2025
Nahita ny fahamarinana i Lucy
Aprily 2025


“Mahita ny fahamarinana i Lucy,” Namana, aprily 2025, 26–28.

Hafatra isam-bolana mivoaka ao amin’ny Namana, aprily 2025

Nahita ny fahamarinana i Lucy

Ankizivavy manokatra varavarana mba hamela andiana lehilahy handroso an-trano, sy vehivavy iray mipetraka manoloana  fanenonana iray

Indray andro, i Lucy Morley izay 15 taona dia nanampy ny mpifanolobodirindrina taminy, i Abigail Daniels, nanenona lamba. Rehefa niasa izy ireo dia nisy misiônera telo nandondona tao am-baravarana. Nilaza izy ireo fa naniraka azy ireo hizara hafatra iray i Jesoa Kristy.

Mikentrona ny vehivavy manoloana ny fanenonana mandritra ireo lehilahy miresaka amin’ilay ankizivavy kely .

Nilaza tamin’i Abigail sy i Lucy ireo lehilahy fa niantso an’i Joseph Smith ho mpaminany i Jesoa. Nampahafantatra azy ireo momba ny Bokin’i Môrmôna ihany koa izy ireo.

Vehivavy tezitra mandroaka lehilahy hiala ny tranony

Tsy nampoizin’i Lucy fa tezitra i Abigail. Nasainy nandeha ireo misiônera.

Lehilahy mitodika raha iny mihazakazaka aorian’ izy ireo iny ny zazavavy iray

Fantatr’i Lucy fa mpanompon’ Andriamanitra ireo misiônera ireo. Nasainy nitsidika ny fianakaviany izy ireo izay mipetraka ao aloha kely ao .

Lehilahy eo amin’ny latabatra fisakafoana miaraka amin’ny ankizivavy sy ny fianakaviany

Nandeha tany an-tranon-dry Morley ireo misiônera. Nanasa ireo misiônera izy ireo mba hampianatra azy ireo sy ireo namany.

Ankizivavy mametraka lamba famaohana eo amin’ny soroky ny vehivavy ary olona hafa atao batisa ao anaty renirano iray ao ambadika

Tamin’io alina io dia olona 17 no natao batisa. Tao anatin’ny andro vitsivitsy manaraka dia olona 50 fanampiny no naheno ireo misiônera ary natao batisa. Na dia i Abigail mpifanolobodirindrina tamin’i Lucy aza dia miova hevitra. Nisafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy izy sy ny vadiny niaraka tamin’i Lucy sy ireo olona tao amin’ny fianakaviany tamin’ny alalan’ny fanaovana batisa.

Pejy holokoina

Noho i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty aho.

fanehoana an-tsary ny fasana foana

Sary nataon’i Corey Egbert

Ahoana no ahatsiarovanao an’i Jesoa mandritra ny vanim-potoan’ny Paska?