“Nandray ny takela-bolamena i Joseph Smith,” Namana, febroary 2025, 26–28.
“Afaka ny ho vavolombelona aho fa marina ny Bokin’i Môrmôna,” Namana, febroary 2025, 48.
Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, febroary 2025
Nandray ireo takela-bolamena i Joseph Smith
Azonao vakina ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:28–60 io tantara io.
Telo taona taorian’ny Fahitana Voalohany dia nalahelo i Joseph Smith noho ny fahadisoana sasantsasany nataony. Nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra momba izany izy.
Raha teo am-pivavahana iny i Joseph dia nisy hazavana nameno ny efitrano. Nahita anjely iray nijoro teo amin’ny rivotra izy. I Môrônia no anaran’ilay anjely.
Nilaza i Môrônia fa misy boky iray vita amin’ny pejy volamena, na takela-bolamena. Nalevina tao amina havoana iray teo akaikin’ny tranon’i Joseph izany. Mitantara mikasika ny vahoaka izay niaina taloha ela be tany Amerika ilay boky. Nilaza i Môrônia fa hanampy an’i Joseph handika ilay boky Andriamanitra.
Nandeha tany amin’ilay havoana i Joseph ka nahita ireo takela-bolamena tao ambanin’ny vato mavesatra iray. Tonga i Môrônia ary nilaza fa tsy mbola vonona ny haka azy ireo i Joseph.
Rehefa lehibe kokoa i Joseph dia nihaona taminy teo amin’ilay havoana ny anjely Môrônia ka nanome azy ireo takelaka. Nasain’i Môrônia hiaro azy ireo i Joseph.
Nanomboka nandika ireo takelaka tamin’ny teny Anglisy i Joseph. Nampiasa fitaovana manokana avy amin’ Andriamanitra izy mba hanampiana azy. Navoaka tamin’ny taona 1830 ho ny Bokin’i Môrmôna ilay boky. Mampianatra momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany izany.
Pejy holokoina
Afaka ny ho vavolombelona aho fa marina ny Bokin’i Môrmôna
Sary nataon’i Corey Egbert
Ahoana no ahafahanao manampy ny hafa hianatra momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna?
© 2025 by Intellectual Reserve, Inc. All right reserved. Natonta tany Etazonia. Fankatoavana ny tamin’ny teny anglisy: 6/19. Fankatoavana ny fandikana: 6/19. Fandikana ny Monthly Friend Message, February 2025. Malagasy. 19641 654