Mampatanjaka ireo mpikambana vaovao
Fampatanjahana ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto


“Fampatanjahana ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto,” Fampatanjahana ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto (2020)

“Fampatanjahana ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto,” Fampatanjahana ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto

Fampatanjahana ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto: Rindran-damim-panofanana aroso

Mitana anjara asa manan-danja ireo mpikambana sy misiônera amin’ny fanampiana ireo mpikambana vaovao sy ireo izay miverina mazoto mba hitozo eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana dia tompon’andraikitra amin’ireo ezaka atao isan’andro amin’ny asa fitoriana ao amin’ny paroasy, tafiditra amin’izany ny fikolokoloana ireo mpikambana vaovao sy ireo izay miverina mazoto. Eo ambany fitarihan’ny filohan’ny tsatòka sy ny eveka, ny filohan’ny kôlejin’ny loholona sy ny Fikambanana Ifanampiana dia tompon’andraikitra amin’ny fakana antoka fa ireo mpitarika ao amin’ny paroasy sy ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo dia mahazo sy mandray andraikitra araka izao torolalana manaraka izao.

Mba hijanonan’ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana dia zava-dehibe ny (1) hahatsapan’izy ireo fa tsy vahiny izy ireo, amin’ny alalan’ny fifandraisana matanjaka amin’ Andriamanitra sy ireo mpikambana hafa, (2) hinoany an’i Jesoa Kristy sy hampitomboan’izy ireo ny finoany Azy, ary (3) hahatongavany ho mpanaradia an’i Kristy amin’ny alalan’ireo zavatra iainana manan-danja.

Ireto atrikasa manaraka ireto dia hanampy anao hampianatra ny mpikambana hafa ny fomba fampiasana loharano manan-danja entina hanampy amin’io ezaka io. Azo atao eo anivon’ny tsatòka na ny filankevitry ny paroasy ireto atrikasa ireto miaraka amin’ireo misiônera amin’ny fotoana feno. Ny fizarana roa voalohany dia tokony homena ihany koa an’ireo mpinamana miara-manompo voatendry hanompo an’ireo mpikambana vaovao sy ireo izay miverina mazoto.

Tabilao: Manampy ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana

  1. Sokafy ny Médiathèque de l’Évangile (ilay application na ny tranonkala) dia mandehana eo amin’ny Boky torolalana sy antso avy eo Antso ao amin’ny paroasy na sampana ary avy eo Mampatanjaka ireo mpikambana vaovao sy miverina mazoto. (Hitanao ao amin’io fizarana io ireo fitaovana ilainao amin’ity fiofanana ity.) Sokafy ary jereo ny hoe “Manampy ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.” Ifanakalozy hevitra ireto manaraka ireto miaraka amin’ny mpiara-manompo na vondrona:

    • Nahoana ireo traikefa ireo no fototry ny fanampiana olona hiditra sy hijanona amin’ny lalan’ny fanekempihavanana?

  2. Jereo ny fizarana ho an’ny horonan-tsary “The Bush Family Story [Ny tantaran’ny fianakaviana Bush]” (ao amin’ny fizarana ho an’ny Horonan-tsary Mampatanjaka ireo mpikambana vaovao) na ny “The Battina and Sydney Story [Ny tantaran’i Battina sy Sydney]” ary ny “The Lynette and Sean Story [Ny tantaran’i Lynette sy Sean]” (ao amin’ny fizarana ho an’ny Horonan-tsary Mampatanjaka ireo mpikambana miverina mazoto). Rehefa mijery ireo horonan-tsary ianao dia tadiavo ny fomba nampiharana ireo zavatra ao amin’ilay tabilao mahakasika ny hoe “Before Baptism or Returning to Church [Alohan’ny batisa na hiverenana hiangona,” “Soon after Baptism or Returning to Church [Tsy ela aorian’ny batisa na niverenana niangona],” ary ny “Within the First Year [Ao anatin’ny herintaona voalohany]” ao amin’ny tantara tsirairay.

    7:12
    6:44

    Ifanakalozy hevitra ny hoe:

    • Inona no efa ataontsika tsara mba hanampiana ireo mpikambana vaovao hivoatra?

    • Inona no lafiny iray na roa tsapantsika fa azontsika hatsaraina?

  3. Jereo ilay sombina horonan-tsary “L’importance de l’amitié” (Ny maha-zava-dehibe ny finamanana). Ifanakalozy hevitra ny hoe:

    • Nahoana ny finamanana tena marina amin’ireo mpikambana no isan’ireo singa matanjaka indrindra hanampiana ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto hiditra sy hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana?

    • Ahoana no fomba hanorenantsika finamanana tena izy haingana indrindra? Ahoana no hihazonantsika izany finamanana izany?

  4. Jereo ilay sombina horonan-tsary “Œuvrer ensemble” (Miara-miasa). Ifanakalozy hevitra ny hoe:

    • Tamin’ny fomba ahoana no niarahan’ireo mpikambana sy misiônera niasa mba hahatanteraka ny zavatra nilain’ny fianakaviana Bush?

    • Inona no azo hatsaraina ato amin’ny rantsana misy antsika mba hahatonga ireo mpikambana sy misiônera hiara-hiasa amin’ny fomba mahomby kokoa ao anatin’ireo ezaka ireo?

  5. Jereo ny horonan-tsary “Blessing New and Returning Members through Councils [Mitahy ny mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto amin’ny alalan’ny Filankevitra].”

    5:25

    Ifanakalozy hevitra ny hoe:

    • Tamin’ny fomba ahoana no niarahan’ny episkôpà sy ny filankevitry ny paroasy ary ny filankevitra enti-mandrindra ny asa fitoriana niasa akaiky tamin’ny fanampiana an’i Salvador hivoatra?

    • Ahoana no nanampian’ilay fitaovana Firaketana ny fivoarana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana an’ireo mpitarika?

    • Inona no azo hatsaraina ao amin’ny rantsana misy antsika mba hahafahan’ireo filankevitra sy fivoriana ireo mamaha tsaratsara kokoa ny filàn’ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mavitrika?

Ny lalako ao amin’ny fanekempihavanana

  1. Ao anatin’io fizarana io ihany ao amin’ny Mampatanjaka ireo mpikambana vaovao sy miverina mazoto ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile dia sokafy ny Ny lalan’ny fanekempihavanako dia mandehana ao amin’ny teny fampidirana ny “Ny lalan’ny fanekempihavanako.” Iaraho mamaky io pejy io dia ifanakalozy hevitra ny fomba azo ampiasana Ny lalan’ny fanekempihavanako entina hanampiana ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto. Mijereva farafahakeliny traikefa roa amin’ Ny lalan’ny fanekempihavanako. Ifanakalozy hevitra ny hoe:

    • Ahoana no fomba ahafahan’ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo miara-miasa amin’ny misiônera hanampy ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto?

    • Ahoana no ahafahan’ireo traikefa ireo manampy ny mpikambana vaovao sy ireo izay miverina mazoto hianatra ny filazantsara, hahatsapa ny Fanahy, ary hanorina finamanana maharitra amin’ireo mpikambana hafa?

  2. Manaova drafitra ny amin’ny fomba hanampianao ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto tompoinao mba hiditra ao amin’ Ny lalan’ny fanekempihavanako. Raha toa ka mampiasa fitaovana Android izy ireo, dia azony atao ny misintona an’ilay application Médiathèque de l’Évangile avy ao amin’ny Google Play store eto. Raha toa ka mampiasa fitaovana iOS izy ireo, dia azony atao ny misintona eto an’ilay application Médiathèque de l’Évangile avy ao amin’ny Apple App store. Azonao atao koa ny manome tahadika vita printy. (Fanamarihana: Ireo mpikambana vaovao sy ireo izay miverina mazoto dia afaka mahita ny Ny lalan’ny fanekempihavanako amin’ny fandehanana ao amin’ny Olon-dehibe ary avy eo Mpikambana vaovao na mpikambana miverina mazoto ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile.)

Firaketana ny fivoarana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana

Ny tatitry ny fivoarana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana dia natao hanampiana ireo mpikambana vaovao sy ireo niverina mazoto hanara-maso ny fivoaran’izy ireo eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana mandritra ireo roa taona voalohany maha-mpikamban’ny Fiangonana azy ireo na niverenany mazoto ato amin’ny Fiangonana. Natao ihany koa izany mba hanohanana ireo olona izay ampianarin’ny misiônera. Azon’ireo mpitarika eo an-toerana jerena amin’ny alalan’ny menu Rapport ao amin’ny appli Outils pour les membres sy ny DDG (LMM) izany.

Ny tatitry ny fivoarana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana dia nampiarahana amin’ny appli Prêchez mon Evangile izay ampiasain’ny misiônera mitory amin’ny fotoana feno. Rehefa avaozina ny zavatra ao amin’ny iray amin’ireo dia lasa voaova ho azy ny ao amin’ilay iray hafa. Tokony ho ampiasain’ny mpitarika eo an-toerana io tatitra io ho fitaovana fototra amin’ny fandrindrana asa. Tokony ho sokafan’izy ireo sy jereny matetika izany, anisan’izany rehefa eo anivon’ny fivoriana filankevitry ny paroasy sy ireo fivoriana fandrindrana ary rehefa mihaona amin’ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno.

Ireto mpitarika manaraka ireto dia afaka mahita sy manavao ny fivoaran’ny mpikambana vaovao iray na niverina mazoto amin’ny alalan’ny Firaketana ny fivoarana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana:

  • Mpikambana vaovao (anisan’izany ny ray aman-drenin’ankizy)

  • Episkôpà (anisan’izany ireo mpitamboky sy mpitantsoratra)

  • Fiadidian’ny kôlejin’ny loholona (anisan’izany ireo mpitantsoratra)

  • Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana (anisan’izany ireo mpitantsoratra)

  • Mpitarika ny asa fitoriana eo anivon’ny paroasy (tafiditra ao anatin’izany ny Mpitarika ny asa fitoriana mpanampy eo anivon’ny paroasy)

  • Misiôneran’ny paroasy

  1. Mba hahitana ilay tatitra dia sokafy ny application Outils pour les membres (na Documentation pour les dirigeants et les greffiers [DDG] an-jotra), mandehana ao amin’ny Rapports, ary avy eo dia safidio ny Progression des nouveaux membres et des membres qui reviennent à l’Église. Hanana ny safidy hifantenana ny iray amin’ireto fizarana telo ireto ianao: Mpikambana vaovao, Mpikambana miverina mazoto, ary Mpikambana ampianarina. Ny fizarana tsirairay dia mampiseho fampahalalana fototra momba ireo izay natao batisa tao anatin’ny roa taona lasa ka mipetraka ao amin’ny rantsana misy anao ary ireo izay ampianarin’ireo misiônera amin’izao fotoana izao. Rehefa mijery ny fizarana momba ny mpikambana miverina, ireto mpitarika manaraka ireto dia afaka manampy mpikambana miverina rehefa nahazo lalana avy amin’ilay mpikambana miverina mba hampidirana azy ireo:

    • Episkôpà (anisan’izany ireo mpitamboky sy mpitantsoratra)

    • Fiadidian’ny kôlejin’ny loholona

    • Fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana

    • Mpitarika ny asa fitoriana eo anivon’ny paroasy (tafiditra ao anatin’izany ny Mpitarika ny asa fitoriana mpanampy eo anivon’ny paroasy)

    Jereo ny lisitr’ireo mpikambana vaovao na miverina mazoto dia ifanakalozy hevitra ny fivoaran’izy ireo.

  2. Safidio ny anaran’ilay mpikambana vaovao na miverina mazoto (na safidio ny Afficher la progression (Aseho ny fivoarana) ao amin’ny DDG sy IOS). Miseho ny fampahalalana fanampiny momba ny fivoaran’ilay olona. Ifanakalozy hevitra ny hoe:

    • Inona no ifandraisan’io fampahalalana io sy Ny lalan’ny fanekempihavanako?

    • Inona no mila mitranga mba hanampiana ireo mpikambana vaovao na miverina mazoto hivoatra?

  3. Ireo izay manana fahafahana hanova dia afaka:

    • Mirakitra ny fanatrehana fivoriana fanasan’ny Tompo. (Fanamarihana: Raha toa ka tsy afaka manatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo noho ny antony ara-pahasalamana ilay mpikambana vaovao na miverina mazoto dia mariho hoe manatrika izy ireo raha toa ka afaka nandray ny fanasan’ny Tompo tao an-trano ilay mpikambana vaovao na nanatrika ny fivoriana fanasan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fomba fampitan-davitra.)

    • Manampy anaran’ny namana iray amin’ny fampahalalana momba ilay mpikambana vaovao na miverina mazoto.

    • Manampy ireo fitsipika nampianarina (ireo lesona misiônera aorian’ny batisa).

    • Maka antoka fa marina ireo fampahalalana momba ireo rahalahy sy rahavavy mpanompo.

  4. Hisy fanamarihana hiseho ao amin’ilay application rehefa mampiseho tsy fahavitrihana amin’ireo zavatra ataon’ny Fiangonana ny Firaketana ny fivoarana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ho an’ny olona iray.

  5. Afaka manova ny fivoarany manokana ihany koa ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto. Asaivo mitady ny pejy misy ny mombamomba azy ireo ao amin’ny Liste des membres ao amin’ny Outils pour les membres ny mpikambana vaovao. Avy eo dia asaivo manindry ny Firaketana ny fivoarana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ilay mpikambana.

  6. Ireo fiadidian’ny kôlejin’ny loholona sy ny an’ny Fikambanana Ifanampiana dia tompon’andraikitra amin’ny fakana antoka fa navaozina ara-potoana ny fampahalalana momba ny mpikambana. Azon’izy ireo atao ny mizara izany andraikitra izany. Ifanakalozy hevitra hoe iza no hanavao ny fampahalalana momba ny mpikambana, isaky ny hafiriana (izany no havaozina), ary ny fomba hampiasana ny Firaketana ny fivoarana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana ao amin’ny filankevitry ny paroasy sy ireo fivoriana fandrindrana isan-kerinandro.

Fehin-kevitra

  1. Asehoy ilay sombina horonan-tsary “Comment l’œuvre de l’histoire familiale et du temple fortifie les nouveaux membres.”

    5:13

    Ifanakalozy hevitra ny fomba hanampian’ny ezaka ataonao an’ireo mpikambana vaovao sy izay miverina mazoto hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana (jereo ny Jaona 15:16) ary handray ireo ôrdônansy rehetran’ny famonjena sy ny fisandratana amin’ny farany. Ataovy drafitra ny zavatra hataon’ny rantsana misy anao mba hikolokoloana ireo mpikambana vaovao sy ireo miverina mazoto ary koa ireo izay ampianarin’ny misiônera ao am-piangonana.