2015
Ny voatavon’i Paul
Ôktôbra 2015


Ho an’ny ankizy madinika

Ny voatavon’i Paul

Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.

Nanampy an’i Dada namboly zaridaina i Paul. Naniry izy mba ho teo i Eric rahalahiny mba hanampy. Saingy tany lavitra tany nanao asa fitoriana i Eric.

“Tsy mba ho lehibe tahaka an’i Eric mihitsy aho,” hoy i Paul. “Ahoana no ahafahako mandeha manao asa fitoriana tahaka azy?”

“Aza matahotra!” hoy i Dada. “Mbola hitombo ianao.”

Nanolotra voam-boatavo vitsivitsy an’i Paul i Dada. Nanampy an’i Paul namboly izany izy.

“Hitombo ka ho lasa voatavo lehibe ve ireto voa madinika ireto?” Hoy i Paul nanontany.

“Raha karakarainao tsara izany,” hoy i Dada.

Nandeha nivoaka foana i Paul isan’andro mba hijery ny zaridaina. Notondrahany izany ary tsy ela dia nanomboka nisy tsimoka kely nipoitra. Nihalehibe ny raviny. Nesorin’i Paul tamim-pitandremana tsara ireo ahi-dratsy.

Tamin’ny fararano dia efa naniry be ny voly voatavony. Ary nisy voatavo lehibe miloko volomboasary!

Notaritaritin’i Paul i Dada mba hijery izany. “Nokarakarainao tsara ny voly voatavonao!” Hoy i Dada.

“Ie! Ary hokarakaraiko tsara ny tenako amin’izay mba ho lehibe koa aho.” Hoy i Paul sady nitsiky. “Ary rehefa lehibe aho dia afaka mandeha manao asa fitoriana toa an’i Eric!”

Sary nataon’i Amy Wummer