— Camille N. Johnson, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany
Ankizy maro maneran-tany no ampahorian’ny vokatra ateraky ny tsifanjarian-tsakafo. Miankina amin’ny sakafo ara-pahasalamana ny fivoarana ara-dalàn’ny atidoha sy ny vatana ary ny fiforonan’ny hery fiarovana, indrindra manomboka izy vao torontoronina ka hatramin’ny 2–3 taona. Raha misy zaza tsy mahazo sakafo ara-dalàna mandritra io fotoana io, dia tsy hitombo araka ny tokony ho izy ny atidoha sy ny vatan’izany zaza izany.
Ny Fiangonana dia nanao ezaka mifantoka amin’ny fanampiana zaza maro kokoa hahazo fikarakarana ara-tsakafo amin’ny antsipiriany, ka tafiditra ao anatin’izany ny sakafo mahavelona, rano fisotro ara-pahasalamana, fanampiana amin’ny fahazoana fitsaboana any amin’ireo toeram-pitsaboana misy eo an-toerana ary ireo antony hafa izay manampy ny zaza hanatratra ny fitomboany araka ny tokony ho izy.
Ny Fiangonana dia namolavola torolalana maro izay manolotra hevitra sy fampahalalana ho an’ny ray aman-dreny sy ny mpitarika rehefa mikatsaka ny hanampy ireo zaza sy ny fianakaviana izy ireo. Azonao sintonina amin’ny alalan’ny lohahevitra na sintonina eo amin’ny rohy etsy ambany ireo torolalana ireo.
Miatrika tsy fanjarian-tsakafo ny zaza any amin’ireo fiarahamonina manerana izao tontolo izao. Ampiasao ireo loharano etsy ambany mba hamantarana misimisy kokoa momba ny fanjarian-tsakafon’ny zaza, ny fiantraikan’izany eo amin’ny ankohonantsika, ary ny fomba azonao atao mba hanampiana.
Afaka mamantatra ireo fomba hanampiana ireo fianakaviana ao amin’ny fiaraha-monina misy anao ianao amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitarihana avy amin’ny Fanahy. Azonao atao, ohatra, ny manome fanatitra amin’ny fifadian-kanina amin-kalalahan-tanana, mirotsaka an-tsitra-po amin’ny fizarana sakafo maimaim-poana ho an’ireo fianakaviana sahirana eo an-toerana, na mahandro sakafo mahavelona ho ana mpifanolo-bodirindrina iray. Raha misy eo amin’ny faritra misy anao, dia azonao atao ny mandray anjara amin’ity ezaka ity amin’ny alalan’ny fitsidihana JustServe.org sy ny fikarohana tetikasa mifandray amin’ny fanjariantsakafon’ny zaza na ny hanoanana.