2025
Inona no fantatsika momba ireo mpiandry ondry tamin’ny Krismasy voalohany?
Ho zatovo mahery! Desambra 2025


Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho zatovo mahery! Desambra 2025

Inona no fantatsika momba ireo mpiandry ondry tamin’ny Krismasy voalohany?

zatovovavy

Mpiandry ondry, nataon’i Brian Call

Mahafantatra zavatra vitsivitsy momba ireo mpiandry ondry tamin’ny Krismasy voalohany isika.

Nipetraka nanakaiky an’i Betlehema izy ireo. “Firenena iray ihany” no nisy ireo mpiandry ondry sy ny nahaterahan’i Kristy (Lioka2:8). Ary afaka nandeha an-tongotra nankany Betlehema izy ireo raha mbola tao Izy (jereo ny Lioka 2:15–16).

Nanao ny andraikiny izy ireo. Ireo mpiandry ondry ireo dia “nitoetra tany an-tsaha, nitandrina ny ondriny tamin’ny alina”(Lioka2:8). Mpiandry ondry tsara sy mahatoky izy ireo, tahaka ny Mpamonjy—ilay Mpiandry Tsara (jereo ny Jaona 10:11, 14).

Fantatr’izy ireo ny faminaniana momba ny Mesia. Toa fantatr’izy ireo ny zavatra noresahan’ilay anjely rehefa nanambara ny fahaterahan’i “Kristy Tompo” izy (Lioka2:11), ilay Mesia tanaty faminaniana fahiny.

Nanana herim-po lehibe izy ireo. Rehefa nanambara tamin’izy ireo mikasika ilay “zazakely … mandry ao am- pihinanam-bilona” ilay anjely (Lioka 2:12), dia nandeha “faingana” izy ireo hijery Azy (Lioka 2:16).

Nizara ny vaovao mahafaly izy ireo. “Nampiely” izay teny nolazaina taminy sy ny zavatra hitany mikasika ny hafatr’ilay anjely momba ny fahaterahan’i Kristy izy ireo (Lioka2:17).

Nisaotra sy nidera an’Andriamanitra izy ireo. Taorian’izany rehetra izany dia “niverina izy ireo, nankalaza sy nidera an’ Andriamanitra noho ny zavatra rehetra izay efa reny sy hitany” (Lioka2:20).