“Andriamanitra dia mahafantatra sy miraharaha,” Ho zatovo mahery!, mar. 2022.
Andriamanitra dia mahafantatra sy miraharaha
Krak!
“Oay …”
“Aaa! Nahoana izao no mitranga amiko ?!?”
“Neny a, fa misy inona?”
“Marary i Abuela.”
“Maninona ary no sarotra be ny zava-drehetra. Nahoana no be loatra ny zavatra ratsy mitranga?”
“Mieritreritra aho hoe mila mandehandeha kely isika mba hampitony antsika.”
“Eduardo a, hilamina io. Saingy tsarovy ny zavatra nolazain’ny Tompo: -Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; Mampahery anao Aho- (Isaia 41:10).”
“Ho sitrana ve i Abuela?”
“Enga anie, fa mino koa aho fa fantatry ny Ray any An-danitra izay tsara indrindra.”
“Misaotra, Neny a. Tena nahamaivamaivana ahy ny niara-nandehandeha sy niresaka taminao.”