Lahateny sy fifanakalozan-kevitra: Ny Loholona sy Rahavavy Kearon sy ireo tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony
Fampaherezam-panahy maneran-tany ho anʼny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony
Alahady 1 febroary 2026
Loholona Patrick Kearon: Mahafinaritra ny miaraka aminareo rehetra izao hariva izao mba hankalaza ny faha-100 taonanʼny institiota, sy hieritreritra ireo fiainana rehetra novainʼny seminera sy institiota nandritra ireo am-polo taonany maro ireo. Mahafinaritra ny mahita anareo tonga izao hariva izao. Ary saika hiteny aho hoe toa mahafinaritra ihany ato na dia goavam-be aza ity toerana ity. Manantena aho fa tsikaritrareo hoe misy jiro fanaingoana trano ato. Mba hanatsarana ny fahatsapana ity toerana ity ho mahafinaritra fotsiny izany.
Mahafinaritra ny miaraka aminareo, ary nandrandrainay fatratra ity fotoana hiarahana aminareo ity, ka misaotra amin’ny fahatongavanareo. Takatray hoe tojo fitohananʼny fifamoivoizana ny sasany taminareo, fa tena mahafinaritra fa tonga eto ihany ianareo na izany aza.
Rahavavy Jennifer C. Kearon: Eny, tena feno fankasitrahana izahay noho ny fientanentanana tsapanay eto izao hariva izao, ary tianay ny mijery ny endrikareo izay miaraka aminay mivantana eto anio hariva. Fa miezaka ihany koa izahay maka sary an-tsaina anareo izay mivory any aminʼireo trano fiangonana na any an-trano na any aminʼny toerana mangingina izay misy anareo manokana mba hijery izao fotoana androany hariva izao koa, eo am-pikatsahanareo fifamatorana akaiky kokoa aminʼny Mpamonjinareo. Tianay daholo ianareo rehetra, ary tena feno fankasitrahana izahay miaraka aminareo.
Herinandro vitsivitsy lasa izay dia nanana fahafahana mahatalanjona izahay hihaona taminʼny vondronʼolona roa samy hafa mitovy taona aminareo, ary raha ny marina dia eto ny sasany aminʼizy ireo androany, ary niara-nipetraka sy nifanakalo hevitra taminʼizy ireo izahay. Nifampiresaka nandritra ny adiny iray teo taminʼireo vondrona roa samy hafa ireo izahay. Nametraka fanontaniana vitsivitsy izy ireo, ary nomenay valiny vitsivitsy. Misolo tena firenena dimy samihafa izy ireo: tanora avy any États-Unis, avy any Mexique, avy any Norvège, avy any Curacao izay any aminʼny île des Caraïbes, ary avy any aminʼny République du Congo.
Loholona Kearon: Ka ny zavatra hataontsika izany izao dia ny mandinika ny dimy aminʼ ireo fanontaniana izay napetraka tao aminʼilay horonan-tsary. Ary avy eo dia mety hanolotra fanamarihana iray na roa eny anelanelanʼny tsirairay aminʼizy ireo isika. Koa andao ary hijery ilay horonan-tsary voalohany.
Mamantatra sy mandresy ireo sakana
Tanora: Inona no sasantsasany aminʼireo sakana lehibe indrindra hitanareo izay mety apetrakay tanora tokan-tena eo aminʼny lalanay ka manakana anay tsy hahatsapa ny fitiavanʼ Andriamanitra na tsy ho tonga aminʼizay tianʼ Andriamanitra hahatongavanay?
Loholona Kearon: Rehefa mieritreritra ireo karazana sakana anananʼny tanora aho, dia mieritreritra hoe ny fiainana an-tany dia natao ho fitsapana iray tahaka izay iainanareo aminʼny fianaranareo, fitsapam-pahaizana iray izay toa tsy mety hahitana valim-panontaniana mahafa-po. Tsy haiko. Kanefa amiko dia izany karazana toe-tsaina izany no mety ho sakana aminʼny fandalovantsika eto aminʼny fiainana an-tany sy ny fiezahantsika hahazo ny fiainana mandrakizay.
Hanome anareo teny nambaranʼny Filoha Henry B. Eyring tena tiako aho: “Tsy ny mba hanomezana antsika isa no hampandalovanʼny Tompo antsika aminʼizany fitsapana izany. Ataony izany satria hanova antsika ilay dingana”.
Tsy hotsapaina tahaka ny aminʼny fianaranareo isika. Omena fahafahana hivelatra sy hianatra isika. Tsy hoe tsapaina isika satria misy olona mitazona karatra fanomezana isa ho anʼny mandrakizay any, fa satria mila mivoatra sy mivelatra isika ary mahatakatra sy lasa mahatakatra tsikelikely hoe iza isika. Noho izany dia tsy resaka sakana izany. Raha ny marina dia mikasika ny fomba nanomanana ny lalana hizorantsika izany, izay indraindray dia ahitana zavatra iainana mahatalanjona tena tsara, ary indraindray ahitana zavatra iainana tena sarotra sy feno fisedrana.
Rahavavy Kearon: Ahoana ny aminʼny sakanʼny fisalasalana sy ny tahotry ny tena manokana? Ahoana ny aminʼilay feo anaty ao an-tsainao? Tena mety ho sakana tokoa izany. Ireo feonʼny hakiviana. Ireo feo izay milaza aminao fa olona tsy mahomby ianao. Ireo feo izay milaza aminao fa tsy mahavita azy ianao. Ary maro be ny antonʼizany: Mety tsy azonao ilay asa tianao. Mety tsy afa-panadinana ianao. Mety manam-paniriana ny hanambady ianao kanefa mbola tsy nanambady foana. Mety nisara-panambadiana ianao. Mety mbola mitolona aminʼilay ady iray iny ianao, sy iny fahotana iray iny, ary iny olana iray iny izay nanananao efa hatry ny ela. Noho izany dia milaza aminao ireo feo ireo hoe: “Tsy mahay tsotra izao aho, tsy hahay mihitsy aho, ary tsy hahavita azy mihitsy, ary tsy afaka ny ho lasa ilay tianʼ Andriamanitra hahatongavako mihitsy aho”. Izany amiko no sakana. Ary indraindray aho dia mandre ireo feo ireo.
Toy ny ahoana ny feon’ny Mpamonjy ao an-tsainao? Tsy mitovy mihitsy aminʼizay nofaritako teo izany, tsy mitovy aminʼny feonʼny fiahiahiana sy fitsikerana ary ny henatra, sy ny feonʼny hakiviana. Henoy ny zavatra lazainʼny Mpamonjy amintsika ao aminʼny Jaona toko faha- 10. Tiako izy ity.
“Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra eo aminʼny vavahady ho aminʼny valanʼondry, fa mananika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy.
“Fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiandry ny ondry.
“… Ny ondry mihaino ny feony; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny aminʼny anarany avy ka entiny mivoaka.
“… Mialoha azy [Izy], ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo.
"Ary ny vahiny tsy harahiny, fa handosirany, satria tsy fantany ny feonʼny vahiny”.
Indraindray dia misy feon’ny vahiny iray ao an-tsainao, feonʼny mpangalatra iray sy ny jiolahy iray, ary tahaka izany koa aho. Izaho koa. Ny feonʼny olona iray izay tsy mahafantatra anao, izay tsy miraharaha anao, ary raha ny marina, dia tena tapa-kevitra ny hamotika anao. Tsy tokony hihaino ireo feo ireo isika, ny feonʼny vahiny, ny mpangalatra, ary ny jiolahy, fa hihaino kosa ny feonʼilay Mpiandry Tsarantsika, izay mankahery mandrakariva, feno fitiavana sy feno fanantenana mandrakariva. Eny, miantso antsika Izy mba ho tsaratsara kokoa. Eny, miantso antsika hibebaka Izy raha ilaina. Fa ny feony dia tsy manam-paharoa, feonʼny Mpamonjy iray izay tia antsika, izay nanefa ny sarany faratampony ho antsika, ary raha ny marina, dia voafatotry ny fanekempihavanana amintsika tsirairay avy. Koa mivokisa amin’ny tenin’i Kristy fa tsy amin’ny tenin’ny vahiny.
Eny ary, andao hijery ny horonan-tsary manaraka.
Manampy ireo izay mitsoaka an-daharana
Tanora: Misy dingana samihafa eo aminʼny fiainana izay hitandremako ny didy araka ny fahatsapako fa andrasanʼ Andriamanitra hitandremako izany, kanefa ahoana no fomba hanampianareo namana iray izay hitanareo fa miala tsikelikely aminʼny fahavitrihana ato aminʼny Fiangonana na aminʼny fahatsapana ny Fanahy isanʼandro? Ahoana no hanampianareo azy fa tsy miteny aminy fotsiny hoe diso aminʼny zavatra iray izy?
Rahavavy Kearon: Sarotra izany satria tsy te ho toy ny mpitsaratsara ianao. Tsy te ho mpitsaratsara ianao, ka hiteny hoe: “Mbola tsara lavitra na mety tsara ny fomba iainako ny filazantsara”. Ny fitiavana sy ny fotoana amiko no manan-danja indrindra. Mila mahatsapa ny fitiavanao ireo namanao ary mila mahafantatra fa vonona ny hanome azy ireo ny fotoana ilainy ianao.
Ary ireo namanao angamba dia mety ho ao anatinʼny fotoana izay ilanʼizy ireo miresaka ny sasany aminʼireo zavatra mitranga ao an-tsainy sy ao am-pony. Ary afaka manome azy ireo ilay hafatra, ilay hafatra mazava, ianao fa ianao dia olona azo antoka, olona hitia sy hanaja azy ireo ary hikarakara sy hanampy azy ireo na inona na inona lalovanʼizy ireo. Mety tsy hitovy hevitra aminʼizy ireo ianao, mety tsy hisafidy ny zavatra safidinʼizy ireo ianao, kanefa tena manova zavatra ho anʼireo namana mandalo fahasahiranana ny manana olona azo antoka azo ianteherana, sy manana olona atokisanʼizy ireo fa miraharaha ny aminy.
Tena manampy, raha ny fahitako azy, ny miresaka momba ireo fotoana izay mety nahatsapanʼizy ireo ny Fanahy taminʼny fomba mahery vaika kokoa noho ny aminʼizao fotoana izao na ireo fotoana izay niainanʼizy ireo ny filazantsara tamim-pahatokiana kokoa noho ny aminʼizao fotoana izao. Ary miresaka aminʼizy ireo momba ny hoe nanao ahoana ny fiainan’izy ireo taminʼizany sy ny fahasamihafana tsikaritrʼizy ireo.
Ary manao resaka tena amin-kitsimpo, mifampizara ny ao am-po sy ny traikefa ara-panahy, ka aminʼizany ianao dia tsy mampita hafatra hoe: “Tsy ny zavatra andrasako holazainao no lazainao na tsy ny valinteny tiako ho re no omenao ahy ka noho izany dia hofaranako ity resaka ataontsika ity”. Tena manan-danja izany raha ny hevitro.
Ary fitsipika miantefa amin’ny fifandraisantsika rehetra izany. Fitsipika miantefa amin’ny fitaizan-janaka izany. Fitsipika iray tokony hampiharina izany rehefa miresaka aminʼireo olona akaikinʼny fontsika aminʼny toe-javatra rehetra isika.
Loholona Kearon: Eny. Ary miankina aminʼny toe-javatra misy azy ireo, niresaka momba ireo namana izay mety nivily lalana i Carl, miankina aminʼny toe-javatra misy azy ireo, dia tokony hiezaka sy hanampy azy ireo isika ny hazoto hatrany. Ny fahavitrihana ato aminʼny Fiangonana no resahintsika. Miresaka momba ny fahavitrihana ato am-piangonana isika. Tena mahaliana ny olona niova fo ny mandre izany teny izany. Fa heveriko fa te hanao izay rehetra vitantsika isika mba hihazonana azy ireo hazoto, havitrika, ary hanampy azy ireo mba hanampy ny hafa. Raha manana antso izy ireo, dia ny hamaly izany antso izany ary hanatanteraka tsara izany. Hampianatra, hanompo, ary hahatsikaritra ireo olona hafa izay mety manana olana. Hitako ho mety tsara ny nanombohana ny Bokinʼi Môrmôna aminʼi Lehia sy ny fianakaviany, izay ahitana anʼi Nefia mandeha ary manao, ary isika dia olona mandeha ary manao. Ary mino aho fa misy hery lehibe ao anatinʼizany. Mitazona ny finoantsika ho velona izany. Ary raha toa ka nivily kely ny finoantsika dia afaka misintona antsika hiverina izany. Tiako ny zavatra nolazain’ny Filoha Monson momba ny Mpamonjy. Nilaza izy fa navitrika nanampy sy nanompo foana ny Mpamonjy. Inoako fa afaka manaraka tsara izany ohatra izany isika.
Andao hijery ny horonan-tsary manaraka.
Mahatsapa fiadanana na dia eo aza ny fanahiana
Tanora: Noho izaho be fanahiana, dia sarotra amiko indraindray ny ho faly rehefa miahiahy foana aho. Ary nanontany tena aho raha toa ianareo ka mba manana hevitra momba ny fomba ahatsapana fiadanana kokoa ao aminʼny Mpamonjy mba hahafahana mahatsapa fifaliana matetika kokoa.
Loholona Kearon: Fanontaniana tena tsara izany satria samy matahotra sy manahy daholo isika indraindray. Vesaranʼizany misimisy kokoa mihoatra ny hafa ny sasany amintsika. Mila fanampiana hiadiana aminʼny tahotra sy ny fanahiantsika ny sasany amintsika. Ilàna hidirana aminʼny sehatry ny fitsaboana izany ho anʼny sasany amintsika, ary soa ihany fa mihamivoatra isika aminʼny fifanampiana aminʼizany na ny fitadiavana fanampiana ara-pitsaboana aminʼny tahotra sy ny fanahiana.
Raha mijery soratra masina ianao, raha ny fahafantarako azy, dia i Jakôba no olona ao aminʼny soratra masina izay miresaka momba ny fananana fanahiana sy ny hoe “ny fanahia[ko] lehibe” betsaka indrindra mihoatra ny olona hafa. Ary mahaliana izany satria tsy mitovy aminʼny ahy mihitsy ny fanahiana ananany, aminʼny lafin-javatra maro mazava ho azy. Mifantoka aminʼny hafa ny fanahiany. Ho anʼny vahoakany sy izay mahasoa azy ireo ny fanahiany. Ny fanahiako kosa aminʼny ankamaroanʼny fotoana dia mahakasika ny tenako sy ny fahasalamako ary ny hoe nanimba zavatra ve aho taminʼity zavatra ity na ity. Ny zavatra nianarako hatrany hatrany, izay tsy maintsy ianarako sy averiko ianarana foana, dia ny hoe raha mieritreritra olona hafa aho dia misinda ny fanahiako. Mila mieritreritra izay mahasoa ny olona hafa fotsiny aho dia manomboka misinda ny fanahiako. Raha ny marina dia nanjavona izany. Matetika dia manjavona fotsiny izany. Ary raha manao zavatra tsara ho anʼolona hafa aho dia misy hery lehibe ao anatinʼizany. Ka noho izany dia te hitovy kokoa aminʼi Jakôba aho ary hampifantoka kokoa ny fanahiako aminʼny olona hafa. Ary mino aho fa misy fanasitranana goavana ao anatinʼizany.
Rahavavy Kearon: Aminʼizao andro maoderina izao dia matetika isika no mahatsapa tsy fahazoana aina na fanaintainana ary tiantsika hiala avy hatrany izany. Diso zatra mahazo fahafaham-po avy hatrany fotsiny isika. Eritrereto hoe ao aminʼny trano fidiovana ianao dia somary diso mangatsiaka ny rano, noho izany dia ahodinao kely miankavia fotsiny ny hidim-paompy dia lasa mafana kokoa ilay rano. Na aminʼny zavatra hafa koa. Ary tena lasa zatra mahazo aina tsotra izao isika. Te hahazo aina foana. Te hahazo aina ny olombelona. Tsy te hahatsapa ho tsy mahazo aina isika.
Rehefa manana ahiahy momba ny hoavy isika satria tsy fantatra ny aminʼizany, dia tsy mahagaga mihitsy izany. Ary tsy maintsy manaiky izany ampahany aminʼny maha-olombelona izany isika, isanʼny ao anatinʼny fiainana eto aminʼity tontolo ity ny manaiky ireo fotoana tsy hahazoana aina sy ny tsy fananana olana eo anatrehanʼny zavatra tsy fantatra. Mety ho azonao an-tsaina fa hisy andro vitsivitsy na herinandro vitsivitsy na volana vitsivitsy mihitsy aza tsy hampitombina tsara anao, na hahatsapanao alahelo mihitsy koa. Mila faly sy malahelo isika. Ilaintsika ny fifaliana sy ny alahelo. Ary ireo zavatra niainana ireo, ireo fihetseham-po ireo no mahatonga ny fiainana ho mahafinaritra sy kanto tokoa.
Loholona Kearon: Te hanampy ohatra voafaritra tsara avy aminʼi Jakôba aho. Niresaka momba anʼi Jakôba aho teo, ary azontsika vakina ao aminʼny Jakôba 4 ao aminʼny andininy 2 ka hatraminʼny 4 ny hoe:
“Nefa izahay dia afaka manoratra teny vitsivitsy eo amin’ny takelaka izay hanome ny zanakay ary koa ny rahalahy malalanay ampaham-pahalalana kely momba anay, na momba ny razambeny—
“Ankehitriny izany zavatra izany no mahafaly anay; ary miasa amim-pahazotoana tokoa izahay mba hisokitra ireo teny ireo eo amin’ny takelaka ka manantena fa ny rahalahy malalanay sy ny zanakay dia handray azy ireny amin’ny fo feno fisaorana ary hiandrandra azy ireny mba hahazoany mianatra amim-pifaliana fa tsy amin’alahelo. …
“Satria noho izany fikasana izany no efa nanoratanay ireto zavatra ireto dia ny hahazoany mahafantatra fa izahay dia nahalala ny amin’i Kristy, ary nanananay ny fanantenana ny voninahiny taon-jato maro talohan’ny fiaviany.”
Ny zavatra tiako aminʼizany dia mbola ilay i Jakôba mieritreritra ny olona hafa hatrany. Nieritreritra ny olona nanodidina azy avy hatrany foana izy, ary teto izy dia nieritreritra ireo olona tao aminʼireo taranaka handimby. Tonga hatrany ny fanahiany. Nitondra inona ho azy izany? Nanampy azy tsy hifantoka taminʼny tenany izany, nanome azy fifaliana lehibe, ary nitondra fifaliana lehibe ho anʼireo taranaka nifandimby izany, mandraka ankehitriny, araka ny zavatra voalazany.
Rahavavy Kearon: Loharano lehibe iray ipoiranʼny fanahiana ho anʼny marobe amintsika ny hoe rehefa mijery izao tontolo izao isika dia mahita korontana lava, hitantsika ny zava-mitranga ao aminʼny vaovao rehetra manerana izao tontolo izao, ary miteraka fanahiana izany. Ary mahavaky fo fa ny sasany amintsika dia miaina ao anatinʼireo vanim-potoananʼny korontan-dava sy ny tsy rariny ireo sy mandalo izany. Ary nahoana izany no miteraka fanahiana eo amintsika? Satria tsy natao hiaina fifandirana ny fanahintsika. Nampianatra mazava tsara i Jesoa fa “ny fanahinʼny fifandirana dia tsy [Azy]”. Natao ho anʼny hatsaram-panahy sy ny halemem-panahy sy ny fitiavana sy ny famelan-keloka ary ny fiadanana ny fanahintsika. Ka rehefa mahita ireo olombelona namantsika miaina ao anatinʼny savorovoro sy ny tsy rariny eo aminʼny fiainana izay hita eny aminʼny manodidina antsika isika dia tena sarotra ho anʼny fanahintsika izany. Tsy te hahita izany isika.
Inona no holazainʼny Mpamonjy ho setrinʼizany? Fantatsika fa niteny Izy hoe: “Aty aminʼizao tontolo izao [eny] no ahitanareo fahoriana”. Hisy korontana lava sy tsy rariny. Hisy ady, ary hisy loza. Saingy na dia eo aza izany dia hoy i Jesoa: “Matokia”. Nahoana? Satria “Izaho efa naharesy izao tontolo izao aho”. Mila maka antoka isika fa manana fotoana ampy tsara izay tsy hijerentsika ireo tosa-baovao ao aminʼny tambajotran-tseraserantsika fa mba hifandraisantsika aminʼny Mpamonjintsika sy hahazoantsika ny fiadanany, izay tonga, satria efa naharesy anʼizao tontolo izao Izy ary efa nanefa ny saranʼireo tsy rariny rehetra izay hitantsika manodidina antsika. Esory ao am-ponao ireo vesatra sy ahiahy ka apetraho Aminy. Manana tanjaka ampy izy hizakana izany.
Andao hijery ny horonan-tsary manaraka.
Mahita fifaliana ao anatinʼny zavatra tsy mbola fantatra
Tanora: Ahoana no ahitanao fifaliana aminʼny maha-tanora anao rehefa tsy tena fantatrao ny zavatra miandry anao any aoriana?
Rahavavy Kearon: Ny valinʼizany dia hifototra, tahaka ny zavatra hafa maro, aminʼny finoana sy ny fahatokiana anʼi Jesoa Kristy ary aminʼny fony be fitiavana sy feno fiantrana. Nanokana hoavy tsara indrindra ho anao fotsiny Izy, ho antsika tsirairay avy. Arakaraka ny ahafahantsika matoky izany no ahafahantsika mamela ny tenantsika hiantehitra tanteraka Aminy sy aminʼny fitarihany ary hiaina araka ny sitrapony sy ahafahantsika matoky fa hisy zavatra tsara hitranga any aoriana any. Mino aho fa tena hanampy antsika hahita fifaliana izany. Manome antsika fahatsapana ho mafy orina sy fahatsapana fiadanana ao am-pontsika izany, fahatokiana eo anatrehanʼny Tompo. Tsy mahavita afa-tsy ny mifaly isika rehefa mampitombo finoana sy fahatokiana anʼi Kristy sy ny drafiny ho antsika. Zavatra efa niainako izany. Ary rehefa tonga ireo zava-tsarotra, izay misy foana ary mbola hisy foana, dia tsy tokony ho gaga aminʼizany isika, tsy tokony hiala amin’ilay lalana isika. Afaka mampitodika bebe kokoa ny fontsika any Aminy fotsiny isika ary manontany Azy hoe, “Eny ary, inona no tianao hianarako avy aminʼizao toe-javatra misy izao? Inona no tokony hataoko izao?”, sady matoky tanteraka fa hitarika anao Izy.
Loholona Kearon: Tiako koa izany. Indraindray rehefa manahy ny aminʼny hoavy isika dia mety hanampy ny manao jery todika. Ary ny fiainanao dia mety ho fifangaroanʼny fotoana maro mahafinaritra sy fotoan-tsarotra maro aminʼny halehibeny samihafa. Naheno olona niteny aho hoe, “Tsy fantatsika hoe efa tafahanika hatraiza isika raha tsy efa mitazana avy eny amboninʼny tendrombohitra”. Kisarisary tena tsara azoko saintsainina izany. Ary mazava ho azy fa ny tendrombohitra tsy maintsy hanihintsika dia toa mampatahotra foana, kanefa rehefa manao jery todika isika ary miteny hoe, “Oay e! Efa nahavita izay lalana rehetra izay aho”, dia afaka manome toky antsika ny aminʼny hoavy izany.
Rahavavy Kearon: Tena manampy ny mitadidy fa “tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena”. Ao anatinʼny vanim-potoana iray eo aminʼny fiainana izay hilainao handraisana fanapahan-kevitra marobe, maro tokoa ireo sampanan-dalana azo aleha eny an-dalana, ary mampisalasala izany. Mampisalasala izany, kanefa manampy ny mitadidy fa voatendry mialoha ny tsirairay avy aminareo. Talohanʼny nahatongavanao teto an-tany, fony ianao niara-niaina taminʼny fianakavianao tany an-danitra dia voatendry mialoha ho anʼny tanjona sy asa anirahana voafaritra tsara ianao, ary voatendry mialoha mba hahomby, voatendry mialoha ho aminʼny fahatsarana, mba hanampy ny Tompo aminʼny asany lehibe. Rehefa niresaka taminʼi Mosesy i Jehovah dia hoy Izy taminʼi Mosesy: “Manana asa ho anao Aho ry, … zanakalahiko. ” Ary marina izany ho antsika tsirairay avy. Manana asa ho ahy sy ho ahy Izy, ary voatendry mialoha ho aminʼny zavatra goavana isika.
Loholona Kearon: Tena tsara kosa izany. Ary anisanʼireo fanasana atolotray aminʼity takariva ity ny mba hieritreretantsika lalina kokoa ny zavatra toy izany. Satria angamba ho anʼireo izay nobeazina hanana io fahalalana io dia zavatra mora ekena sy takarina izany hoe voatendry mialoha ho aminʼny zavatra goavana izany. Saingy moa ve very ny lanjanʼizany satria efa toy ny zavatra mahazatra nitaiza antsika teo aminʼny fiainana izany? Saingy zavatra tena misy izany.
Raha lazaina aminʼny teny tsotra, rehefa nifamofo izahay, dia nisy olona feno fahendrena fantatray niteny zavatra toy izao, mikasika ny fahitana fifaliana any aminʼny hoavy tsy mbola fantatra, hoe: “Tsapa vetivety toy ny mitelina zavatra iray sotro ny fifaliana”. Raha ny marina dia hoy izy hoe, “zavatra iray sotrokely”. Ary tsy hadinonay mihitsy izany sarinteny nampiasainy izany. Ny tiany holazaina dia hoe, maraina kanto ny fifaliana. Toy ny mihinana zavatra kely indray mandrapaka ny fifaliana. Fotoana iray iarahana aminʼny namana iray ny fifaliana. Na mety ho aminʼny fomba hafa koa. Fa tsapa vetivety toy ny mitelina zavatra iray sotro ny fifaliana. Izay ny iray.
Ary ilay zavatra hafa iray tiako hosaintsainina dia hoe mila fanazaran-tena ny fahitana fifaliana. Mila fanazaran-tena ireo rehetra ireo, mila asa sy ezaka mafy Ary hanasa anareo aho, hanasa anareo izahay hanokana adiny iray isan-kerinandro hifantohana marina aminʼny fitadiavana fifaliana: ilay oranʼny fanasanʼny Tompo rehefa alahady. Andao izany hataontsika ho ilay fotoana ahafahantsika mahatsapa fifaliana lehibe indrindra ao anatinʼny herinandro. Ary avy eo isika dia afaka manantena fa ho lasa tsapa mandritra ny herinandro izany fifaliana izany. Fa alao sary an-tsaina hoe tsy nataontsika ho ilay fotoana mahafaly indrindra tao anatinʼny herinandro izany ora izany. Tena ho fatiantoka lehibe izany! Koa asaina ary ianao mba hanao izay hahatonga ny oranʼny fanasanʼny Tompo atrehanao ho fotoana mahafaly faranʼizay mahafinaritra. Ary eny, hilatsaka ny ranomasonao eo am-pieritreretana ny fanomezana lehibenʼny fanavotanʼny Mpamonjy, kanefa tsy maintsy ho faly ianao rehefa mieritreritra Azy mivoaka amim-boninahitra anʼilay fasana sy ny zavatra rehetra asehonʼizany ary ny enta-mavesatra rehetra nesoriny taminao.
Eny ary, mbola misy horonan-tsary iray fanampiny.
Mahatakatra sy mampihatra ny Sorompanavotanʼi Jesoa Kristy
Tanora: Ahoana no ahafahantsika mahatakatra tsara kokoa ny Sorompanavotana? Ahoana no ahafahantsika mampihatra ny Sorompanavotana eo aminʼny fiainantsika?
Loholona Kearon: Niditra ho mpikambanʼny Fiangonana aho fony aho 26 taona. Rehefa mieritreritra izany aho dia tadidiko hoe tena sarotra ho ahy taminʼizany ny nahatakatra ny Sorompanavotana. Talanjona aho ary tsy nampino ahy izany. Koa rehefa mieritreritra izany aho aminʼizao, dia mieritreritra araka ny drafitra hoe, Ray any An-danitra, Ray any An-danitra be fitiavana, izay tena tia antsika zanany. Ary ny tanjona ahatongavantsika ety, dia ny hianatra, hivoatra, hifandray, hitia, hitondra tena amim-pinoana. Ary ny Sorompanavotana.
Fantany fa hanao fahadisoana isika, ka dia naniraka ny Zanany sarobidy Izy, izay fantatrao araka ny filazanao azy hoe, “Mijery ianao dia mitomany; mieritreritra ianao dia mitomany”, mba hitondra ny fahotantsika eo Aminy. Amin’ny fomba ahoana? Hohazavainy izany indray andro any, fa fantatsika fa nanao izany Izy. Ka rehefa mieritreritra momba ny Sorompanavotana tahaka izany aho dia mieritreritra ny tanjonʼny drafitry ny Ray any An-danitra ho anʼny fahasambarana ho anao sy ho ahy. Ary afaka manomboka mahatakatra aho ao anatinʼizany sahan-kevitra izany. Saingy tsy mino aho hoe misy amintsika eto manana fahatakarana manakaiky ny tonga lafatra momba ny Sorompanavotana.
Kanefa rehefa takatsika fa ilay drafitra sy ny Sorompanavotana dia afaka manampy antsika hamakivaky ny fitsapana sy ny olana rehetra, hahatakatra ny fiadanana, hahatakatra ny fitiavana sy ny fifaliana, ary koa ny fahadisoana sy ny fahotanʼny hafa, dia efa mandroso aho izay. Ary amiko dia aorianʼny ranomaso dia tonga ilay fifaliana mahery vaika. Ny fankasitrahana eram-po sy lehibe fa nesoriny avokoa izany rehetra izany. Ary izany no fahatakarana tsara indrindra aorianʼny ranomaso rehetra, aorianʼny alahelo rehetra, aorianʼny fanaintainana rehetra, dia ilay fifaliana. Tena mbola tsy takatry ny saiko indray izany. Kanefa tena misy izany ary tena kanto tokoa. Ary tsapako izany ankehitriny.
Rahavavy Kearon: Isakʼizay omena tanjaka aho mba hanana faharetana kokoa noho izay nananako na ho tony kokoa noho ny teo aloha na hanao safidy tsara kokoa, isakʼizay omena tanjaka na fitarihana na famporisihana kely etsy sy eroa mba ho lasa tsaratsara kokoa, dia izany amiko no hery sy tanjakʼi Jesoa Kristy izay mitosaka avy aminʼny sorompanavotany. Fa manana ny zonʼny famindram-po Izy. Nomena ny zonʼny famindram-po sy ny hery avy aminʼny Ray Izy mba ho afaka hampindrana antsika ny tanjany sy ny heriny satria Izy nijaly ho anao sy ho ahy tao aminʼilay saha sy teo aminʼny hazo fijaliana. Ary satria vonona ny hanao izany Izy ary satria nahavita hatraminʼny farany ny asa nampanaovina Azy Izy, dia ananany ny zo sy ny hery hanome anao ny tanjany sy hanome anao ny fitiavany ary hanome anao ny fanantenany.
Rahavavy Kearon: Vakintsika ao aminʼny Mosesy fa tsy tambo isaina ireo zavatra noharinʼ Andriamanitra. Tsy misy fomba ahafahantsika manisa azy ireny. Kanefa hoy Izy ao aminʼny Mosesy 1: “Tsy mety ho voaisa ireo ho an’ny olona; fa voaisa ireo ho Ahy, fa Ahy ireo”. Anio hariva ianao dia 1 ao anatinʼny 1.000.000, fa raha ny marina dia 1 anatinʼny 8.000.000.000 ianao eto aminʼizao tontolo izao, saingy voaisa ianao ho anʼ Andriamanitra. Fantany ianao. Fantatra sy tiana ianao, ary mahafantatra ny antsipiriany rehetra eo aminʼny fiainanao Izy. Fantany aminʼny anaranao ianao, ary Izy dia “handao ny sivy amby sivy folo” mba hitady ilay iray. Raha ianao io anankiray io, raha olona tianao io anankiray io, dia tsy ampy ho anʼny Mpamonjy ny 99 isan-jato. Tiany hiverina Aminy ny tsirairay avy, ary tsy ho vita ny asany raha tsy voangona soa aman-tsara avokoa ny rehetra.
Loholona Kearon: Ary raha mahatakatra zavatra manan-danja iray hafa mahakasika ny Sorompanavotanʼny Mpamonjy isika dia mety ho ity ao aminʼny 2 Nefia toko faha -9 ity izany: “Noho izany dia tsy maintsy ilaina ny sorompanavotana tsisy fetra—fa raha toa ka tsy sorompanavotana tsisy fetra izany, dia tsy ho afaka hitafy ny tsy fahalovana ity fahalovana ity”. Feno fankasitrahana aho noho ny Sorompanavotana tsisy fetranʼi Jesoa Kristy sy noho ny fahafahantsika rehetra mivory izao hariva izao miaraka aminʼny finoana sy ny hery ary ny fahatakarana izay mikoriana avy aminʼizany.
Izao dia misy hafatra ho antsika. Misy hafatra ho anareo avy aminʼny Filoha Dallin H. Oaks. Ary tena fohy izany. Eo amin’ny iray minitra sy sasany eo izany. Kanefa rehefa mihaino izany ianareo dia henoy ilay fampanantenana izay omeny anareo.
Filoha Dallin H. Oaks: Ry namako malala, ny iray aminʼireo fahafahana lehibe indrindra hianarana sy hanangonana ary hankaherezana ny hafa dia hita ao aminʼny institiota.
Miaina ao anatinʼny vaninandro ahitana foana ireo zavatra mahavarimbariana sy mampisafotofoto isika. Mifanohitra aminʼizany kosa, ao aminʼny institiota ianao dia hianatra hanavaka ny marina aminʼny diso, hanorina ny fifandraisanao aminʼny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany, hahazo fitarihana sy hahita ny valinʼireo fanontaniana lehibe indrindra eo aminʼny fiainana, hihaona aminʼny hafa mba hanampy anao eo aminʼny lalanʼny fanekempihavanana, hihaona aminʼireo olona izay mety hosafidinao hifankahafantarana kokoa sy halaina vady, ary hiomana hitia sy hitarika tahaka ny Mpamonjy.
Ry tanora malalako, manasa anareo aho mba hanatrika tsy tapaka ny institiota. Mamporisika anareo ihany koa aho mba hanasa namana mba hizarana izany fitahiana izany. Mampanantena aho fa hitondra ny fiadananʼny Mpamonjy sy ny fifaliany ary ny fitiavanʼ Andriamanitra ny fotoana hanatrehanao institiota. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.