“Manampy ny mpikambana vaovao sy ireo miverina mazoto hanaraka ny lalan’ny fanekempihavanana,” Manampy ny mpikambana vaovao hanaraka ny lalan’ny fanekempihavanana (2020)
“Manampy ny mpikambana vaovao sy ireo miverina mavzoto hanaraka ny lalan’ny fanekempihavanana,” Manampy ny mpikambana vaovao hanaraka ny lalan’ny fanekempihavanana
Manampy ny mpikambana vaovao sy ireo miverina mazoto hanaraka ny lalan’ny fanekempihavanana
Alohan’ny batisa
-
Moa ve izy ireo efa misy finamanana mpikambana?
-
Moa ve izy ireo efa nizara ny zavatra ilainy tamin’ny mpikambana? Moa ve izy ireo efa nanatrika kilasy momba ny fizakan-tena raha toa ka nilaina izany?
-
Moa ve izy ireo mianatra sy mivavaka momba ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?
-
Moa ve izy ireo efa nianatra momba ny tempoly sy ny fianakaviana mandrakizay ary nanomboka nanao ny tantaram-pianakaviana?
-
Moa ve izy ireo efa namaritra daty hanaovana batisa sy handraisana ireo razambeny efa maty ho mpikambana?
-
Moa ve izy ireo mahafeno ireo fepetra takina amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana?
-
Moa ve izy ireo manatrika tsy tapaka ny fivoriana fanasan’ny Tompo?
Fotoana fohy aorian’ny batisa na ny fankanesana indray any am-piangonana
-
Moa ve izy ireo mahatsapa ho voaray tsara ao amin’ny paroasy?
-
Moa ve efa nanomboka nikarakara azy ireo ny rahalahy sy rahavavy mpanompo azy?
-
Moa ve izy ireo manatrika tsy tapaka ny fivoriana fanasan’ny Tompo?
-
Moa ve efa nandray ny Fisoronana Aharôna ireo mpikambana vaovao lehilahy mahafeno fepetra? Raha toa ka mpikambana miverina mavitrika indray ilay lehilahy, moa ve izy efa nandray ny Fisoronana Aharôna sy Melkizedeka tany taloha?
-
Moa ve izy ireo efa nahazo fahazoan-dàlana hidirana ny tempoly mba hanaovana batisa sy handraisana ho mpikambana isoloana tena, sy nandray anjara tamina batisa ho an’ireo razambeny efa maty?
-
Moa ve izy ireo manohy mivavaka sy mandalina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, miaraka amin’ny fanampian’ny mpikambana sy ny misiônera?
-
Moa ve izy ireo manana andraikitra ao amin’ny Fiangonana sy manana andraikitra amin’ny maha-rahalahy na rahavavy mpanompo?
-
Efa nandray anjara tamin’ny kilasy momba ny fizakan-tena ve izy ireo raha toa ka nilaina izany?
Mandritra ny taona voalohany aorian’ny batisa na ny fankanesana any am-piangonana indray
-
Moa ve efa maharitra ny finamanan’izy ireo amin’ny mpikambana ao amin’ny paroasy?
-
Moa ve izy ireo efa nampatanjaka ny finoany an’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny vavaka sy ny fandalinana tsy tapaka ny filazantsara?
-
Moa ve ireo mpikambana lehilahy mahafeno fepetra efa nandray ny Fisoronana Melkizedeka?
-
Moa ve izy ireo manao asa fanompoana ho an’ireo sahirana? Moa ve izy ireo manana antso ao amin’ny Fiangonana?
-
Moa ve izy ireo efa namaritra daty mba handraisany ireo ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny tenany manokana, na hiverenana any amin’ny tempoly mba hanatanterahana ôrdônansy ho an’ireo razambe efa nodimandry? Moa ve izy ireo manohy manao ny asan’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana?