

sarin’ny ray aman-drenin’ny Loholona Soares

Iray amin’ireo zavatra izay nahaliana ny ray aman-dreniko tany am-piandohana tamin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny ny halehiben’ny toerana ametrahan’ny Fiangonana ny fianakaviana.

Rehefa nihaona tamin’ireo misiônera izy ireo, ary nanohy nandalina ny filazantsara taorian’ny batisan’izy ireo, dia nianatra ireo fomba “hitaizana ny zana[ny] amin’ny fahazavana sy ny fahamarinana” sy ny fomba “handaminany [ara-panahy] ny trano[ny]” ireo ray aman-dreniko (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana93:40, 43).

Nianatra izy ireo fa “ny fianakaviana no fototry ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany” ary ny “fahasambarana ao amin’ny fiainam-pianakaviana dia azo tratrarina kokoa rehefa miorina eo amin’ny fampianaran’i Jesoa Kristy Tompo”.

Nianatra izy ireo fa “Ny fanambadiana sy ny fianakaviana mahomby dia aorina sy voatahiry araka ny fitsipiky ny finoana, ny vavaka, ny fibebahana, ny famelan-keloka, ny fanajana, ny fitiavana, ny fiantrana, ny asa, ary ny fialam-boly mahasoa ny tena sy ny fanahy.”

Nianatra izy ireo fa ny fianakaviana dia afaka ny ho mandrakizay ary ny “fiaraha-miaina izay misy eo anivontsika etoana dia hisy eo anivontsika any, saingy izany dia homban’ny voninahitra mandrakizay”(Fotopampianarana sy Fanekempihavanana130:2).

Ary nianatra izy ireo fa “ny tanjona faratampon’ny fampianarana rehetra, ny fiaraha-mientana rehetra ato amin’ny Fiangonana dia ny hahasambatra ny ray aman-dreny sy ny zanany ao an-tokantrano, voafehy amin’ny fanambadiana mandrakizay, ary mifandray amin’ny taranany.”

Noho izany fahalalana izany dia naniry ny hofehezina ho fianakaviana mandrakizay izy ireo.

Maso mibanjina ny Mandrakizay

Rehefa vita batisa ny ray aman-dreniko dia nampihatra ny zavatra nianarany izy ireo, nifindra avy tany amin’izao tontolo izao nankany amin’ny fanjakan’ny filazantsara. Niasa izy ireo mba hampiray ny fianakavianay tamin’ny alalan’ny fanaovana takarivan’ny mpianakavy sy ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina, ny fanatrehana amim-pahatokiana ireo fivoriam-piangonana, ary ny fanaovana ny tantaram-pianakaviana. Noho ny ezaka nataon’izy ireo mba hitoetra ho iray, dia nanantena ny hamorona fianakaviana mifantoka amin’ny drafitry ny famonjena miaraka amin’ny maso mibanjina ny mandrakizay izy ireo.

Tamin’ny taona 1965, ny taona nanaovana batisa ny ray aman-dreniko dia tany Mesa, Arizona, niala teo amin’ny 9.650 km teo ho eo ny tempoly akaiky indrindra an’i São Paulo, Brezila. Lafo loatra ny dia ho an’ny fianakavianay, ka tsy maintsy niandry ny fanokanana ny Tempolin’i São Paulo Brezila tamin’ny 1978 ny ray aman-dreniko vao afaka nandray ireo ôrdônansin’ny tempoly sy nofehezina. Nanao asa fitoriana tany Rio de Janeiro aho tamin’izany fotoana izany.

Roa volana teo ho eo talohan’ny namaranako ny asa fitoriana nataoko tamin’ny febroary 1980, dia nahazo lalana tamin’ny filohan’ny misiônako izaho sy ny mpiara-mitory tamiko hanao dia alina niaraka tamin’ireo mpikambana tao amin’ny tsatòka, niala avy any Rio de Janeiro nankany amin’ny tempolin’i São Paulo mba hahafahako handray ny fanafiana masina sy hofehezina amin’ireo ray aman-dreniko. Tahaka ireo ray aman-dreniko dia niandry taona maro aho mba hahazoana ireo fitahiana nampanantenaina avy amin’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny tempoly.

Nanova ny fahatakarako ny hoavy izany zavatra niainana izany ary nanome ahy ny topimaso voalohany ny amin’ny fahamarinan’ny tenin’ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Hanampy anao hisaina amin’ny fomba selestialy sy hahatakatra tsikelikely momba ny tena maha-izy anao sy izay olona mety hahatongavanao ary ny karazana fiainana mety ho azonao mandrakizay ny fotoana lany ao amin’ny tempoly”.

Ny fotoana fohy nandalovako tao amin’ny tempoly tamin’io fotoana io dia nisy fiantraikany lalina tamin’ny ambin’ny asa fitoriana nataoko. Nisy fiantraikany maharitra teo amin’ny fiainako ihany koa ny fijoroana ho vavolombelona momba ny tempoly sy ny maha-zava-dehibe ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fianakaviana noho izany fahatakarana vaovao izany.

Rehefa nivady izaho sy i Rosana vadiko roa taona taorian’ny asa fitoriana nataoko, dia nofehezina tany amin’ny tempoly izahay ka nanana vina ny hanorina ny fianakavianay mandrakizay manokana. Mba hanatanterahana izany dia niara-niasa izahay mba hamorona fombafomban’ny mpianakavy tahaka ireo izay nampianarin’ny ray aman-dreninay anay, izay nifantoka tamin’ny Mpamonjy sy ny fampianarany ary ny fampianaran’ireo mpaminaniny maoderina avokoa.

Ankehitriny ireo zanakay dia mitaiza ny zanak’izy ireo amin’ny alalan’ireo fitsipiky ny filazantsara momba ny fahasambarana ireo ihany koa. Ho anay dia manan-danja ny fianakaviana satria takatray ny maha-ivo ny fianakaviana ao amin’ny drafitr’Andriamanitra.

Amin’ny maha-Manampahefana Ambony ahy dia nahazo fahafahana namehy ireo zanako telo tamin’ny vadin’izy ireo tany amin’ny tempoly aho. Traikefa mahafinaritra tokoa ny nijery ny mason’izy ireo tamin’ny fotoana nandohalihany teo amin’ny alitara tao amin’ny tempoly. Afaka nahita ny taranako voatahy tamin’ny alalan’ireo fitsipiky ny filazantsara izay nampianarin’ny ray aman-dreniko ahy ka nampianarinay sy i Rosana ireo zanakay ihany koa aho. Afaka nahita ireo fitahiana ireo mitohy amin’ny taranaka hoavy aho. Ary nampahatsiahivina ahy hoe iza no mahatonga izany rehetra izany ho tanteraka.

Kisary vongana kely isan-karazany maneho ny Fahaterahan’i Jesoa Kristy mipetraka eo ambony talantalana

Fampahatsiahivana momba ny krisimasy

Ny fianakaviana no ivon’ny drafitr’Andriamanitra momba ny fahasambarana , saingy raha tsy misy an’i Jesoa Kristy Mpamonjy, dia tsy ho azo tanterahina izany drafitra izany. Ny Sorompanavotany sy ireo ôrdônansy sy fanekempihavanana hita ao amin’ny filazantsarany dia mahatonga ny fampanantenana ny fisandratana ho tanteraka.

Nanambara ny Filoha Nelson fa: “Raharahan’ny mpianakavy ny fisandratana. Amin’ny alalan’ireo ôrdônansin’ny famonjena ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy irery ihany no hahafahan’ny fianakaviana mahazo fisandratana. Ny fiafarana tsara indrindra izay ezahantsika hotratrarina dia ny hoe lasa sambatra isika ao anatin’ny fianakaviana, mahazo fanafiana masina, voafehy, ary vonona ny hahazo ny fiainana mandrakizay eo anatrehan’ Andriamanitra.”

Rehefa mitsidika toerana tsy mbola hitako taloha aho dia miezaka mitady ireo kisary vongana kely maneho ny Fahaterahan’i Jesoa Kristy izay mampahatsiahy ahy sy Rosana an’i Mpamonjy. Manangona sy mitahiry azy ireny aho.

Indray andro raha nandinika ireo kisary vongana kely manetry tena maneho ny Fahaterahan’i Jesoa Kristy ireo izaho sy ny vadiko dia nisaintsaina izahay ny amin’ny hoe: “Inona no tena manan-danja indrindra eo amin’ny fiainantsika?” Ny valiny, mazava ho azy, dia ny Mpamonjy sy ny filazantsarany ary ny fianakavianay. Mba hampahatsiahivana anay ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra anay sy mba hahatsiarovana fa amin’ny alalan’ny Mpamonjy no mahatonga ny fampanantenana ny fianakaviana mandrakizay ho tanteraka, taona vitsy lasa izay mialoha ny Krismasy dia napetrakay teo ambony talantalana roa lehibe ao an-tranonay avokoa ireo kisary vongana kely maneho ny Fahaterahan’i Jesoa Kristy rehetra; ary navelanay teo foana ireo fa tsy nampirimina na dia efa tapitra aza ny fialan-tsasatry ny Krismasy. Izany fombafomba izany dia manampy anay hihazona ny fanahin’ny Krismasy ao an-tokantranonay mandritra ny taona iray manontolo.

Isan’andro rehefa mijery ireo kisary vongana kely maneho ny Fahaterahan’i Jesoa Kristy ireo izahay dia mampahatsiahy anay mangingina ny anjara asa fototry ny Mpamonjy eo amin’ny fiainanay izy ireo. Mampahatsiahy anay izy ireo fa ny fiadanana eto an-tany amin’izao fotoana izao (jereo ny Lioka 2:14) sy ny fahasambarana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy dia miankina amin’ny Mpamonjy sy ny fanajana ireo fanekempihavanana nataonay Taminy. Ary mampahatsiahy anay izy ireo hoe: “Fa tonga teo amin’izao tontolo izao Izy, dia i Jesoa, mba hohomboana ho an’izao tontolo izao sy hitondra ny fahotan’izao tontolo izao, ary mba hanamasina izao tontolo izao sy hanadio izany amin’ny tsy fahamarinana rehetra;

Mba ho amin’ny alalany no hahazoana mamonjy ny rehetra izay efa napetraky ny Ray ho eo ambany heriny sy efa nohariany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:41–42).

Tahaka ny nianaranay ireo fahamarinana ireo avy amin’ny ray aman-dreninay dia niezaka nampita izany tamin’ireo zanakay izaho sy i Rosana. Ankehitriny ireo zanakay dia mampianatra ireo fahamarinana ireo ihany koa amin’ny zanak’izy ireo. Ireo voa izay nambolena tao am-pon’ny ray aman-dreniko 60 taona lasa izay, tao an-tranokelinay tany Brezila dia namony sy namoa voa “izay tena sarobidy, izay mamy manoatra noho ny rehetra izay mamy, ary izay fotsy manoatra noho ny rehetra izay fotsy, eny, ary madio manoatra noho ny rehetra izay madio” (Almà32:42).

Mijoro ho vavolombelona aho fa ireo izay mandray ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fianakaviana, mitia tahaka ny nitiavan’ny Mpamonjy, ary manaja ny fanekempihavanana nataony, dia handova “ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay sy ny fahafenoan’ny fifaliana indray andro any” miaraka amin’ireo olona akaikin’ny fony sy miaraka amin’ny Ray sy ny Zanaka.