Ho an’ny Ankizy
Manao an’Izao Tontolo Izao ho Mahafinaritra Kokoa
Ny Filoha Uchtdorf dia nilaza fa rehefa misy tempoly iray atsangana, dia mampitombo ny herin’Andriamanitra eto an-tany izany ary mahatonga izao tontolo izao ho toerana mahafinaritra kokoa. Lokoy ny sary etsy ambany. Ireto manaraka ireto dia isan’ireo fitahiana mahafinaritra omen’ny tempoly ho an’ny olona. Rehefa miaina am-pahamendrehana ianao mba handehanana any amin’ny tempoly indray andro any, dia ho azonao ireto fitahiana tsirairay ireto!
Toerana iray misy fitiavana sy hatsarana
Batisa ho an’ireo olona izay tsy natao batisa fony fahavelon’izy ireo
Fanambadiana izay afaka haharitra ho mandrakizay
Zanaka fehezina amin’ny ray aman-dreny ho mandrakizay
Toerana iray hianarana momba ny Ray any an-danitra sy Jesoa Kristy
Fiainana mendrika sy feno fankatoavana