“Nandeha nankany Nauvoo i Jane Manning”, Namana, ôktôbra 2025, 26–28.
Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, ôktôbra 2025
Nandeha nankany Nauvoo i Jane Manning
Nisy olona vitsivitsy nampijaly an’i Jane Manning tany amin’ny toerana nipetrahany noho ny lokon’ny hodiny. Indray andro dia naheno misiônera iray nampianatra izy. Vetivety taorian’izay dia natao batisa izy.
Natao batisa koa ny fianakavian’i Jane. Te hiaraka amin’ireo Olomasina tany Nauvoo avokoa izy rehetra. Noho izany dia nanomboka ny diany izy ireo.
Naniry ny hanatanteraka ny ampahany tamin’ilay dia tamin’ny alalan’ny fandehanana sambo ny fianakavian’i Jane, saingy tsy ampy ny volan’izy ireo. Noho izany dia tsy maintsy nandeha an-tongotra 1300 km izy ireo.
Tsy maintsy niampita sakelidrano lalina izy ireo sy natory teny ivelany tao anatin’ny hatsiaka. Saingy vonona ny handeha ho any Nauvoo izy ireo. Nankahery ny tenany tamin’ny alalan’ny fihirana izy ireo nandritra ny dia an-tongotra nataony.
Nandeha an-tongotra teny foana i Jane sy ny fianakaviany mandra-pahasimba ny kiraron’izy ireo sy namparatra ny tongotr’izy ireo. Saingy rehefa nivavaka nangataka fanampiana tamin’ Andriamanitra izy ireo dia nositraniny ny tongotr’izy ireo.
Nanampy ireo olona nifanena tamin’izy ireo teny an-dalana izy ireo. Nanampy tamin’ny fanasitranana zaza marary mihitsy aza izy ireo noho ny finoan’izy ireo.
Farany dia tonga tao Nauvoo i Jane sy ny fianakaviany! Rehefa nandre ny zavatra rehetra niainan’izy ireo i Joseph Smith dia hoy izy tamin’i Jane: “Andriamanitra anie hitahy anareo. Eto anivon’ny namana ianareo izao”.
Pejy holokoina
Tian’i Jesoa hitia ny olon-drehetra aho
Sary nataon’i Corey Egbert
Ahoana no anehoanao fitiavana ny hafa?
© 2025 by Intellectual Reserve, Inc. All right reserved. Natonta tany Etazonia. Fankatoavana ny tamin’ny teny anglisy: 6/19. Fankatoavana ny fandikana: 6/19. Fandikana ny Monthly Friend Message, October 2025. Malagasy. 19630 654