“Valiny tonga avy hatrany,” Ho zatovo mahery!, Jolay 2024.
Valiny tonga avy hatrany
Mahafinaritra ilay mianatra tsianjery ny jeôgrafia. … Fa azoko aseho anao ny fomba fitadiavana renivohitra amin’ny internet raha tianao!
Mandrahona amin’ny ampahany, 3% no mety hisian’ny orana, dada a. Ao amin’ny internet izany.
Vitako ny manamboatra an’io! N’inona n’inona dia azonao jerena amin’ny internet.
Almà 32 Fijoroana ho vavolombelona = ezaka
Hmm. Angamba tsy ny zavatra rehetra no ahitana valiny tonga avy hatrany amin’ny alalan’ny internet.
Ampio aho hanana zotom-po sy faharetana hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananako.
Ireo volana vitsivitsy manaraka
Manana ilay fomba fahandro ve ianao?
Eny. Saika n’inona n’inona dia azonai ianarana amin’ny alalan’ny internet.