2010–2019
Ilay Ray
Ôktôbra 2018


10:18

Ilay Ray

Manana hery anaty isika tsirairay hahatongavana tahaka ny Ray. Mba hahafahana manao izany dia tsy maintsy mitsaoka ny Ray isika amin’ny anaran’ny Zanakalahy.

Nandritra ny androm-piainany manontolo i Melinda vadiko dia niezaka araka izay tratrany ny ho mpanara-dia mahatoky an’i Jesoa Kristy. Saingy nanomboka tamin’izy zatovo dia nahatsiaro ho tsy mendrika ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy ny fitahiany izy noho ny tsy fahatakarany ny toetoetrany. Soa ihany i Melinda fa nanohy nitandrina ny didy na dia teo aza ny alahelo izay tsapany. Taona vitsy lasa izay dia niaina zavatra maro izy izay nanampy azy hahatakatra kokoa ny toetoetran’ Andriamanitra, anisan’izany ny fitiavany ireo zanany sy ny fankasitrahany ny ezaka ataontsika, na dia tsy tonga lafatra aza, hanao ny asany.

Hazavainy ny fiantraikan’izany taminy manao hoe: “Azoko antoka ankehitriny fa mandaitra ny drafitry ny Ray, fa mirotsaka an-tsehatra manokana Izy eo amin’ny fahombiazantsika, ary manome antsika ireo lesona sy traikefa ilaintsika mba hahafahantsika miverina eo anatrehany. Mitovy kokoa amin’ny fijerin’ Andriamanitra antsika ny fijeriko ny tenako sy ny hafa. Afaka mitaiza sy mampianatra ary manompo amim-pitiavana kokoa aho ary tsy amin-tahotra kokoa. Mahatsapa fiadanana sy fahatokian-tena aho fa tsy tebiteby sy tsy filaminana. Tsy mahatsiaro ho tsaratsaraina aho fa mahatsiaro ho misy manohana. Miorina kokoa ny finoako. Matetika kokoa aho no mahatsapa ny fitiavany ary lalina kokoa ny fahatsapako izany.”1

Ny fananana “fahatakarana marina ny toetran’ny [Ray any An-danitra] sy ny fahatanterahany ary ny toetoetrany” dia manan-danja indrindra eo amin’ny fampiharana finoana ampy ahazoana ny fisandratana.2 Ny fahatakarana marina ny toetoetran’ny Ray any An-danitra dia afaka manova ny fomba fijerintsika ny tenantsika sy ny hafa ary manampy antsika hahatakatra ny fitiavana lehiben’ Andriamanitra ho an’ireo zanany sy ny faniriany mafy hanampy antsika ho tonga tahaka Azy. Ny fomba fijery tsy marina momba ny maha-Izy Azy dia mety hahatonga antsika hahatsiaro ho toy ny tsy hahavita mihitsy hiverina eo anatrehany.

Ny tanjoko anio dia ny hampianatra fotopampianarana manan-danja mikasika ny Ray izay ahafahantsika tsirairay, fa indrindra ireo izay manontany tena hoe tia azy ireo ve Andriamanitra, mahatakatra tsara kokoa ny tena toetoetrany marina ary mampihatra finoana lehibe kokoa Azy sy ny Zanany ary ny drafiny ho antsika.

Ny fiainana talohan’ny nahaterahana

Tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana isika dia fanahy nateraky ny Ray aman-dReny any An-danitra ary niaina niaraka tamin’izy ireo toy ny fianakaviana.3 Nahafantatra antsika Izy ireo, nampianatra antsika, ary nitia antsika.4 Naniry mafy isika ny hitovy amin’ny Raintsika any An-danitra isika. Saingy nahafantatra isika fa, mba hahafahana manao izany, dia tsy maintsy:

  1. Mahazo vatana nofo be voninahitra, sy tsy mety maty;5

  2. Manambady ary manorina fianakaviana amin’ny alalan’ny fahefana famehezan’ny fisoronana;6 ary

  3. Mahazo ny fahalalana sy ny hery ary ny toetra rehetra ananan’ Andriamanitra.7

Noho izany dia namorona drafitra ny Ray izay ahafahantsika raha mahafeno fepetra sasantsasany,8 mahazo vatana nofo izay ho lasa tsy mety maty sy feno voninahitra any amin’ny Fitsanganana amin’ny maty; manambady sy manorina fianakaviana mandritra ny fiainana an-tany na, ho an’ireo mahatoky izay tsy nanana io fahafahana io, aorian’ny fiainana an-tany;9 mivoatra mankany amin’ny fahatanterahana; ary amin’ny farany miverina any amin’ireo Ray aman-dRenintsika any An-danitra ary miara-miaina amin’Izy ireo sy ny fianakaviantsika ao anatin’ny fisandratana sy ny fahasambarana mandrakizay.10

Ny soratra masina dia miantso izany hoe ny drafitry ny famonjena.11 Feno fankasitrahana tokoa isika noho io drafitra io ka rehefa nampahafantarina antsika izany dia nihoby isika noho ny hafaliana.12 Nanaiky ireo fepetran’ilay drafitra isika tsirairay, anisan’izany ireo zavatra iainana sy fanamby mandritra ny fiainana an-tany izay hanampy antsika hanana ireo toetran’ Andriamanitra.13

Ny fiainana an-tany

Mandritra ny fiainana an-tany dia omen’ny Ray any An-danitra antsika ireo fepetra ilaintsika hivoarana ao anatin’ny drafiny. Niteraka an’i Jesoa Kristy tao amin’ny nofo ny Ray14 ary nanome Azy fanampiana avy Aminy mba hahafahany manatanteraka ny iraka masina nanirahana Azy teto an-tany. Hanampy antsika tsirairay tahaka izany koa ny Ray any An-danitra raha miezaka mitandrina ny didiny isika.15 Omen’ny Ray fahafahana misafidy isika.16 Eo am-pelatanany ny fiainantsika, ary “fantatra ny andron[tsika]” ary “tsy hahena.”17 Ary miantoka Izy fa amin’ny farany ny zava-drehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia Azy.18

Ny Ray any An-danitra no manome antsika ny hanintsika isan’andro,19 izay sady ahitana ny sakafo hohanintsika no ahitana ny hery ilaintsika hitandremana ny didiny.20 Omen’ny Ray fanomezan-tsoa maro isika.21 Maheno sy mamaly ny vavaka ataontsika Izy.22 Manafaka antsika amin’ny ratsy ny Ray any An-danitra rehefa avelantsika hanao izany.23 Mitomany ho antsika Izy rehefa mijaly isika.24 Amin’ny farany, ny fitahiana rehetra raisintsika dia avy amin’ny Ray daholo.25

Mitarika antsika ny Ray any An-danitra ary manome antsika ny traikefa ilaintsika arakaraka ny tanjatsika sy ny fahalementsika ary ireo safidintsika mba hahafahantsika mamoa voa tsara.26 Faizin’ny Ray isika raha ilaina satria tiany.27 “Lehilahin’ny torohevitra” Izy,28 izay hifanakalo hevitra amintsika raha manontany isika.29

Ny Ray any An-danitra no mandefa ny fitaoman’ny Fanahy Masina sy ny fanomezan’ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainantsika.30 Afaka mitoetra ao amintsika ny voninahitry ny Ray, na ny faharanitan-tsainy sy ny fahazavany ary ny heriny, amin’ny alalan’ny fanomezan’ny Fanahy Masina.31 Raha mikatsaka ny hitombo amin’ny fahazavana sy ny fahamarinana isika ambara-pahatonga ny masontsika tsy hibanjina afa-tsy ny voninahitr’ Andriamanitra, dia haniraka ny Fanahy Masin’ny fampanantenana ny Ray any An-danitra hifehy antsika ho amin’ny fiainana mandrakizay ary haneho ny tavany amintsika—na izany amin’ity fiainana ity na amin’ny fiainan-ko avy.32

Fiainana aorian’ny fiainana an-tany

Any amin’ny tontolon’ny fanahy aorian’ny fiainana an-tany dia manohy mandrotsaka ny Fanahy Masina ny Ray any An-danitra ary maniraka misiônera ho any amin’ireo izay mila ny filazantsara. Mamaly vavaka Izy ary manampy ireo izay mbola tsy nandray ireo ordônansin’ny famonjena handray izany amin’ny alalan’ny solontena.33

Nanangana an’i Jesoa Kristy ny Ray ary nanome hery Azy hanatanteraka ny fitsanganana amin’ny maty,34 izay fomba ahafahantsika mahazo vatana tsy mety maty. Ny fanavotana nataon’ny Mpamonjy sy ny fitsanganany tamin’ny maty no mamerina antsika indray ho eo anatrehan’ny Ray, ary eo isika no hotsarain’i Jesoa Kristy.35

Ireo izay miantehitra amin’ny “fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’ny Mesia Masina”36 no handray vatana feno voninahitra tahaka ny Ray37 ary hiara-honina Aminy “ao amin’ny toetry ny fahasambarana tsy mifarana na oviana na oviana.”38 Any dia hofafan’ny Ray ny ranomasontsika rehetra39 ary hanampy antsika Izy hanohy ny diantsika ho tonga tahaka Azy.

Hitanareo amin’izany fa eo mandrakariva ny Ray any An-danitra ho antsika.40

Ny toetran’ny Ray

Mba hahatongavana ho tahaka ny Ray dia tsy maintsy manana ny toetoetrany isika. Ny fahatanterahan’ny Ray sy ny toetoetrany dia ahitana an’ireto manaraka ireto:

  • Ny Ray dia “Tsisy fiafarana sy Mandrakizay.”41

  • Marina tanteraka Izy, mamindra fo, tsara fanahy sy mahari-po, ary tsy mikatsaka afa-tsy izay tsara indrindra ho antsika.42

  • Ny Ray any An-danitra dia fitiavana.43

  • Mitandrina ny fenekempihavanana nataony Izy.44

  • Tsy miovaova Izy.45

  • Tsy afaka handainga Izy.46

  • Tsy mizaha tavan’olona ny Ray.47

  • Mahafantatra ny zavatra rehetra Izy—ny lasa sy ny ankehitry ny ary ny hoavy—hatrany am-piandohana.48

  • Ny Ray any An-danitra dia marani-tsaina49 kokoa noho isika rehetra.50

  • Manana ny fahefana rehetra ny Ray any An-danitra51 ary manao izay rehetra iriany hatao.52

Ry rahalahy sy ranabavy, afaka mahatoky ny Ray isika sy miantehitra Aminy. Satria manana fijery mandrakizay ny Ray any An-danitra, dia afaka mahita ny zavatra izay tsy hitantsika. Ny fifaliany sy ny asany ary ny voninahiny dia ny hanatanteraka ny tsy fahafatesantsika sy ny fiainana mandrakizaintsika.53 Ny zavatra rehetra ataony dia ho tombontsoantsika. “Mikatsaka ny fahasambara[ntsika] mandrakizay [Izy] mihoatra noho ny ikatsaha[ntsika] izany.”54 Ary tsy “mitaky amin[tsika Izy] ny hiaina fotoana iray izay sarotra kokoa noho izay tena ilaina ho an’ny tombontsoan[tsika] na ho an’ny an’ireo izay tian[tsika].”55 Vokatr’izany dia mifantoka amin’ny fanampiana antsika hivoatra Izy, fa tsy amin’ny fitsarana sy ny fanamelohana antsika.56

Ho tonga tahaka ny Raintsika

Amin’ny maha-fanahy zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra antsika tsirairay dia manana hery anaty isika tsirairay hahatongavana tahaka ny Ray. Mba hahafahana manao izany dia tsy maintsy mitsaoka ny Ray isika amin’ny anaran’ny Zanakalahy.57 Manao izany isika amin’ny fiezahana ho mpankatò ny sitrapon’ny Ray, tahaka ny Mpamonjy,58 sy ny fibebahana tsy tapaka.59 Rehefa manao an’ireo isika dia “handray fahasoavana miampy fahasoavana” ambara-pandraisantsika ny fahafenoan’ny Ray60 sy hanafihana antsika amin’ny “toetrany sy ny fahatanterahany ary ny toetoetrany.”61

Noho ny elanelana manasaraka ny misy antsika amin’ny maha-olombelona antsika sy ny efa nahatongavan’ny Ray any An-danitra, dia tsy mahagaga raha misy mahatsapa fa tsy azo tratrarina izany hoe ho tonga tahaka ny Ray izany. Kanefa dia mazava ny soratra masina. Raha mifikitra amim-pinoana amin’i Kristy isika, ka mibebaka sy mikatsaka ny fahasoavan’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fankatoavana, dia ho tonga tahaka ny Ray isika amin’ny farany. Mahazo fampaherezana be aho noho ny hoe ireo izay miezaka ho mpankatò dia “handray fahasoavana miampy fahasoavana” ary amin’ ny farany “handray amin’ny fahafenoany.”62 Amin’ny teny hafa, dia tsy ho tonga tahaka ny Ray amin’ny herintsika samirery akory isika.63 Fa ho tanteraka izany amin’ny alalan’ny fanomezana fahasoavana, ny sasany lehibe fa ny ankamaroany madinika, izay hifampitambatra tsikelikely ambara-pahazoantsika fahafenoana. Saingy tsy maintsy ho avy izany ry rahalahy sy ranabavy!

Manasa anao aho hahatoky fa hain’ny Ray any An-danitra ny fomba hanandratana anao, hikatsaka ny fanampiany isan’andro izay manohana, ary hibosesika handroso amim-pinoana an’i Kristy na dia amin’ny fotoana tsy ahatsapanao ny fitiavan’ Andriamanitra aza.

Betsaka ny zavatra tsy takatsika mikasika ny fahatongavana ho tahaka ny Ray.64 Saingy afaka mijoro ho vavolombelona amim-pahatokiana aho fa ny fiezahana ho tonga tahaka ny Ray dia mendrika ny fahafoizantena rehetra.65 Ireo fahafoizana ataontsika eto amin’ny fiainana an-tany, na lehibe tahaka ny inona aza, dia tsy hay oharina amin’ilay fifaliana sy fahasambarana ary fitiavana tsy hay refesina izay ho tsapantsika eo anatrehan’ Andriamanitra.66 Raha miady mafy ianao mba hinoana fa mendrika ny fahafoizana izay asaina ataonao izany, dia miantso anao ny Mpamonjy manao hoe “Tsy mbola takatrareo ny halehiben’ireo fitahiana … nomanin’ [ny Ray] ho anareo; …tsy mahatanty ny zavatra rehetra ianareo ankehitriny; kanefa, matokia fa hitari-dalana anareo Aho.”67

Mijoro ho vavolombelona aho fa tia anareo ny Rainareo any An-danitra ary maniry anareo hiara-hiaina Aminy indray. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. Fanamarihana eo am-pelatanan’ny mpanoratra; jereo ihany koa ny D. Melinda Ashton, “The Holy Ghost: Direction, Correction, and Warning” (Fihaonamben’ny Vehivavy tao amin’ny Oniversiten’i Brigham Young, 28 apr. 2016), byutv.org.

  2. Lectures on Faith (1985), 38.

  3. Jereo ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” Liahona, mey 2017, 145; “Mère céleste,” Sujets de l’Evangile, topics.lds.org.

  4. Nilaza i Paoly Apôstôly fa tena fantatsika tsara tokoa ny Ray ka dia mbola maniry ny hiantso Azy hoe Aba isika, izay midika hoe “Dada,” teny iray natokana ho an’ireo raim-pianakaviana izay tena akaiky antsika tokoa (jereo ny Romana 8:15).

  5. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22.

  6. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19–20.

  7. Jereo ny Matio 5:48; jereo koa ny 2 Petera 1:3–8.

  8. Ireo fepetra ireo dia nahitana ny fitanana ny toetrantsika voalohany (jereo ny Abrahama 3:26) ary avy eo ao amin’ny fiainana an-tany, mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany, mibebaka, atao batisa asitrika tanterahan’ny olona mihazona ny fahefan’ny fisoronan’ Andriamanitra, mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina, ary maharitra hatramin’ny farany (jereo ny 3 Nefia 27:16–20).

  9. Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Ny sasany amin’ireo izay mihaino an’ity hafatra ity dia mety miteny hoe ‘Ary ahoana ny momba ahy?’ Fantatray fa Olomasin’ny Andro Farany mendrika sy mahafinaritra maro no tsy manana ireo fahafahana tsara indrindra sy ireo zavatra tena ilaina ho an’ny fivoaran’izy ireo ankehitriny. Manakantsakana ny zavatra tsara tokony hitranga sy manemotra ny fahatanterahan’ireo fitahiana nampanantenaina ny maha-tokan-tena, ny tsy fananan-janaka, ny fahafatesana, ary ny fisaraham-panambadiana. … Saingy ireo sakantsakana ireo dia mandritra ny fotoana voafetra ihany. Ny Tompo dia nampanantena fa any amin’ny mandrakizay dia tsy hisy fitahiana holavina amin’ireo zanakalahy sy zanakavavy izay nitandrina ny didy, izay marina tamin’ny fanekempihavanany, ary maniry ny hanao ny zavatra marina” (“The Great Plan of Happiness,” Ensign, Nov. 1993, 75).

  10. Jereo ny Môsià 2:41.

  11. Jereo ny Almà 42:5; izy io dia antsoina koa hoe drafitry ny fanavotana (jereo ohatra ny Jakôba 6:8) sy drafitry ny fahasambarana (jereo ny Almà 42:8, 16).

  12. Jereo ny Joba 38:4–7.

  13. Jereo ohatra ny Hebreo 5:8; 12:11; Etera 12:27. Farafaharatsiny amin’ny voalohany, noho ny fahatakarantsika voafetra, dia mety ho toa hanakana antsika tsy hahazo ny sasany amin’ireo fitahiana nampanantenaina anisan’ny antenaintsika indrindra ireo olana sasany izay atrehantsika eto amin’ny fiainana an-tany. Na dia eo aza ireo zavatra toa mifanohitra ireo, dia homen’ Andriamanitra antsika ireo fitahiana rehetra nampanantenaina raha mitoetra ho mahatoky isika.

  14. Jereo ny Lioka 1:31–35; Jaona 1:14; 1 Nefia 11:18–21; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Jesoa Kristy,” scriptures.lds.org.

  15. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:4–5, 16–17, 19–20.

  16. Jereo ny Mosesy 7:32.

  17. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:9.

  18. Jereo ny Romana 8:28.

  19. Jereo ny Matio 6:11.

  20. Jereo ny N. Eldon Tanner, “The Importance of Prayer,” Ensign, May 1974, 50.

  21. Jereo ny Lioka 11:10–13; Jakoba 1:17.

  22. Jereo ny Lioka 11:5–10; Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 11:5–6 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina); 3 Nefia 13:6.

  23. Jereo ny Matio 6:13.

  24. Jereo ny Mosesy 7:31–40.

  25. Jereo ny Jakoba 1:17.

  26. Jereo ny Jaona 15:1–2; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 122:6–7.

  27. Jereo ny Hebreo 12:5–11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:1.

  28. Mosesy 7:35.

  29. Jereo ny Almà 36:12, 37.

  30. Jereo ny Jaona 14:26; 2 Nefia 31:12

  31. Jereo ny Jaona 17:21–23, 26; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:36.

  32. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:53; 88:67–68.

  33. Jereo ny 1 Petera 4:6. Ny Loholona Melvin J. Ballard, raha nilaza ny antony nahatonga ny lehilahy iray nataony batisa hiditra ho mpikamban’ny Fiangonana, dia niteny hoe: “Nampahafantarina ahy fa ireo razambeny tany amin’ny tontolon’ny fanahy dia nanaiky ny Filazantsara efa taona maro lasa ary efa nivavaka mba hisy olona iray amin’ny taranak’izy ireo ety an-tany hanokatra ny varavarana ho azy ireo, ary koa fa nahomby ny vavak’izy ireo ka dia notarihan’ny Tompo ho any amin’ny varavaran’io lehilahy io ireo misiônera” (tao amin’ny Melvin R. Ballard, Melvin J. Ballard, Crusader for Righteousness [1966], 250).

  34. Jereo ny Môrmôna 7:5–6; jereo koa ny Jaona 5:21, 26; 1 Korintiana 6:14; 2 Nefia 9:11–12; Almà 40:2–3; 3 Nefia 27:14.

  35. Jereo ny Jaona 5:22; Jakôba 6:9; Almà 11:44; Helamàna 14:15–18. Ny Sorompanavotana nataon’i Kristy dia mandresy ireo vokatra rehetra nateraky ny Fahalavoan’i Adama, anisan’izany ny fahafatesana ara-batana sy ara-panahy, izay samy tsy maintsy resena mba hahafahantsika miverina eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra. Ireo izay nibebaka tamin’ny fahotany dia hiara-honina amin’ny Ray sy ny Zanaka mandrakizay. Saingy ireo izay tsy nibebaka dia hizaka ny fahafatesana faharoa, izay ateraky ny fahotantsika ihany (jereo ny Helamàna 14:15–18).

  36. 2 Nefia 2:8.

  37. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:53; 88:67–68.

  38. Mosià 2:41.

  39. Jereo ny Apokalypsy 7:17.

  40. Jereo ny Mosesy 7:30. Ny Ray any An-danitra aza dia manohy mikarakara sy mamatsy ho an’ireo izay ao amin’ny fanjakana terestrialy amin’ny alalan’ny fanompoan’i Jesoa Kristy sy ho an’ireo olona selestialy hafa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:77, 87) sy ho an’ireo izay ao amin’ny fanjakana telestialy amin’ny alalan’ny fanompoan’ny Fanahy Masina sy ny anjely (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:86, 88).

  41. Mosesy 7:35; jereo koa ny Salamo 90:2.

  42. Jereo ny Salamo 103:6–8; Lioka 6:36; Mosesy 7:30.

  43. Jereo ny 1 Jaona 4:16.

  44. Jereo Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:40.

  45. Jereo ny Jakoba 1:17.

  46. Jereo ny Nomery 23:19.

  47. Jereo ny Asan’ny Apôstôly 10:34–35.

  48. Jereo ny 1 Nefia 9:6; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:7.

  49. Ny Dictionary.com dia mamaritra ny faharanitan-tsaina hoe “fahaizana mianatra, misaina, mahatakatra, sy ireo karazana asan’ny saina mitovy amin’izany; fahafahana mahatakatra ireo fahamarinana sy ny fifandraisana, ny zava-misy, ny dikan’ny zavatra, sns.” ary koa hoe “fahalalana.”

  50. Jereo ny Abrahama 3:19. Jesoa Kristy amin’ny maha-olona be voninahitra sy lasa tanteraka Azy, dia marani-tsaina kokoa noho isika rehetra.

  51. Jereo ny Apôkalypsy 21:22.

  52. Jereo ny Abrahama 3:17.

  53. Jereo ny Mosesy 1:39.

  54. Richard G. Scott, “Trust in the Lord,” Ensign, nôv. 1995, 17.

  55. Richard G. Scott, “Trust in the Lord,” 17.

  56. Jereo ny Jaona 5:22; Mosesy 1:39. I Satana sy ny tenatsika ihany no manameloka antsika (jereo ny Apokalypsy 12:10; Almà 12:14).

  57. Jereo ny Jaona 4:23; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:40; 20:29.

  58. Jereo ny 3 Nefia 11:11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:11–19.

  59. Ny fibebahana dia dingana izay hanovantsika ny toetra voajanaharintsika mihitsy mba hahatonga antsika ho lasa mitovy amin’ Andriamanitra. Araka izany dia tokony hanohy hibebaka hatrany isika, fa tsy hoe mibebaka rehefa “manao zavatra tsy mety” fotsiny.

  60. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:19–20.

  61. Lectures on Faith, 38; jereo koa ny Môrônia 7:48; 10:32–33; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:56,94–95; 84:33–38.

  62. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:20; nampiana fanamafisana.

  63. Jereo ny Môrônia 7:32–33; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:69, 94–95.

  64. Nahoana Andriamanitra no tsy afaka na tsy hanambara misimisy kokoa mikasika ny dingana hahatongavana ho tahaka Azy? Tsoriko fa tsy haiko ny antony rehetra. Saingy misy roa farafahakeliny no takatro. Ny voalohany dia hoe ny zavatra sasany dia tsy takatra tsotra izao amin’ny mahamety maty antsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:17). Mety hitovitovy amin’ny hoe miezaka manazava mikasika ny internet amin’ny olona iray izay niaina tamin’ny Moyen Âge izany. Tsy ho ao anatin’ilay tontolo sy tsy hanana fomba fijery hahatakatra izany izy. Ny faharoa dia hoe, ny fanomezam-pahasoavana matetika dia tonga amintsika satria hoe tsy maintsy mijaly sy manaintaina mihitsy isika noho ny tsy fahalalana.

  65. Ireo fahafoizantena izay asaina ataontsika dia mety ilaina hanatratrarana ny fahatanterahana.

  66. Jereo ny Romana 8:18.

  67. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:17–18.