2025
Nifindra niankandrefana ny Olomasina.
Namana desambra 2025


“Nifindra niakandrefana ny Olomasina”, Namana, desambra 2025, 26–28.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana Desambra 2025

Nifindra niankandrefana ny Olomasina.

Brigham Young mijery ny olona  manamboatra ny Tempolin’i Nauvoo izay mbola tsy vita.

Rehefa nindaosin’ny fahafatesana i Joseph Smith dia i Brigham Young sy ireo Apôstôly hafa no nitarika ny Fiangonana. Fantatr’i Brigham fa tsy maintsy handao an’i Nauvoo ireo Olomasina satria tsy azo antoka ao. Saingy tian’ny Tompo izy ireo mba hamita ny fanorenana ny tempoly aloha.

Brigham Young mandray olona ao amin’ny Tempoly

Rehefa vonona ny tempoly dia Olomasina an’arivony no nanao fanekempihavanana tamin’ny Tompo ary nofehezina ho fianakaviana.

Olomasina mandeha anaty tafio-drivo-dranomandry

Tonga ny fotoana hanombohana ny dian’izy ireo miankandrefana. Nangatsiaka ny andro, ary narary sy noana ny olona.

Fianakaviana manampy ny hafa hahazo sakafo sy bodofotsy ao anatin’ny hatsiaka

Nivavaka mba hahazo fanampiana i Brigham Young. Nilaza ny Tompo fa tokony hifanampy izy ireo ary hitahy azy ireo sy hanampy azy ireo Izy.

Fianakaviana iray mandohalika eo anilan’ny fasana.

Mbola tena sarotra ihany ilay dia. Maty ny olona sasany. Saingy noho ny fanekempihavanan’ny tempoly nataon’izy ireo dia fantatr’ireo Olomasina fa mbola hahita ireo olona amin’ny fianakaviany indray izy ireo.

Brigham Young mijery ny Lohasahan’i Salt Lake avy eo ambony  sarety iray

Tamin’ny 1847 no tonga tao amin’ny Lohasahan’ny Salt Lake ny olomasina voalohany. Afaka nitsaoka ny Tompo sy nanao ny asany am-pilaminana teo izy ireo.

Sarina tempoly sy misiônera miaraka amin’ny sarin’izao tontolo izao ao aoriana

Tao anatin’ny taona maro nifandimby dia betsaka kokoa ny olomasina tonga ka nanorina tempoly maro kokoa. Nandeha manerana izao tontolo izao ny misiônera mba hampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nihanitombo hatrany ny Fiangonan’ny Mpamonjy, ary nitahy ireo zanaky ny Ray any An-danitra izany na aiza na aiza misy azy.

Pejy holokoina

Izy no fahazavana sy fiainana ary fanantenan’izao tontolo izao

Pejy holokoina, amin’ny endriny PDF maneho an’i Jesoa zazakely ao anaty fihinanam-bilona sy zanak’ondry iray.

Sary nataon’i Corey Egbert

Inona no ataonao mandritra ny krismasy mba hahatsiarovana an’i Jesoa Kristy?