2025
Fanekempihavanana, hery, ary fampanantenana
Liahona ôktôbra 2025


“Fanekempihavanana, hery, ary fampanantenana”, Liahona, ôkt. 2025.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Liahona, ôktôbra 2025

Fanekempihavanana, hery, ary fampanantenana

Ny tempoly no ivon’ny hery sy ny fiarovana nampanantenaina an’ireo mahatoky mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy Tompo Fanindroany.

sary maneho an’i Joseph Smith mijoro eo anoloan’ny Tempolin’i Kirtland

Sary maneho an’i Joseph Smith nataon’i Dan Burr

Tamin’ny 11 mey 1833 dia nanao dia avy tany amin’ny faritra avaratr’i New York nankany Kirtland, Ohio i Asahel Perry raiben’ny raiben’ny raibeko sy ny namana vitsivitsy. Tsy mpikamban’ilay Fiangonana vao naverina tamin’ny laoniny izy ireo saingy naniry ny hihaona tamin’ny Mpaminany Joseph Smith. Tonga ara-potoana tsara izy ireo mba hanatrika ilay filankevitra notanterahina voalohany mba hiresahana mikasika ny fanorenana ny Tempolin’i Kirtland.

Taorian’ny fanombohana ny filankevitra dia nanolotra ny raharaha miandry mahakasika ny fanorenana ny tempoly ny Mpaminany. Avy eo izy dia nangataka an’ireo izay nanatrika tao mba haneho ny zavatra tsapan’izy ireo mikasika izany asa goavana izany. Namaly ny ankamaroan’izy ireo fa mahantra loatra ny Fiangonana ka tsy afaka ny hanatanteraka asa toa izany. Nanolotra hevitra ny hanorenana trano kely kokoa sy tsy mandany vola loatra izy ireo.

Nandritra ny fifanakalozan-kevitra manaraka dia nivory i dadabe Perry sy ireo namany ka namoaka ny volan’izy ireo ary nanisa dia nanambatra izany. Moa ve ampy ny volan’izy ireo hiverenany hody ary hanolorana anjara biriky ho an’ny fanorenana ny tempoly? Minitra vitsy taty aoriana dia nanatona an’i Joseph Smith ny raibeko ka namoaka vola madinika volamena dimy dôlara ary natolony ny Mpaminany izany. (Mitentina an-jatony dôlara ny vola madinika toa izany amin’izao fotoana izao!)

Nijoro teo anoloan’ny filankevitra i Joseph ary nihazona ilay vola madinika. Avy eo rehefa niteny tamin-kery izy dia nilaza fa “efa nanomboka ny asa ary ny Tranon’ny [Tompo] dia haorina araka ilay lamina natolotr’i” Jesoa Kristy Tompo.

Tsy ela dia niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tany Kirtland ny fianakaviana Perry, sy nandray ireo fitahian’ny tempoly ho azy ireo taona vitsy taty aoriana tao amin’ny tempolin’i Nauvoo, ary namakivaky ny lohasahan’i Utah taty aoriana.

Rehefa tonga ny fotoana nanokanana ny Tempolin’i Kirtland tamin’ny taona 1836, dia kely loatra izany ka tsy omby an’ireo Olomasin’ny Andro Farany rehetra izay naniry ny hanatrika ny fanokanana. Rehefa nitombo ny Fiangonana dia nitombo koa ny isan’ireo Olomasina izay tsy maintsy nanatrika ireo fivoriana tany ivelan’ny trano fiangonana. Ny Filoha James E. Faust (1920–2007), izay filohan’ny tsatòkako fony aho zatovolahy ary mpanoro hevitra ahy rehefa voantso ho Manampahefana Ambony aho tamin’ny 2007, dia nanao izao fanamarihana izao mikasika ny tempoly faharoa an’ny Fiangonana:

“Talohan’ny nahavitan’ny Tempolin’i Nauvoo tamin’ny taona 1846, dia nivory teny ivelan’ny trano fiangonana ireo Olomasina, ka matetika izy ireo no teo akaikin’ny tempoly mba ho afaka ny hihaino an’i Joseph sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana niteny. Indraindray, olona an’arivony no nanatrika izany fivoriana izany”, ary indraindray tao anatin’ny toetr’andro ratsy mihitsy aza.

“Nanao fanamarihana tamin’ilay fombany feno vazivazy ny [Loholona] George A. Smith hoe: ‑Tamin’ny andron’ny Mpaminany Joseph … dia tena niroborobo fatratra [ny Fiangonana] tany ivelan’ny trano‑”.

Feno fankasitrahana isika amin’izao androntsika izao fa miroborobo any ivelany sy ao anatiny ary manerana izao tontolo izao Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Izany firoboroboana izany dia ahitana ny fanorenana tempoly amin’ny hafainganana tsy nisy toa izany “araka ny lamina natolotra”. Lamina iray izay nahitana hatrany fitahiana, fanokanana, finoana ary fahafoizan-tena.

sary maneho ny Tempolin’i Kirtland

A Glorious Light—Kirtland Temple [Hazavana lehibe—Tempolin’i Kirtland], nataon’i Glen S. Hopkinson, tsy azo adika

Nahoana no manorina tempoly maro dia maro?

“Ireo olona nialoha lalana antsika dia naminany fa hameno ireo faritany taza-mason’i Amerika Avaratra sy i Amerika Atsimo, sy ireo nosy any amin’ny faritra Pasifika sy an’i Eorôpa ary ireo faritra hafa ny tempoly,” hoy ny Filoha Eza Taft Benson (1899–1994) taona maro lasa izay. “Raha ilaina tanterahina hatrany amin’ilay ambaratonga tokony hisy azy ity asa fanavotana ity, dia hilaina ny fanorenana tempoly an-jatony maro”.

Nilaza ny filoha Russell M. Nelson fa manorina tempoly amin’ny hafainganana tsy mbola nisy toa izany isika amin’izao fotoana izao “satria asain’ny Tompo manao izany isika. Manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely eo amin’ny lafy roan’ny voaly ireo fitahiana entin’ny tempoly. Manampy amin’ny fanomanana olona izay hanomana izao tontolo izao amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany koa ireo fitahiana ireo!”

Tao anatin’ny vavaka fanokanana nataony ho an’ny Tempolin’i Kirtland dia nivavaka i Joseph Smith “mba hahatsapa ny herinao ny olona rehetra izay miditra ny tokonam-baravaran’ny tranon’ny Tompo. …

“Ary mangataka Anao izahay, Ray Masina ô, mba hahazoan’ireo mpanomponao mivoaka avy amin’ity trano ity mitondra ny herinao ho fiadiana, ary mba ny anaranao no ho amin’izy ireo, ary ny voninahitrao no hanodidina azy ireo, ary ny anjelinao no hikarakara azy ireo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:13, 22; nampiana fanamafisana; jereo koa ny andininy 23).

Rehefa namaky ireo andinin-tsoratra masina ireo aho dia mahatsiaro ny fahitana hitan’i Nefia momba ny andro farany. Jereo ny fitovitovian’ny teny nampiasaina: “Ary ny zava-nitranga, izaho Nefia dia nahatazana ny herin’ny Zanakondrin’ Andriamanitra, fa izany dia nidina tamin’ny olomasin’ny fiangonan’ny Zanakondry sy tamin’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo izay naely patrana tamin’ny lafiny rehetra tamin’ny tany ary nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe” (1 Nefia 14:14; nampiana fanamafisana).

Izaho dia mino fa ireo tempoly amin’izao andro farany izao dia manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fanatanterahana ny faminanian’i Nefia ary ivon’ny fiarovana sy hery nampanantenaina an’ireo mahatoky mialoha ny Fiaviana Fanindroany.

Taona maro lasa izay, fony aho evekan’ny paroasy iray tao amin’ny oniversite, dia talanjona tamin’ny tovovavy iray tao amin’ilay paroasy nosahaniko aho. Mbola talanjona aminy foana aho hatramin’izao. Ny Filoha Emily Belle Freeman, Filohan’ny Zatovovavy maneran-tany no ahafantaranareo azy. Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany iray vao haingana dia nampianatra izy fa manondrotra antsika ho any amin’ny haavo ara-panahy ambony kokoa i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny tempoly.

“Isaky ny mandingana ny tokonam-baravaran’ny tranony aho, dia miaina fifandraisana mifono fanekempihavanana lalina kokoa miaraka Aminy”, hoy ny Filoha Freeman. “Hamasinina amin’ny Fanahiny aho, tafina amin’ny heriny, ary atokana mba hanorina ny fanjakany”.

Hery nampanantenaina

Ny Filoha Nelson dia niresaka matetika momba ny fahazoana ny herin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ireo fanekempihavanan’ny tempoly. “Ny miara-miasa amin’ny Mpamonjy dia midika fa afaka mahazo ny heriny izay mampatanjaka sy manavotra ianareo”, hoy izy. Nampianatra izao koa ny Filoha Nelson:

“Rehefa mitandrina ny fanekempihavanantsika tany amin’ny tempoly isika, dia mahazo misimisy kokoa amin’ny hery mampatanjaky ny Tompo. Mahazo fiarovana amin’ny fampijalian’izao tontolo izao isika ao amin’ny tempoly”.

“Ireo ôrdônansin’[ny Mpamonjy] izay tena ilaina dia mampifamatotra antsika Aminy amin’ny alalan’ny fanekempihavanan’ny fisoronana masina. Avy eo, rehefa mitandrina ireo fanekempihavanantsika isika dia hotafiny amin’ny heriny manasitrana sy mampatanjaka. Ary tena hilaintsika tokoa ny heriny amin’ireo andro ho avy”.

“Ny hery ara-tsaina hanao ny tsara sy ny hery ara-panahy izay ilain’ny olontsika amin’izao fotoana izao ary any aoriana any dia ilay herin’ Andriamanitra Ray sy ny Zanany, Jesoa Kristy. Mahazo ny herin’ Izy Ireo isika amin’ny alalan’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Izy Ireo sy ny fitandremana izany”.

Manan-danja ny hery avy any an-danitra ry rahalahy sy anabavy noho isika miaina ao anatin’ny tontolo iray feno faharatsiana. Raha tsy manana izany hery izany isika dia tsy ho afaka ny “[h]ahatanty ny andro hihaviany” na “[h]ahajanona raha miseho Izy” (Malakia 3:2). Tsy fantatsika ny fotoana hitrangan’izany, saingy ilay iraka avy Aminy dia efa nirahina “hanamboatra làlana” ho an’ny fiaviany (Malakia 3:1). Etsy ankilany kosa dia tsy misosa milamina mankany amin’izany andro izany izao tontolo izao:

Mila ilay hery nampanantenaina ny mahatoky isika mba hanampy antsika:

  • Hamela an’ Andriamanitra hanjaka eo amin’ny fiainantsika.

  • Hibebaka sy hanakaiky ny Tompo.

  • Hitondra fitahiana, hankahery, hitarika ary hanompo.

  • “[Hiatrika] amin’ny fomba tsara kokoa ireo fitsapana sy ireo fakam-panahy ary ireo ratram-po mianjady amintsika” (jereo ny Môzià 3:19).

  • Hahita fiadanana sy fifaliana ao amin’i Kristy eo am-pandehanantsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

  • Hiomana “amin’ny andro fandorana” sy “amin’ny antambon’ny olon-dratsy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 109:46).

  • Hanatanteraka ny asan’ny Tompo alohan’ny Fiaviany Fanidroany.

Tempolin’i Tucson Arizona

Sarin’ny tafo boriborin’ny Tempolin’i Tuscon Arizona nataon’i James Whitney Young

Mpiambina ny famonjena

Ny asan’ny Ray any An-danitra sy ny voninahiny dia ny “manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona” (Mosesy 1:39). Ny tempoly tsirairay dia toa ny mpiambina ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra eto an-tany izay manondro ny anjara asa fototry ny Mpamonjy ao amin’izany asa sy voninahitra izany.

Miaraka amin’ny heriny ho fiadiana, ny lehilahy sy vehivavy mitandrina fanekempihavanana, na manambady na tsy manambady izay mitandrina amim-pahatokiana ireo fanekempihavanan’ny tempoly, dia ho voatahy eto amin’ity fiainana ity sy any amin’ny fiainana ho avy.

Nampanantena ny Filoha Nelson hoe: “Ny tanjona ifoforantsika tsirairay dia ny mba handray hery ao amin’ny tranon’ny Tompo, mba hofehezina amin’ny maha-fianakaviana, ary mba ho mahatoky amin’ireo fanekempihavanana natao tany amin’ny tempoly izay ahafahantsika mahazo ilay fanomezana faran’izay lehibe avy amin’ Andriamanitra, dia ny fiainana mandrakizay. Ireo ôrdônansin’ny tempoly sy ireo fanekempihavanana ataonao any dia zava-dehibe eo amin’ny fanamafisana orina ny fiainanao, ny fanambadianao sy ny fianakavianao, ary ny fahafahanao manohitra ny fanafihan’ny fahavalo. Ny fitsaohana ataonao any amin’ny tempoly sy ny asa fanompoana ataonao any ho an’ny razambenao dia hanome fanambarana ho an’ny tena manokana sy fiadanana bebe kokoa ho anao ary hanamafy orina ny fanolorantenanao hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana”.

Mijoro ho vavolombelona aho amin’ny maha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo ahy fa marina ireo zavatra ireo.