"Ny Paska," Namana, aprily 2026, 46–48.
Hafatra isam-bolana mivoaka ao amin’ny Namana, aprily 2026
Ny Paska
Nandeha niresaka tamin’i Farao i Mosesy ary nangataka azy mba hanafaka ireo andevo Isiraelita. Nandà i Farao. Namafy loza maro tao Egypta ny Tompo saingy mbola nandà hatrany i Farao.
Nilaza ny Tompo fa handefa loza iray farany Izy. Ho faty ny lahimatoan’ny fianakaviana tsirairay tao Egypta. Saingy raha nanaraka ny torolalana avy Aminy ny Isiraelita dia handalo azy ireo fotsiny ilay loza ka tsy hamely azy ireo.
Nasain’ny Tompo nanao sorona zanak’ondry lahy tsy misy kilema ny Isiraelita tsirairay ka hanosotra ny tolanam-baravaran’ny tranon’izy ireo amin’ny ran’ilay zanak’ondry.
Tonga ilay loza. Maty avokoa ny voalohan-teraka rehetra tao Egypta, ka isan’izany ny zanaka lahimatoan’i Farao. Voavonjy kosa ny voalohan-terak’ireo Isiraelita satria nankatò ny Tompo izy ireo.
Nasain’i Farao nandao an’i Egypta i Mosesy sy ny Isiraelita. Saingy tezitra i Farao. Nanenjika azy ireo izy sy ny miaramilany.
Nitoby teo amin’ny Ranomasina Mena ny Isiraelita. Rehefa nahita ny Egyptiana nanatona ny Isiraelita dia natahotra. Nilaza i Mosesy fa hiaro azy ireo ny Tompo.
Nanainga ny tsorakazo teny antanany i Mosesy dia nosarahan’ny Tompo ny ranomasina. Niampita ny ranomasina tamin’ny tany maina ny Isiraelita.
Rehefa tonga soa aman-tsara teny ampitan’ny ranomasina ny Isiraelita dia navelan’ny Tompo hidina ny rano ka nandifotra ny miaramila. Afaka ihany ny Isiraelita nony farany.
Pejy holokoina
Nitsangana tamin’ny maty ho ahy i Jesoa Kristy
Sary nataon’i Audrey Day. Azo adika raha ampiasaina ao am-piangonana irery ihany.
Inona no azonao atao mba hahatsiarovana an’i Jesoa Kristy amin’ity Paska ity sy mandritra ny taona iray manontolo?
© 2026 by Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved. Natonta tany Etazonia. Fankatoavana ny tamin’ny teny anglisy: 6/19. Fankatoavana ny fandikana: 6/19. Fandikana ny Monthly Friend Message, April 2026. Malagasy.. 20062 654