Zava-niseho Araka ny vanimpotoana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna
-
Jaredita
Ity vondron’olona ity dia nandao ny Tilikambon’i Babela ary tonga tany Amerika teo ho eo amin’ny 2200 Talohan’i J.K. Niroborobo izy ireo mandrapahatonga teo amin’ny 600 Talohan’i J.K. teo ho eo izay fotoana naharingana ny olon-drehetra noho ny ady, afa-tsy i Kôriantomira. (Jereo ny Etera 3:1–15.)
-
Nefita
Nandao an’i Jerosalema ny vondron’olon’i Lehia teo amin’ny 600 Talohan’i J.K. ary tonga tany Amerika. Nihanisaratsaraka tsikelikely ny taranany. Taorian’ny nahafatesan’i Lehia dia nanaraka an’i Nefia zanakalahiny nankany avaratra ireo olo-marina. Nantsoina hoe Nefita izy ireo. (Jereo ny 1 Nefia 1–22; 2 Nefia 1–5.)
-
Lamanita
Taorian’ny nahafatesan’i Lehia, dia nitoetra niaraka tamin’i Lamana zanakalahiny ireo olon-dratsy ary nantsoina hoe Lamanita. (Jereo ny 2 Nefia 5.)
-
Miolekita
I Mioleka, zanakalahin’ny Mpanjaka Zedekia dia nitarika vondron’olona avy tao Jerosalema teo amin’ny 587 Talohan’i J.K. teo ho eo ary tonga tany Amerika. Nahita an’i Kôriantomira izy ireo. (Jereo ny Ômnia 1:14–21.)
-
Môsià1
Teo amin’ny 225 Talohan’i J.K. teo ho eo dia lasa ratsy toetra ireo Nefita ka nitarika vondron’olo-marina Nefita nankany Zarahemla i Môsià1 ary nikambana tamin’ireo Miolekita izy ireo. Niantso ny tenany hoe Nefita izy ireo. Lasa Mpanjaka marin-toetran’izy ireo i Môsià1. I Benjamina Mpanjaka dia zanany lahy. (Jereo ny Ômnia 1:12–23.)
-
Zenifa
Teo amin’ny taona 200 Talohan’i J.K. dia nitondra vondron’olona nandeha nianatsimo ilay Nefita anankiray hoe Zenifa mba hitaky ireo tanin’ny Nefita. Vao tonga i Zenifa sy ny vondron’olony dia nobaboin’ny Lamanita izy ireo. Taty aoriana ny Mpanjaka Môsià2 dia naniraka an’i Amôna mba hitady ilay vondron’olona ary dia nampiova fo ny Mpanjaka Limia i Amôna. (Jereo ny Môsià 7:9–22.)
-
Almà1
I Almà1 dia teraka teo anivon’ny vahoakan’i Zenifa, ary lasa iray tamin’ireo mpisoron’ny Mpanjaka Noà ratsy fanahiny. Novonoina ny mpaminany Abinadia taorian’ny nangatahany an’ny Mpanjaka Noà mba hibebaka. Saingy nino ny fampianaran’i Abinadia i Almà1 ary nandeha nandositra niaraka tamin’ny vondron’ny mpino anankiray izay tafaraka tamin’ny Nefita taty aoriana. (Jereo ny Môsià 11; 17–18; 23–24.)
-
I Almà2 sy ireo Zanakalahin’i Môsià2
Fony mbola zatovo i Almà2 sy ireo zanakalahin’ny Mpanjaka Môsià2 dia nanao izay handravana ny Fiangonana. Notezeran’ny anjely anankiray izy ireo ary dia nibebaka. Lasa mpitarika marin-toetra i Almà2. (Jereo ny Môsià 27–29.) Lasa mpitory ny filazantsara teo anivon’ny Lamanita ireo zanakalahin’i Môsià2. Taorian’ny fahombiazana lehibe dia niaraka indray ary nifaly izy ireo sy i Almà2. (Jereo ny Almà 17–26.)
-
Ny Jirik’i Gadiantôna
Lehibe indrindra ny herin’io antokona mpamono olona miafina io rehefa ratsy toetra ny olona teo amin’ny fiaraha-monina ary nalemy indrindra izany rehefa tsara toetra ny olona teo amin’ny fiaraha-monina. Taloha kelin’ny 350 Taorian’i J.K. dia nanozongozona ny filaminana nisy teo amin’ny olona rehetra izy ireo. (Jereo ny Helamàna 2; 6; 4 Nefia 1:42–46.)
-
Jesoa Kristy
Taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty tany Jerosalema, dia niseho tany Amerika ny Mpamonjy, nanompo ny vahoaka sy nampianatra ny filazantsarany ary nanorina ny Fiangonany. Niaina tao anatin’ny fiadanana ny vahoaka nandritra ny 200 taona taorian’ny famangiany. (Jereo ny 3 Nefia 11–28.)
-
Ringana ny Nefita
Niverina tsikelikely ny faharatsiana, nirongatra ny ady, ary ringana ny Nefita. I Môrônia izay hany sisa velona no nitazona ny rakitsoratry ny Nefita ary dia nandevina izany talohan’ny nahafatesany. (Jereo ny 4 Nefia 1:24–28; Môrmôna 8:1–8; Môrônia 10.)
600 Talohan’i J.K.
500 Talohan’i J.K.
400 Talohan’i J.K.
300 Talohan’i J.K.
200 Talohan’i J.K.
175 Talohan’i J.K.
150 Talohan’’i J.K.
125 Talohan’i J.K.
100 Talohan’i J.K.
75 Talohan’i J.K.
50 Talohan’i J.K.
25 Talohan’i J.K.
0
33 Taorian’i J.K.
100 Taorian’i J.K.
200 Taorian’i J.K.
300 Taorian’i J.K.
400 Taorian’i J.K.
Etera
Lamana
Lemoela
Mioleka
Lehia
Nefia
Jakôba
2 Nefita
Enôsa
Jarôma
Ômnia
5 Môsià1
Benjamina
Môsià2
8 Almà2
Kapiteny Môrônia
Helamàna
Nefia, zanakalahin’i Helamàna3
Nefia ilay mpianatr’i Kristy
Môrmôna
Môrônia
6 Zenifa
Noà
Abinadia
7 Almà1
Limia
Asa Fitoriana tany amin’ny Lamanita
9 Jirik’i Gadiantôna
Samoela ilay Lamanita
Teraka tao Betlehema i Jesoa
10 Jesoa Kristy
Nanomboka nisy Nefita sy Lamanita indray
9 Jirik’i Gadiantôna
11 Ringana ny Nefita
Sary nataon’i Taia Morley