2025
Fanorenana ny Tempolin’i Kirtland
Jona 2025


Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, jona 2025

Fanorenana ny Tempolin’i Kirtland

I Joseph Smith sy olona hafa mijery toeram-piompiana sy fambolena midadasika iray

Nilaza tamin’Joseph Smith ny Tompo fa tonga ny fotoana hanorenana tempoly tao Kirtland, Ohio, Etazonia. Ho toerana miavaka izay hamangian’ny Tompo ny vahoakany sy hanaovana fampanantenana amin’izy ireo izany.

Olona manomboka manorina ny Tempolin’i Kirtland

Nanomboka nanorina ny tempoly ireo Olomasina. Nandany vola be izany ary nitaky asa be dia be. Kanefa faly ery izy ireo ny handray ireo fitahian’ny Tompo.

Lehilahy mivavaka sy mpiasa eo akaiky eo

Rehefa niasa nanorina ny tempoly ny Olomasina, dia nanomboka tsy nanam-bola izy ireo. Nivavaka izy ireo mba hangataka fanampiana tamin’ Andriamanitra.

Vehivavy ao anaty sarety mijery ny Tempolin’i Kirtland tsy mbola vita

Nahangona vola be dia be ny vehivavy iray nantsoina hoe Caroline Tippets sy ny fianakaviany. Navelan’izy ireo nindram-bola ny Fiangonana mba hanampiana tamin’ny fanorenana ny tempoly.

Ankizy manangona fitaratra ao anaty harona eo anoloan’ny tempolin’i Kirtland izay voaorina tamin’ny ampahany

Niasa mafy ny Olomasina. Ny sasany dia nitondra sarety feno vato. Ny hafa kosa dia nanjaitra akanjo sy nahandro sakafo ho an’ireo mpiasa.

Nanangona ireo sombim-pitaratra vaky ny ankizy mba hanorotoroana sy hametahana izany teo amin’ny rindrin’ny tempoly mba hamiratan’ireo vakim-pitaratra rehefa taratry ny masoandro.

Olona mijery ny Tempolin’i Kirtland efa vita

Vetivety dia vita ny tempoly! Nientanentana ny Olomasina ny hiditra tao amin’ny tranon’ny Tompo mba handray ireo fitahiana nampanantenainy azy ireo.

Pejy holokoina

Mahafantatra ahy ny Tompo ary tiany aho.

Tonon-kira nasiam-panovana

Sary nataon’i Corey Egbert

Ataovy sary ao anatin’ilay boribory lavalava ny tarehinao. Ahoana no ahafantaranao fa tia anao i Jesoa?