“I Noà sy ny sambofiara”, Namana, febroary 2026, 46–48.
Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, Febroary 2026
I Noà sy ny sambofiara
Nankatò ny Tompo i Noà sy ny fianakaviany. Tena ratsy ny olona hafa rehetra. Nilaza tamin’i Noà ny Tompo fa hisy safo-drano handrakotra ny tany raha tsy mibebaka ny olona.
Nilaza tamin’ny vahoaka i Noà fa tia azy ireo ny Tompo, ary tiany hibebaka sy hanana fiNoàna an’i Jesoa Kristy izy ireo. Tsy nihaino izy ireo.
Nilaza tamin’i Noà ny Tompo mba hanamboatra sambo lehibe iray antsoina hoe sambofiara. Ilay sambofiara dia hiarovana an’i Noà sy ny fianakaviany mandritra ny safo-drano.
Nitondra sakafo nankao amin’ilay sambofiara ny fianakavian’i Noà. Nandefa biby roa farafahakeliny isaky ny karazany avy ny Tompo mba hampidirin’i Noà ao anaty sambofiara. Avy eo dia nanomboka avy ny orana.
Avy ny orana nandritra ny 40 andro sy 40 alina. Nandrakotra ny tany ny safo-drano, araka ny nampitandreman’ny Tompo.
Nandeha soa aman-tsara teny ambony rano ny fianakavian’i Noà sy ireo biby rehetra.
Rehefa tapitra ny safo-drano, dia nijanona tamin’ny tany maina ilay sambofiara. Nisaotra ny Tompo i Noà sy ny fianakaviany noho ny fiarovana azy ireo. Nampanantena ny Tompo fa tsy hanisy safo-drano ny tany intsony. Nandefa avana izy ho fampahatsiahivana ny fampanantenany.
Pejy holokoina
Hitondra fitahiana ho ahy ny fanarahana ny mpaminanin’ny Tompo
Sary nataon’i Audrey Day
Inona no azonao atao mba hanarahana ny mpaminany?
© 2026 by Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved. Natonta tany Etazonia. Fankatoavana ny tamin’ny teny anglisy: 6/19. Fankatoavana ny fandikana: 6/19. Fandikana ny Monthly Friend Message, February 2026. Malagasy. 19927 654