Hira
Ny Fisoronan’ny Tompontsika
(Azo atao hira mifanenjika)
Amim-pahasahiana
1. Avy amin’ny laza, Rahalahy
Ny hery eto an-tany;
Fa ny fisoronan’ny Tompo
Dia ambony noho izany.
2. Ny fisoronan’i Kristy—
No fiadiana hoazontsika—
Raha mendrik’handray ny bitsika
Avy am’ilay Fanahy isika.
3. Ny fisoronana no
Mpitarika antsika rehetra—
Ka ‘ndeha hiar’ handroso, hiaraka
hiezaka ho tsara toetra.
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–46
Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:1–4
Ity hira ity dia azo adika raha ilaina any am-piangonana na any an-tokantrano, tsy azo itadiavam-bola. Ity fanamarihana ity dia tsy maintsy ampidirina ao amin’ny tahadika tsirairay izay havoaka.
Raha hiraina mifanenjika
Ho an’ny mpitarika ny hira: Zarao ho vondrona efatra ny mpihira. Rehefa mahavita hatreo amin’ilay litera ao anaty faribolana ny vondrona voalohany, dia asaivo manomboka hatrany amin’ny fiantombohan’ilay hira indray ny vondrona manaraka. Hiraina tsy misy mozika na ampiarahana amin’ilay feon-kira etsy ambany.
Ho an’ny mpitendry ny feonkira: Avereno ilay feon-kira famaranana voalohany mandrapahavitan’ny fihiran’ireo vondrona rehetra. Dia tendreo amin’izay avy eo ilay feon-kira famaranana faharoa.
Feon-kira raha atao hira mifanenjika