Ho zatovo mahery!
Te ho sambatra kokoa ve ianao? Andramo ny fankasitrahana
Ho zatovo mahery! Febroary 2026


Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho zatovo mahery!, febroary 2026

Te ho sambatra kokoa ve ianao? Andramo ny fankasitrahana

Rehefa feno fiovaovana ny fiainanao dia afaka manampy anao hifantoka amin’ny lafitsaran-javatra sy ho feno fanantenana hatrany ny fankasitrahana.

olona iray eo ambany rahona mainty sy olona iray voahodidin’ny vorona sy lolo ary voninkazo

Sary nataon’i Maggie Stephenson

Tsy ho sambatra kokoa na oviana na oviana mihoatra amin’ny ianao rehefa velom-pankasitrahana ianao.”

Araka ny hevitra aroson’ity teny nambaran’ny Loholona Gary B. Sabin ao amin’ny Fitopololahy ity, dia miantraika mivantana amin’ny halehiben’ny fahasambaranao ny halehiben’ny fankasitrahanao. Mitombina izany, rehefa feno fankasitrahana ianao dia mifantoka amin’ny lafitsara toy izay ny lafiratsin-javatra.

Na izany aza dia tsy mandeha araka ny drafitra natao foana ny fiainana. Ireo fiovana tsy ampoizina dia mety hahatonga anao ho tratran’ny rarin-tsaina, na halahelo, na sorena kokoa fa tsy ho faly. Kanefa rehefa sarotra ny zava-drehetra dia afaka manampy anao ho feno fanantenana hatrany ny fankasitrahana. Andramo ireto fomba telo ireto mba hampisy fankasitrahana bebe kokoa eo amin’ny fiainanao.

1. Tadiavo ny lafin-javatra tsara

Matetika dia tena sarotra ny manana fankasitrahana rehefa mahatsapa ianao fa misy zavatra tsy ampy eo aminao. Saingy inona avy ireo fitahiana mety tsy ho tsikaritrao noho ny fifantohana amin’ny zavatra izay tsy anananao toy izay amin’ny zavatra izay anananao?

Rehefa mikaroka ny lafin-javatra tsara eo amin’ny fiainanao ianao, dia ho mora kokoa ny mahita izany rehefa mandeha ny fotoana.

2. Maneho fankasitrahana an’ilay Mpanome

Rehefa manisa ireo fitahiana azonao ianao dia aza manadino ny niavian’izy ireo.

Ny fisaorana ny Ray any An-danitra noho ireo fanomezam-pahasoavany, anisan’izany ny fanomezana ny Zanany, dia afaka mampitombo ny fitiavanao sy ny fiNoànao Azy. Ny Filoha D. Todd Christofferson, Mpanolotsaina faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, dia nanazava ihany koa fa: “Ny fahatsapana sy ny fanehoana fankasitrahana an’ Andriamanitra … no mitondra fahatsapana fanavaozana feno fifaliana ao amin’ny fitsaohana”, mitondra hafaliana sy tanjaka ary manampy ny fijoroanao ho vavolombelona ho voaaro hatrany.

3. Mifantoha amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra

Mazava ho azy fa ny fankasitrahana dia tsy midika hoe tsy miraharaha ireo zava-tsarotra eo amin’ny fiainana na mahatsapa fifaliana mandritra ny fotoana rehetra. Na i Jesoa Kristy aza dia nahatsapa sy nitondra teo aminy ny fanaintainana (jereo ny Almà 7:11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:18–19). Ampahany voajanahary amin’ny fiainana an-tany ny alahelo.

Saingy na misy inona na misy inona, dia zavatra iray no tsy miova na oviana na ovina : ny drafitry ny famindram-pon’ny Ray any An-danitra. Ny alahelo rehetra sy ny fanaintainana iainanao eo amin’ny fiainana dia tsy hisy intsony noho i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany (jereo ny Apokalypsy 21:4).

Nanazava ny Loholona Dieter F.Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny fanehoana fankasitrahana ao anatin’ny fotoam-pahoriana dia tsy midika hoe faly amin’ny toe-javatra iainantsika isika. Ny tena dikan’izany dia hoe mijery lavitra mihoatra ilay olana mianjady amintsika amin’izao fotoana izao isika amin’ny alalan’ny mason’ny fiNoàna”.