Fikambanana Ifanampiana
Zavatra iainana tohanan’ny Fikambanana Ifanampiana


“Zavatra iainana tohanan’ny Fikambanana Ifanampiana”, Zavatra iainana tohanan’ny Fikambanana Ifanampiana (2025)

Zavatra iainana tohanan’ny Fikambanana Ifanampiana

Ny tanjon’ny Fikambanana Ifanampiana dia ny hanampy ireo zanak’ Andriamanitra mba hiomana hiverina eo anatrehany. Ny Fikambanana Ifanampiana dia manatanteraka izany amin’ny alalan’ny fanohanana ireo zavatra iainana izay manome fahafahana ireo rahavavy mba hanome sy handray ny fitiavana sy ny fanamaivanana avy amin’ny Mpamonjy. Rehefa mahatsapa ny fitiavany ireo rahavavy dia hanana faniriana ny hampivelatra ny fifandraisan’izy ireo ara-panekempihavanana amin’ Andriamanitra. Ireo zavatra iainana tohanan’ny Fikambanana Ifanampiana dia manampy ireo rahavavy hanatanteraka io tanjona manan-danja io.

Diniho ombam-bavaka ireo zavatra iainana tokony hifantohana ao amin’ny paroasy sy tsatòka misy anao. Ireo loharanom-pitaovana ampiarahina amin’izany dia afaka manampy anao hianatra momba ireo fitsipiky ny filazantsara izay manohana ireo zavatra iainana ireo. Azonao atao koa ny mampiasa ireo loharanom-pitaovana mba hampianarana ireo rahavavy ny fomba hanamafisana orina ny fifandraisan’izy ireo amin’i Jesoa Kristy.

Vehivavy eo akaikin’ny tempoly

Manomana ireo rahavavy hanao fanekempihavanana, tafiditra ao anatin’izany ny ao amin’ny tranon’ny Tompo

Afaka mahazo hery, fiarovana, fitarihana, fifaliana, ary fiadanana ireo rahavavy rehefa manao izay hananana fifandraisana mifono fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Zatovovavy mitsiky sady mamindra

Mampianatra ireo rahavavy momba ny andraikitr’izy ireo ao anatin’ny fanekempihavanana sy ireo fitahiana avy amin’ny herin’ Andriamanitra

Ireo vehivavy izay manao sy mitandrina fanekempihavanana dia manampy ny Tompo amin’ny asa ho an’ny famonjena sy ho an’ny fisandratana ataony, sy mahazo ny herin’ Andriamanitra.

Vehivavy mipetraka eo an-tokotanin’ny tempoly

Mitsaoka any amin’ny tempoly sy mandray anjara amin’ny asa atao momba ny tantaram-pianakaviana

Rehefa mitsaoka any amin’ny tempoly ireo rahavavy sy mandray anjara amin’ny asa atao momba ny tantaram-pianakaviana dia manampy amin’ny fampiraisana ny fianakaviana ho mandrakizay izy ireo sy mandray ireo fitahiana manasitrana avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Vehivavy miara-mivavaka

Manompo araka ny ho nataon’ny Mpamonjy

Rehefa manaja ny fanekempihavanany amin’ny alalan’ny fanompoana amin’ny fomba tahaka ny an’i Kristy ireo rahavavy, dia mitahy ny fiainan’ny hafa izy ireo ary mampanakaiky kokoa ny tenany amin’ny Mpamonjy.

Vehivavy mifampiresaka

Mandray anjara amin’ny dinidinika momba ny fanompoana

Ny dinidinika momba ny fanompoana dia fotoana ahafahana mamolavola ny fanompoana, maneho fitiavana sy fankasitrahana, mahita ny zavatra ilain’ny mpikambana sy ny tanjak’izy ireo, sy manolotra fanohanana sy loharanom-pitaovana, ary mandray fitaomam-panahy mikasika ny fomba hikarakarana ny rahavavy tsirairay.

  • Dinidinika momba ny fanompoana”, Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 21.3 (jereo koa ny horonan-tsary natsofoka tao amin’ny sehatra fijerena horonan-tsary)

  • D. Todd Christofferson sy Camille N. Johnson, “Ministering interviews”, Fivoriamben’ny Mpitarika ao amin’ny Fiangonana Maneran-tany, ôkt. 2024

Ny Filoha Camille N. Johnson miarahaba vehivavy nandritra ny hetsika iray

Manolotra sy mahazo fanamaivanana

Rehefa miara-miasa amin’i Jesoa Kristy ireo rahavavy mba hanolotra fanamaivanana ara-batana sy ara-panahy ho an’ny hafa dia hahazo fanamaivanana ho azy ireo manokana ao Aminy izy ireo.

Vehivavy milalao miaraka amin’ny ankizy

Mampifandray ny ezaka feno fahamarinana atao isan’andro amin’ireo fanekempihavanana

Rehefa mampihatra finoana sy manaja ny fanekempihavanany isan’andro ireo rahavavy dia afaka mahazo ilay hery manasitrana sy mampatanjaka avy amin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainany izy ireo.

Vehivavy miresaka ao am-piangonana

Mifanakalo hevitra mandritra ireo fivoriana alahady ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana

Rehefa miaraka mifanakalo hevitra mikasika ireo olana sy zavatra ilaina ary fahafahana mifantoka amin’ny Mpamonjy ireo rahavavy dia afaka mandray fanambarana, manorina firaisan-kina, ary mahatsapa ho manan-toerana ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana.

Vehivavy mitsiky

Manomana fiaraha-mientan’ny Fikambanana Ifanampiana mifantoka amin’i Kristy

Ireo fiaraha-mientana dia tokony hanamafy orina ny fanirian’ireo rahavavy hanao sy hitandrina fanekempihavanana sy tokony hanome azy ireo fahafahana hivondrona sy hiara-hanompo.

  • Fiaraha-mientana”, Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 9.2.1.3

  • JustServe Community Service Guidebook

Fianakaviana miara-mianatra

Mamporisika ny fianarana sy ny fampianarana ny filazantsara mifototra amin’ny ao an-tokantrano

Ny fianarana sy fampianarana ny filazantsara ao an-tokantrano dia manampy ireo rahavavy hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo manokana sy ananan’ireo olona ao amin’ny fianakaviany.

Vehivavy mamaky soratra masina

Mandray anjara amin’ny fitsaohana ataon’ny tena manokana

Rehefa mianatra sy miaina ny filazantsara ao an-tokantrano ireo rahavavy dia mihalalina ny fifandraisan’izy ireo ara-panekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Vehivavy miaraka mamaky soratra masina

Mizara ny filazantsara

Ny rahavavy rehetra dia manana andraikitra hizara ny filazantsara, hampatanjaka ireo mpikambana vaovao, ary hanolo-tanana ireo izay malaindaina.

Vehivavy any am-piangonana

Manampy ny zatovovavy hiomana handray anjara ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana

Rehefa manampy ireo zatovovavy handroso mankany amin’ny Fikambanana Ifanampiana ianareo dia hahazo hery izy ireo rehefa manohy mandeha eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.

Vehivavy mifampiresaka

Mifanakalo hevitra amin’ireo mpikambana olon-dehibe ao amin’ny paroasy

Rehefa miomana ara-panahy hihaona sy hifanakalo hevitra amin’ireo mpikambana ianao dia hanome anao ny fitaomam-panahy ilainao ny Tompo.

  • Andraikitra”, Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany, 9.3.2.2 (jereo koa ny horonan-tsary natsofoka tao amin’ny sehatra fijerena horonan-tsary)

  • Mikarakara ireo izay mila fanampiana”, Médiathèque de l’Évangile

    • Loharanom-pitaovana ho an’ny fifanakalozana hevitra, ny fanampiana eo amin’ny fiainana, ny fizakan-tena, ny fiomanana ara-nofo, ary ny fanarenana ny fiankinan-doha.

Vehivavy mahandro

Manampy ny mpikambana ho lasa mizaka tena

Afaka mitahy ireo mpikambana ianao amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo hianatra hampitombo ny fizakan-tena ara-panahy sy ara-batana ary ara-pihetseham-po.