Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho Zatovo Mahery!, aprily 2026
Manaiky sy mianatra avy amin’ny fahadisoana nataonao—Na ireo fahadisoana lehibe aza
Afaka mianatra zavatra betsaka avy amin’ny Petera isika momba ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany ary ny fiezahana indray.
Peter’s Denial (Ny Fandavan’i Petera), nataon’i Carl Bloch
Ny ankamaroantsika dia manana fahatsiarovana iray farafahakeliny izay iriantsika mba ho afaka hadinoina fotsiny tsotra izao. Na fotoana tena nahamenatra izany, na fahavoazana ara-batana tena maharary, na hevitra iray izay voateny ka tiana ho nofoanana, misy fotoana betsaka eo amin’ny fiainana izay naniriana ho mba nisy bokotra afaka kitihina mba “Hamerina indray” na koa “Hamafa” mihitsy aza.
Faminaniana mangidy iray izay tanteraka
I Petera Apôstôly dia olona mahavariana tao amin’ny Testamenta Vaovao. Nanana ny finoana sy ny herimpo handehanana teo ambony rano nankany amin’i Jesoa Izy, saingy fotoana fohy taty aoriana dia navelany handresy azy ny tahony ka nanomboka nilentika izy, nitalaho tamin’ny Tompo mba hahazoany fanampiana (jereo ny Matio14:28–31). Na dia tsy fantatsika avokoa aza ny antsipiriany rehetra teo amin’ny fiainan’i Petera, dia fantatsika ny fotoana iray izay nitomaniany fatratra.
Ora vitsy monja talohan’ny nisamborana an’i Jesoa Kristy, dia naminany Izy fa handà Azy intelo i Petera alohan’ny hanenoan’ny akoho indroa. Nandà ny hino faminaniana toy izany i Petera ary "niteny mafy dia mafy hoe: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho" (Marka 14:31).
Mazava ho azy fa tanteraka ny faminanian’ny Mpamonjy. Noho ny horohoro sy ny tahotra avy amin’ny fisamborana ny Mpamonjy dia tsy nahomby ny herim-pon’i Petera. Rehefa avy nandà indroa izy fa nahafantatra ny Mpamonjy, ary rehefa noterena fanintelony i Petera dia "nanomboka niozona sy nianiana, nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy lazainareo izany" (Marka 14:71).
Rehefa avy naneno indroa ilay akoho ka nahatsiaro ny faminanian’ny Mpamonjy i Petera, dia " izy … nitomany fatratra" (Matio 26:75).
Saingy tsy izany no fiafaran’ny tantarany!
Ilay fehizoro navadika, mandrakizay
Amin’ny alalan’ny zavatra rehetra azontsika ianarana ao amin’ny soratra masina dia tsy nandresy na oviana na oviana ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba an’i Jesoa Kristy intsony ny tahotr’i Petera. Nijoro ho vavolombelona tamim-pahasahiana momba ny Mpamonjy tamin’ny fotoana rehetra izy, na inona na inona loza mety hitranga manokana amin’ny fanaovana izany. Tsarovy fa nampianatra vahoaka iray izay vao avy nanombo an’i Jesoa Kristy i Petera! Tena loza mananontanona tokoa izany.
Rehefa nanasitrana lehilahy nalemy tongotra hatrany am-pahaterahany i Petera, ka nandidy azy hoe: "Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, mitsangatsangàna" (Asan’ny Apostoly 3:6), dia nosamborina niaraka tamin’i Jaona izy ary nanontaniana ny fomba nanatanterahany io fahagagana io.
Namaly tamim-pahasahiana i Petera hoe: "Aoka ho fantatrareo rehetra, sy ny vahoakan’ Isiraely rehetra, fa ny anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, izay nohomboanareo tamin’ny hazo fijaliana, fa natsangan’ Andriamanitra tamin’ny maty kosa, dia Izy no itsanganan’io lehilahy io finaritra eto imasonareo.
"Ity no vato izay nolavinareo mpanao trano, nefa tonga fehizoro. Ary tsy misy famonjena amin’ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomena ny olona, izay hahazoantsika famonjena" (Asan’ny Apostoly 4:10–12).
Tena valinteny feno herim-po izany! Ary porofo mazava ny amin’ny finoany.
Mpanompo tsy lavorary, afaka manompo tanteraka
Samy hanota avokoa isika tsirairay eto amin’ity fiainana ity. Na dia eo aza ny ezaka lehibe indrindra ataontsika dia hisy ny fotoana hampihena ny fanantenantsika sy ny fikasantsika. Araka ny nampianarin’ny Filoha Jeffrey R. Holland (1940–2025), filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo indray mandeha izay manao hoe: "Ankoatra ilay Hany Zanany Lahitokana tonga lafatra, dia olona tsy lavorary avokoa no niarahan’ Andriamanitra niasa."
Ny hasarobidinao ara-panahy dia tsy voafaritra na voafetra amin’ny fahadisoana ataonao—eny fa na lehibe aza ireo! Noho izy nibebaka sy navelan’i Kristy heloka dia tsy nanakana azy ho nijoro ho vavolombelona sy nampianatra ary niova fo tamin-kery lehibe ny fandavan’i Petera an’i Kristy. Feno ohatra momba ireo mpianatra hafa izay nanota sy nibebaka ary niezaka tamim-pinoana an’i Kristy ao amin’ny soratra masina.
Hiezaka foana i Satana handresy lahatra anao hoe miampy hatrany ny fahadisoanao ary tsy ho afaka ny handresy azy ireo velively ianao. Saingy aza miraharaha ny laingany!
Nampianatra ny Rahavavy Tamara W. Runia, Mpanolotsaina Voalohany ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovovavy maneran-tany hoe: "Mila mandre ity ianao, ka holazaiko amin’ny feo mafy ireto teny ireto: Tsy ny feo ao an-dohanao na ireo hadisoana nataonao no mamaritra anao. Mety mila milaza izany amin’ny feo mafy koa ianao. Teneno i Satana hoe: -Tsy anio aloha.- Ataovy any ivohonao izy.
"Ataovy tsapa ilay zava-misintona, ilay alahelo araka an’ Andriamanitra izay mampitodika anao any amin’ny Mpamonjinao, ka jereo ny fidiran’ny fahasoavany eo amin’ny fiainanao sy ny an’ireo olona ankamamianao. Mampanantena aho fa vantany vao entintsika eo Aminy am-paharisihana ny fo torotoro dia eo avy hatrany Izy."
Christus Consolator (Kristy Ilay Mpampionona), nataon’i Carl Bloch
Efa mby ireo andro tsara ho anao
Amin’ity vanim-potoan’ny Paska ity, rehefa misaintsaina feno kokoa ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ianao, dia tsarovy fa ny fahafahana mibebaka sy miezaka indray dia iray amin’ireo fanomezana lehibe indrindra azonao raisina hatrizay. Noho i Jesoa Kristy, ny fahadisoanao ratsy indrindra dia afaka ny ho voavela heloka ary avy eo dia horoahina hiala toy ny rojo mavesatra.
"Mamirapiratra mandrakizay mihoatra noho ny haizin’ny henatra ny Mpamonjy," hoy Rahavavy Runia nampianatra.
Noho i Jesoa Kristy dia afaka mamirapiratra eo aloha hatrany ny fanantenana rehefa manohy mifantoka Aminy ianao.
© 2026 by Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved. Natonta tany Etazonia. Fankatoavana ny tamin’ny teny anglisy: 6/19. Fankatoavana ny fandikana: 6/19. Fandikana ny Monthly For the Strength of Youth Message, April 2026. Malagasy. 20064 654