“Fonjan’i Liberty”, Namana, aogositra 2025, 26–28.
Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana aogositra 2025
Fonjan’i Liberty
Maro ireo olona nipetraka tao Missouri no tsy tia ireo Olomasina. Nandefa miaramila ny governora mba handroaka azy ireo.
Nisambotra ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana ireo miaramila. Indray alina dia nihomehy mikasika ireo zavatra ratsy nataon’izy ireo tamin’ny Olomasina ireo mpiambina.
Nitsangana izy dia nihiaka hoe: “Mangina!” Niteny tamin’ny herin’ Andriamanitra Izy. Niala tsiny ireo mmpiambina ary nijanona tsy niresaka intsony.
Taty aoriana dia napetraka tao amin’ny fonja tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Liberty i Joseph sy ireo namany. Nangatsiaka sy kely ary maizina ilay fonja. Tsy nanana afa-tsy mololo maloto izy ireo hatoriana. Nankarary azy ireo ny sakafo nomena azy ireo.
Joseph manahy ny amin’ireo Olomasina. Saingy tsy afaka nanao na inona na inona izy mba hanampiana azy ireo.
Nivavaka mafy i Joseph. Nanontany izy raha toa ka nanadino azy sy ireo mpikamban’ny Fiangonana Andriamanitra.
Namaly ny vavaka nataon’i Joseph Andriamanitra. Hoy Izy: “Anaka, fiadanana anie ho an’ny fanahinao.” Nilaza tamin’i Joseph Izy fa tsy haharitra mandrakizay ireo olany ary ho soa ho azy izany. Nampanantena Izy fa hiaraka amin’i Joseph “mandrakizay mandrakizay“ (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7, 46).
Pejy holokoina
Afaka ny ho toy ny fahazavana ho an’ny hafa aho.
Sary nataon’i Corey Egbert
Ahoana no maha-ohatra tsara anao amin’ny hafa?
© 2025 by Intellectual Reserve, Inc. All right reserved. Natonta tany Etazonia. Fankatoavana ny tamin’ny teny anglisy: 6/19. Fankatoavana ny fandikana: 6/19. Fandikana ny Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana aogositra 2025. Malagasy. 19642 654