2019
Na inona re miseho, mitoera eto!
Nôvambra 2019


Na inona re miseho, mitoera eto!

Mijoro ho vavolombelona aho fa “na inona re miseho,” dia hitoetra hiaraka amintsika ny Tompo ary “[ireo fahoriana dia afaka ny] ho voatelina ao amin’ny fifalian’i Kristy.”

Ny iray amin’ireo hira tena tiantsika ao amin’ny fihirana dia maneho fiangaviana hoe “Na inona re miseho, mitoera eto!”1 Indray mandeha aho nandeha fiaramanidina ary nanakaiky oram-baratra lehibe iray izany. Rehefa nijery teo am-baravarankely aho dia afaka nahita rahona matevina teo ambaninay. Ireo taratry ny masoandro madiva hilentika dia nitaratra ireo rahona, ka nampamirapiratra fatratra izany. Vetivety anefa dia nidina tao anatin’ireo rahona matevina ilay fiaramanidina ka voahodidin’ny haizina mikitroka tampoka izahay izay nampanjavona tao an-tsainay ilay hazavana lehibe vao hitanay teo.2

Taratry ny masoandro madiva hilentika
Rahona mainty

Mety hipoitra eo amin’ny fiainantsika koa ny rahona mainty, izay afaka hanakana antsika tsy hahita ny hazavan’ Andriamanitra ary mety hahatonga antsika hanontany tena aza raha mbola misy ho antsika izany hazavana izany. Ny sasany amin’ireo rahona ireo dia mety ho harerahan-tsaina, tebiteby, ary ireo endrika hafan’ny aretina ara-tsaina sy ara-pihetsehampo. Mety hampisafotofoto ny fahitanao ny tenanao sy ny hafa ary an’ Andriamanitra mihitsy aza izany. Ianjadian’izany ireo lehilahy sy vehivavy maro amin’ny sokajin-taona rehetra manerana an’izao tontolo izao.

Manimba koa ny fitsaratsarana sy ny fiahiahiana izay rahona mampihena herin-dretsika, ka mety hisy fiantraikany eo amin’ireo hafa izay tsy mbola niaina ireo olana ireo. Toy ny faritry ny vatana rehetra, ny atidoha dia mety ianjadian’ny aretina, fihotakotahana ary fikorontanana ara-tsimika. Rehefa marary ny saintsika, dia afaka mikatsaka fanampiana avy amin’ Andriamanitra isika, sy avy amin’ireo manodidina antsika ary avy amin’ireo matihanina eo amin’ny fitsaboana ny saina.

“Ny olombelona rehetra—lahy sy vavy—dia nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra. Ny tsirairay dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra, ary araka izany, ny tsirairay dia samy manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra.”3 Tahaka ireo Ray aman-drenintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy antsika, dia manana vatana isika4 ary mandalo toe-javatra mampihetsi-po.5

Ry rahavavy malalako, tsy maninona mihitsy ny mahatsapa hoe malahelo na mikorontan-tsaina indraindray. Ny alahelo sy ny tebiteby dia fihetsehampo ara-boajanahary ao amin’ny olombelona.6 Saingy raha toa isika ka malahelo foana ary raha toa ny alahelontsika misakana ny fahafahantsika hahatsapa ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany ary ny fitarihan’ny Fanahy Masina, dia mety ianjadian’ny harerahan-tsaina na tebiteby na karazana korontana ara-pihetsehampo iray hafa isika.

Nanoratra indray mandeha ny zanako vavy hoe: “Nisy fotoana aho nahatsapa alahelo lalina foana. Nihevitra aho hatrizay fa zavatra mahamenatra ny hoe malahelo ary mariky ny faharefoana izany. Noho izany dia notazomiko ho ahy ny alaheloko. … Nahatsapa ho tsy nanan-danja aho.”7

Toy izao no namaritan’ny namana iray an’izany: “Efa hatrany amin’ny fahazazako aho no nitolona tsy tapaka tamin’ny fananana fahatsapana ho very fanantenana, ho latsaka anaty haizina, ho manirery sy fahatsapana tahotra ary fieritreretana ho trotraka na be fahalemena. Nataoko izay azo natao rehetra mba hanafenako ny fahoriako sy mba tsy hampisehoana velively fa izaho dia olona mifanohitra amin’ny hoe mahomby sy matanjaka.”8

Ry namako malala, mety mitranga amintsika rehetra izany, indrindra rehefa mametraka vesatra tsy ilaina eo amintsika isika, amin’ny maha-mpino ny drafitry ny fahasambarana antsika, ka mieritreritra fa mila lavorary izao dia izao isika. Mety hampaosa ny eritreritra toy izany. Mifono dingana arahina ny fanatratrarana ny fahalavorariana izay hiseho mandritra ny fiainantsika eto an-tany sy any ankoatra ary amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy irery ihany.9

Kanefa rehefa miresaka mikasika ireo olana ara-pihetsehampo atrehantsika isika, ary miaiky fa tsy lavorary, dia manome fahafahana ny hafa hizara ny olana atrehan’izy ireo isika. Miara-mahafantatra isika fa misy ny fanantenana ary tsy tokony hizaka fijaliana irery isika.10

Fanantenana ny Fiaviana Fanindroany

Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia nanao fanekempihavanana isika fa “hifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay” ary “hiara-malahelo amin’izay malahelo.”11 Izany dia mety ahitana ny fahazoana fampahalalana momba ireo aretina ara-pihetsehampo, ny fitadiavana loharano izay afaka manampy amin’ny fiatrehana ireo olana ireo ary amin’ny farany ny fitondrana ny tenantsika sy ny hafa eo amin’i Kristy ilay Mpanasitrana Lehibe.12 Na dia tsy fantatsika aza ny fomba hahatakarana ireo zavatra zakain’ny hafa, ny fanekena fa tena miaina fanaintainana izy ireo dia efa dingana voalohany iray manan-danja eo amin’ny fitadiavana fanohanana sy fahasitranana.13

Ao anatin’ireo tranga sasantsasany, dia fantatra ny antony mahatonga ilay harerahan-tsaina na fitebitebena, ary indraindray mety sarotra ny mamantatra izany.14 Mety marary ny atidohantsika noho ny rarin-tsaina15 na ny harerahana mafy,16 izay indraindray azo sitranina amin’ny alalan’ny fandaminana eo amin’ny sakafo hohanina sy ny torimaso ary ny fanaovana fanatanjahan-tena. Indraindray dia mety ilaina koa ny fitsaboana eo ambany fitarihan’ireo mpitsabo matihanina.

Ny aretina ara-tsaina sy ara-pihetsehampo tsy voatsabo dia mety hitondra any amin’ny fitokana-monina bebe kokoa, tsy fifankahazoan-kevitra, faharavan’ny fifandraisana amin’ny hafa, fanimban-tena ary famonoan-tena mihitsy aza. Fantatro tsara izany satria maty namono tena ny raiko taona maro lasa izay. Nandona mafy ny foko sy ny an’ny fianakaviako ary nahavaky fo anay ny fahafatesany. Nila taona maro aho namafana ny alaheloko, ary vao haingana aho no nahafantatra fa ny firesahana araka ny tokony ho izy momba ny famonoan-tena dia tena manampy amin’ny fanakanana izany fa tsy hoe manampy amin’ny famporisihana izany.17 Efa niresaka malalaka tsara mikasika ny nahafatesan’ny raiko tamin’ny zanako aho ary nahita ny fahasitranana izay azon’ny Mpamonjy atolotra eo amin’ny lafy roan’ny voaly.18

Indrisy anefa fa maro amin’ireo izay ianjadian’ny harerahan-tsaina mafy no manalavitra an’ireo Olomasina namany satria mahatsapa ho tsy manana ilay karazana toetra izay foronon’ny saina aman’eritreritra izy ireo. Afaka manampy azy ireo isika hahafantatra sy hahatsapa fa tena anisan’ny miaraka amintsika izy ireo. Zava-dehibe ny mahafantatra fa ny harerahan-tsaina dia tsy vokatry ny fahalemena, na hoe mazàna dia vokatry ny fahotana.19 “Mihombo izany rehefa hafenina fa mihena kosa rehefa mahazo fampaherezana avy amin’ny hafa.”20 Rehefa miaraka isika dia afaka mandrava ireo rahon’ny fitokana-monina sy ny fanilihan’ny mpiara-monina ka hiala ny vesatry ny fahamenarana ary afaka ny hitranga ireo fahagagan’ny fahasitranana.

Nandritra ny asa fanompoany teto an-tany dia nanasitrana ny marary sy ny malahelo i Jesoa Kristy, saingy nila nampihatra finoana Azy ny olona tsirairay ary nandray andraikitra mba hahazoana ny fanasitranany. Nandeha an-tongotra lavitra ny sasany, naninjitra ny tanany ny hafa mba hikasihana ny akanjony ary tsy maintsy nolanjaina nankeo Aminy ny hafa mba hositranina.21 Raha resaka fanasitranana, moa ve isika rehetra tsy mila mafy Azy daholo? “Moa tsy mpangataka avokoa va isika?”22

Ndeha isika hanaraka ny lalan’ny Mpamonjy sy hampitombo ny fangorahantsika, hanena ny fironana any amin’ny fitsaratsarana, ary hitsahatra tsy ho mpidikiditra amin’ny fiainam-panahin’ny hafa. Ny fihainoana amim-pitiavana dia iray amin’ireo fanomezana izay azontsika atolotra, ary isika dia mety ho afaka hanampy amin’ny fitondrana na fanesorana ireo rahona mavesatra izay manempotra ireo olon-tiantsika sy namantsika23 ka amin’ny alalan’ny fitiavana asehontsika dia afaka indray hahatsapa ny Fanahy Masina sy hahita ilay hazavana avy amin’i Jesoa Kristy izy ireo.

Raha toa ianao ka voahodidin’ny “zavon’ny haizina”24 foana dia mitodiha any amin’ny Ray any An-danitra. Tsy misy zavatra hafa efa niainanao izay afaka manova ilay fahamarinana mandrakizay hoe, zanany ianao ary tiany ianao.25 Tsarovy fa i Kristy dia Mpamonjy sy Mpanavotra anao ary Andriamanitra dia Rainao. Manana fahatakarana an-tsaina izy ireo. Alaivo sary an-tsaina izy ireo hoe akaiky anao, mihaino sy manolotra fanohanana.26 “Hampionon’[izy ireo] amin’ny fahorianareo ianareo.”27 Ataovy izay vitanao ary matokia an’ilay fahasoavana manavotry ny Tompo.

Tsy mamaritra ny momba anao ireo olana atrehanao fa afaka manadio anao kosa.28 Noho “ilay tsilo [natsatoka teo amin’ny nofo],”29 dia afaka manana fahafahana haneho fangorahana bebe kokoa ny hafa ianao. Rehefa tarihin’ny Fanahy Masina, dia zarao ny tantaranao mba “[hamonjena] ny osa, [hampiakarana] ny tanana izay miraviravy ary [hampatanjahana] ny lohalika malemy.”30

Ho an’ny sasany amintsika izay mandalo olana amin’izao fotoana izao na manohana olona izay mandalo olana, dia aoka isika ho vonona hanaraka ireo didin’ Andriamanitra mba hananantsika mandrakariva ny Fanahiny miaraka amintsika.31 Aoka isika hanao “ireo zava-madinika sy tsotra”32 izay hanome antsika tanjaka ara-panahy. Hoy ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Tsy misy na inona na inona manokatra ny lanitra tahaka ny fitambaran’ny fahadiovana lehibe, ny fankatoavana marina, ny fikatsahana amin-kitsim-po, ny fivokisana isan’andro amin’ny tenin’i Kristy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ary ny fanokanana fotoana matetika hanaovana asa any amin’ny tempoly sy tantaram-pianakaviana.”33

Ny Mpamonjy manasitrana

Aoka isika hahatsiaro fa i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika dia “[naka] ny rofintsika teo Aminy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po araka ny nofo, mba hahafantarany … ny fomba hanampiana [antsika] arakaraka ny rofin[tsika].”34 Tonga mba “hanasitrana ny torotoro fo Izy, … hampionona ny malahelo rehetra; … hanome azy hamama ho solon’ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon’ny fahalelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ny fanahy reradreraka.”35

Ny Fiaviana Fanindroany

Mijoro ho vavolombelona aho fa “na inona re miseho,” dia hitoetra hiaraka amintsika ny Tompo ary “[ireo fahoriana dia afaka ny] ho voatelina ao amin’i Kristy,”36 ary “noho ny fahasoavana no hamonjena antsika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao.”37 Mijoro ho vavolombelona aho fa i Jesoa Kristy dia hiverina eto an-tany “miaraka amin’ny fanasitranana ao amin’ny elany.”38 Farany, Izy dia “hamafa ny ranomaso rehetra amin’ny masontsika; ary tsy hisy … alahelo [intsony].”39 Ho an’izay rehetra “[manatona] an’i Kristy [sy] hatao tanteraka ao Aminy,”40 dia “tsy hilentika intsony ny [masoandro] … fa ny Tompo no ho fanazavana [antsika] mandrakizay, ary ho tapitra ny andro fahalahelovan[tsika].”41 Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. “Reste avec nous, Seigneur” Cantiques, no. 92.

  2. Rehefa teny ambonin’ireo rahona izahay dia tsy afaka nahita ilay haizina nitoetra tsy lavitra tao ambaninay, ary rehefa rakotr’ilay haizina tao ambany izahay dia sarotra ny nahita ny famirapiratry ny masoandro izay namiratra tsy lavitra teo amboninay.

  3. Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,Liahona, mey 2017, 145.

  4. “Ny fanahy sy ny vatana no atao hoe olona velona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:15). “Tempolin’ny fanahinao ny vatanao. Ary ny fomba ampiasanao ny vatanao dia hiantraika any amin’ny fanahinao” (Russell M. Nelson, “Fanapahan-kevitra ho an’ny mandrakizay,” Liahona, nôv. 2013, 107).

  5. Jereo mba hahitana ohatra ny Isaia 65:19; Lioka 7:13; 3 Nefia 17:6–7; Mosesy 7:28. Ny fahaizana mamantatra sy manome lanja ireo fihetsehampontsika dia afaka manampy antsika hampiasa azy ireo amin’ny fomba tsara mba hitoviantsika bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.

  6. Jereo ny “Sadness and Depression,” kidshealth.org/en/kids/depression.html.

  7. Blog an’i Hermana Elena Aburto, hermanaelenaaburto.blogspot.com/2015/08. Nanoratra koa izy hoe:

    “Izany fitsapana izany dia nanome ahy fahafahana tena hampihatra ny finoako ny drafitry ny famonjena. Satria fantatro fa tia ahy ny Raiko any An-danitra, ary nanana drafitra ho ahy manokana izy, ary i Kristy dia nahatakatra tsara ny zavatra niainako”.

    “Tsy manao izay hahamenatra anao Andriamanitra rehefa misy fahaiza-manao tsy anananao. Fifaliana ho azy ny manampy anao hivoatra sy hibebaka. Tsy manantena antsika hanamboatra ny zavatra rehetra ao anatin’ny indray mandeha Izy. Tsy voatery manao izany irery ianao” (iwillhealthee.blogspot.com/2018/09).

  8. Taratasy avy amin’ny olona iray manokana. Nanoratra koa izy hoe: “Ilay balsama manasitran’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjiko dia loharanom-piadanana sy fialofana lehibe ho ahy foana nandritra ny diako. Rehefa nahatsapa ho irery aho tao anatin’ny fijaliako dia nahatsiaro fa efa niaina teo amin’ny toerako an’izao zavatra lalovako izao Izy. … Mampisy fanantenana lehibe ny fahafantarana fa ilay vatako any aoriana izay tonga lafatra sy nitsangana tamin’ny maty dia tsy hianjadian’izao [fijaliana] azo eto an-tany izao.”

  9. Jereo ny Russell M. Nelson, “Perfection Pending,,” Ensign, Nov. 1995, 86–88; Jeffrey R. Holland, “Aoka ho tanteraka ianareo, amin’ny farany,” Liahona, nôv. 2017, 40–42; J. Devn Cornish, “Manana fahatsarana ampy ve aho? Ho tonga any ve aho?Liahona, nôv. 2016, 32–34; Cecil O. Samuelson, “What Does It Mean to Be Perfect?New Era, Jan. 2006, 10–13.

  10. Zava-dehibe ny firesahana mikasika ireo zavatra ireo amin’ny zanatsika sy ny fianakaviantsika ary ireo namantsika any an-tokantranontsika sy any amin’ny paroasintsika ary eo amin’ny fiarahamonina misy antsika.

  11. Môzià 18:8–9.

  12. Jereo ny Russell M. Nelson, “Jesus Christ—the Master Healer,,” Liahona, Nov. 2005, 85–88; Carole M. Stephens, “Ilay Mpanasitrana Lehibe,” Liahona, nôv. 2016, 9–12.

  13. Manampy ny famantarana marika sy fambara eny amintsika sy eny amin’ny hafa. Isika koa dia afaka mianatra mamantatra fieritreretana diso na tsy mahasalama sy mianatra ny fomba hanoloana izany amin’ny fieritreretana araka ny tokony ho izy sy mahasalama.

  14. Ny harerahan-tsaina koa dia mety vokatr’ireo fiovana mahasoa eo amin’ny fiainana, toy ny fahaterahan’ny zaza iray na fahazoana asa vaovao iray ary mety hitranga rehefa mandeha tsara ny fiainan’ny olona iray.

  15. Jereo ny “Understanding Stress,” Adjusting to Missionary Life (2013), 5–10.

  16. Jereo ny Jeffrey R. Holland, “Tahaka ny vilany ariana,,” Liahona, nôv. 2013, 40.

  17. Jereo Dale G. Renlund, “Understanding Suicide” (video), ChurchofJesusChrist.org; “Talking about Suicide” (video), ChurchofJesusChrist.org; Kenishi Shimokawa, “Mahatakatra ny anton’ny famonoan-tena: ireo famantarana mampitandrina sy ny fisorohana,Liahona, Ôkt. 2016, 35–39.

  18. “Ny fiantombohan’ny fahasitranana dia mitaky finoana tahaka ny an’ny ankizy an’ilay toe-javatra tsy miovaova hoe, ny Ray any An-danitra dia tia anao ary manome anao fomba mba hahasitranana. I Jesoa Kristy, Zanany Malalany, dia nanolotra ny ainy mba hanomezana izany fanasitranana izany. Kanefa tsy misy ny vahaolana mahagaga, na zavatra tsotra ahosotra mba hahasitrana, na lalana tsotra hitondra any amin’ny fahasitranana tanteraka. Ny fahasitranana dia mitaky finoana lalina an’i Jesoa Kristy sy ny fahafahany manasitrana tsy misy fiafarana” (Richard G. Scott, “Hanasitrana ny vokatry ny fanararaotana ara-nofo izay manimba,,” Liahona, mey 2008, 42). Rehefa mahita olana isika dia ny hamaha izany no ao an-tsaintsika. Tsy voatery ho lasa mpamaha ireo olan’ny tenantsika na ny an’ny hafa anefa isika. Tsy voatery ataontsika irery ny zava-drehetra. Mihoatra ny indray mandeha aho teo amin’ny fiainako no nanatona mpitsabo mba hanampy ahy tamin’ny fiatrehana fotoan-tsarotra.

  19. Jereo ny Jaona 9:1–7.

  20. Jane Clayson Johnson Silent Souls Weeping (2018), 197.

  21. Jereo ny Matio 9:2–7, 20–22; 14:35–36; Marka 1:40–42; 2:3–5; 3 Nefia 17:6–7.

  22. Môzià 4:19; jereo koa ny Loholona Jeffrey R. Holland “Moa tsy mpangataka avokoa va isika?Liahona, nôv. 2014, 40–42.

  23. Jereo ny Romana 2:19; 13:12; jereo koa ny Jeffrey R. Holland, “Come unto Me” (Brigham Young University devotional, Mar. 2, 1997), speeches.byu.edu.

  24. 1 Nefia 8:23–24; jereo koa ny 1 Nefia 12:4, 17; 3 Nefia 8:22.

  25. Jereo ny Salamo 82:6; Romana 8:16–18; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 24:1; 76:24; Mosesy 1:1–39.

  26. Jereo ny Adjusting to Missionary Life, 20; jereo koa ny Mika 7:8; Matio 4:16; Lioka 1:78–79; Jaona 8:12.

  27. Jakôba 3:1; jereo koa ny Efesiana 5:8; Kolosiana 1:10–14; Môsià 24:13–14; Almà 38:5. Vakio ny tsodranon’ny patriarika nomena anao na mangataha tsodranon’ny fisoronana mba hahafahanao mandre sy mahatsiaro ny halehiben’ny fitiavan’ny Ray any An-danitra anao sy ny faniriany lehibe hitahy anao.

  28. Jereo ny 2 Korintiana 4:16–18; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–8, 33; 122:5–9.

  29. 2 Korintiana 12:7.

  30. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 81:5; jereo koa ny Isaia 35:3.

  31. Jereo ny Môrônia 4:3; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77.

  32. Almà 37:6.

  33. Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 95.

  34. Almà 7:12; jereo koa ny Isaia 53:4; 2 Nefia 9:21; Môsià 14:4.

  35. Isaia 61:1–3; jereo koa ny Lioka 4:18.

  36. Almà 31:38; jereo koa ny Almà 32:43; 33:23.

  37. 2 Nefia 25:23.

  38. Malakia 4:2; 3 Nefia 25:2.

  39. Apokalypsy 21:4.

  40. Môrônia 10:32.

  41. Isaia 60:20.